Seminera
Lesona 80: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80


Lesona 80

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80

Fampidirana

Raha teo am-pandikana ny Baiboly i Joseph Smith ny 16 Febroary 1832 dia nanao fanovana nentanim-panahy ny tao amin’ny Jaona 5:29 mikasika ny fitsanganan’ireo marina sy tsy marina amin’ny maty izy. Rehefa avy nahita ireo fahitana ny voninahitry ny Ray sy ny Zanaka, ny fahalavoan’i Losifera ary ny zanaky ny fahaverezana i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia naseho ny fahitana ireo izay hanana anjara amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty: ny mponina ao amin’ny fanjakana selestialy sy terestrialy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70

Manambara ny zavatra takiana sy ny fitahiana avy amin’ny fahazoana ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy ny Tompo

Mitondrà mofo iray sy ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fanamboarana mofo ao an-dakilasy. (Na afaka mampiasa zavatra izay nandrahoina tamin’ny lafaoro ianao ka mila singa maromaro ny fanamboarana azy.) Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Zavatra ilaina hanaovana mofo. Anontanio ny mpianatra ny anaran’ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fanaovana mofo, ka asehoy ireo singa ireo eo am-panononan’ny mpianatra izany. (Raha tahiny ka tsy manana ireo zavatra ilaina ireo ianao dia azonao atao ny manao lisitra izany eny amin’ny solaitrabe rehefa tononina ny anarany.) Lazao amin’ireo mpianatra fa ny dingana arahina amin’ny fanaovana mofo dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny fahamarinana izay hohitan’izy ireo ao amin’ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80.

Ampio ny mpianatra hijery indray ny zava-miseho tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 amin’ny alalan’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no nataon’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon talohan’ny nahazoany ilay fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76? (Nandika sy nisaintsaina ny tao amin’ny Jaona 5:29. Raha mila fanampiana ireo mpianatra amin’ny fitadidiana io zava-miseho io dia asao izy ireo hanopy maso ny fehezan-teny farany ao amin’ilay teny fanolorana.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 5:29 Hazavao fa tamin’ny fotoana izay nisaintsain’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny fanoritsoritan’i Jaona ny fitsanganan’ireo izay nanao ny tsara amin’ny maty sy ny fitsanganan’ireo nanao ny ratsy amin’ny maty no nandraisan’izy ireo ny fahitana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50 Asaivo tadiavin’ireo mpianatra ny zavatra izay naseho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon taorian’ny fahitana ny zanaky ny fahaverezana .

  • Araka ny andininy 50 dia iza no hitan’ny Mpaminany sy i Sidney Rigdon taorian’ny fahitana ny zanaky ny fahaverezana? (Ireo izay hivoaka amin’ny fitsanganan’ ny marina amin’ny maty.)

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–80 dia milazalaza ireo izay hitsangana amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty. Asaivo manao topimaso ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:70 ny mpianatra ka hijery ny vondron’olona voalohany izay hitsangana amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Zavatra ilaina hahalasanana ho olona selestialy. Hazavao fa tao anatin’io fahitana io dia nanambara tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny fanoritsoritana ireo izay handova ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy ny Tompo. Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–53 sy hitady ny zavatra takiana (ilaina) hahalasanana ho olona selestialy. Omeo toromarika ireo mpianatra fa rehefa mahita zavatra takiana iray izy ireo dia asaina mankeny amin’ny solaitrabe ary hanoratra ny zavatra hitany.

Rehefa avy nanoratra ireo zavatra takiana eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra dia azonao atao ny manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny teny sasany ao amin’ireo andininy ireo.

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe: “[mandray] ny tenivavolombelon’i Jesoa”? (F&F 76:51). (Ny valinteny dia mety ahitana ny hoe mino ny iraka masina nampanaovina ny Mpamonjy sy manaraka ny filazantsarany.)

  • Ahoana no fomba “handresen’ny olona iray amin’ny finoana”? (F&F 76:53). (Ny hoe “mandresy amin’ny finoana” dia midika hoe mandresy ny fakam-panahy sy ny fahotana amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an i Jesoa Kristy sy ny fiaretana ireo fitsapana rehetra.)

  • Inona no dikan’ny hoe “fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana”? (F&F 76:53). (Azonao atao ny manazava fa ny Fanahy Masina no Fanahy Masin’ny Fampanantenana. Fehezin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana isika rehefa mijoro ho vavolombelona eo anatrehan’ny Ray any An-danitra ny Fanahy Masina fa ny ôrdônansy izay noraisintsika dia notontosaina araka ny tokony ho izy ary mahatoky amin’ireo fanekempihavanana izay nataontsika isika. Afaka manamafy amintsika ihany koa ny Fanahy Masina fa eken’ Andriamanitra ny fahatokiantsika manoloana an’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana.)

Fintino fohifohy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:54–68 amin’ny alalan’ny fanazavana fa mitanisa ireo fitahiana maro izay horaisin’ireo mponin’ny fanjakana selestialy io andinin-tsoratra masina io. Raha mbola misy ny fotoana dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:54–68 Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ireo fitahiana ireo. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ny fitahiana izay tena manan-danja manokana ho azy ireo.

  • Inona avy ireo fitahiana izay tena manan-danja aminao? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69–70. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra hafa takiana amin’ny olona iray mba hahamendrika azy amin’ny fanjakana selestialy.

  • Na dia miezaka ny hanana ireo zavatra ilaina rehetra aza isika eo amin’ny fiainantsika dia inona no lazain’ireo andininy ireo momba ny zavatra izay mbola ilaintsika mba hahatonga antsika ho mendrika ny handova ny fanjakana selestialy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fotopampianarana manaraka ity, eo ambanin’ilay hoe Zavatra ilaina hahalasanana ho olona selestialy: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahantsika ho lasa fanaperana.)

Hazavao fa na dia tsy mahatonga antsika ho tonga lafatra aza ny fitandremantsika ny didy rehetra dia manampy antsika ho mendrika ny hahazo ny fahasoavan’ny Mpamonjy ny ezaka ataontsika sy hodiovina amin’ny alalan’ny “sorompanavotany fanaperana tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany” (F&F 76:69). Io fahamarinana io dia afaka mamporisika antsika hitandrina ny didy sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena mba hahafahantsika mandray ireo fitahiana mandrakizay ireo. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity, ary hanoratra ny valinteniny ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina avy eo.

  • Ahoana no mety hanampian’ny fotopampianarana ao amin’ny andininy 69 antsika handresy ny fahakiviana rehefa miezaka ny ho mendriky ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy isika?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny valinteniny. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny andraikitry ny Mpamonjy amin’ny fanampiana antsika ho lasa tonga lafatra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–80

Omena fahitana ny fanjakana terestrialy i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71 Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra manaraka naseho an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Araka ny voalaza ao amin’io andininy io, manao ahoana ny voninahitra ao amin’ny fanjakana terestrialy raha ampitahaina amin’ny voninahitra ao amin’ny fanjakana selestialy?

Hazavao fa ny soratra masina dia mampiasa ny vaika samihafan’ny hazavana izay avy amin’ny volana sy ny masoandro mba hanehoana ny fahasamihafana misy eo amin’ireo voninahitra ao amin’ny fanjakana terestrialy sy selestialy. Na dia samy ho tafiditra ao amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty aza ny mponina ao amin’ny fanjakana selestialy sy terestrialy dia hahazo voninahitra sy fitahiana lehibe kokoa ireo mahazo ny vatana selestialy raha oharina amin’ireo mahazo ny vatana terestrialy.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:72–80, ary hitady ny maha-samy hafa ny mponina ao amin’ny fanjakana terestrialy sy ny mponina ao amin’ny fanjakana selestialy. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ny mpianatra mba hamakiana dia asaivo soritsoritany ny fahasamihafana hitany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ ireo andininy ireo dia inona no fanoritsoritana ankapobeny ireo izay handova ny fanjakana terestrialy? (Toy izao no mety valinteny ho hita: ireo izay “maty tsy nisy lalàna” [andininy 72]; ireo izay “tsy nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa tao amin’ny nofo, saingy nandray izany taty aoriana” [andininy 73–74]; “olom-banona teto an-tany, izay nohajambain’ny famitahan’ny olona” [andininy 75]; sy “ireo izay tsy maherifo amin ny tenivavolombelon’i Jesoa” [andininy 79].)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny filazana momba ireo maty tsy nanana lalàna na ireo izay mandray ny filazantsara aorian’ny fahafatesany (jereo ny andininy 72–74), dia hazavao fa nanome hevi-baovao fanampiny momba ireo olona ireo ny Tompo rehefa nanambara tamin’i Joseph Smith ny momba ny fiafaran’i Alvin rahalahiny, izay maty talohan’ny nahafahana nanao batisa azy Izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–9 Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no fanampim-panazavana izay nomen’ny Tompo mikasika ireo izay hanaiky ny filazantsara raha toa ka navela hitoetra izy ireo?

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9, dia iza no hitsara antsika araka ny asantsika sy ny fanirian’ny fontsika?

Vakio mafy ity teny nambara manaraka ity: “Tsarovy fa Andriamanitra irery ihany, izay mahafantatra ny ao am-pon’ny tsirairay, no afaka mitsara farany ny olona tsirairay” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 90). Antitrantero fa satria ny Tompo ihany no afaka mahafantatra ny ao am-pontsika dia tsy tokony hitsara ny hafa isika momba ny fanjakana izay heverintsika holovainy.

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe: “nohajambain’ny famitahan’ny olona”? (F&F 76:75). (Jamba tsy mahita ny maha-zava-dehibe ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona sasany noho ny fitaoman’izao tontolo izao.) Ahoana no mahatonga ny olona sasany ankehitriny ho jamba noho ny famitahan’ny olona?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny dikan’ny hoe “tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon i Jesoa” ( F&F 76:79), dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Inona no dikan’ny hoe maherifo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa? …

“Ny vato fehizoro lehiben’ny herim-po ho an’ny tombotsoan’ny fahamarinana dia ny fankatoavana ny lalàna rehetra ao amin’ny filazantsara iray manontolo. …

“Ny hoe maherifo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa dia ny finoana an’i Kristy sy ny filazantsarany miaraka amin’ny fiovam-po tsy voahozongozona.

“Saingy tsy izay fotsiny. Mihoatra noho ny finoana sy fahafantarana fotsiny izany. Tsy maintsy manatanteraka ny teny isika fa tsy mpihaino fotsiny. Mihoatra noho ny eo am-bava fotsiny izany; tsy hoe mibaboka tsotra fotsiny eo am-bava ny maha-Zanakalahin’ Andriamanitra ny Mpamonjy. Fankatoavana sy fanarahana ary fahamarinan’ny tena manokana izany. …

“Ny hoe mahery fo amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa dia ny … ‘maharitra hatramin’ny farany.’ (2 Ne. 31:20.) Izany dia fiainana ny fivavahantsika, fampiharana ny zavatra toriantsika, fitandremana ny didy” (“Be Valiant in the Fight of Faith,” Ensign, nôv. 1974, 35).

  • Mieritrereta olona iray fantatrao izay raisinao ho maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa. Inona ireo toetra sy asa izay mampiseho ny herim-pony?

  • Inona no nanampy anao ho maherifo amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

  • Raha toa ka maherifo amin’ ny fijoroana ho vavolombelona mikasika an’ i Jesoa Kristy isika dia inona no ho azontsika? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Raha toa ka mahery fo amin’ ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe Zavatra ilaina hahalasanana ho olona selestialy io fahamarinana io.)

Asaivo soratan’reo mpianatra ao anatin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra iray izay azony hatao mba hahatonga azy ireo hahery fo kokoa amin’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa manana ny hery anaty hahazoana ny fanjakana selestialy ny tsirairay amin’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–53, 69–70. Lasa olona selestialy

Nanazava ny anjara asan’ny fankatoavana sy ny Sorompanavotana amin’ny fanampiana antsika ho lasa mendriky ny fanjakana selestialy ny Loholona Dallin–H. Oaks ao amin ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny Fitsarana Farany dia tsy fanombatombanana ny fitambaran’ny asa tsara sy ratsy fotsiny—ny zavatra izay vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika. Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy am-pieritreretana. Ny didy, ny ôrdônansy, ary ny fanekempihavanana dia tsy toy ny lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. …

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no drafitra izay ahafahantsika ho lasa eo amin’ny toerana izay noheverina fa hahatongavan’ny zanak’ Andriamanitra. Io toetra tsisy pentina sy tonga lafatra io dia ho azo avy amin’ny fifandimbiasana tsy miovaova teo amin’ny fifanekempihavanana, ôrdônansy, sy asa atao, fitambaran’ny safidy marina, ary avy amin’ny fibebahana mitohy. …

“… Amim-pankasitrahana no ijoroako ho vavolombelona momba ny drafitry ny Ray izay ahafahantsika manana fitokiana ny amin’ny tsy fahafatesana sy ny fahafahana ho lasa izay tokony ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay” (“The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32, 33, 34).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:67. Ny “fiangonan’i Enoka sy ny an’ny Lahimatoa”

Tamim-pahombiazana no nanorenan’i Enoka sy ny vahoakany, izay afaka antsoina hoe fiangonana, fiombonana na fivavahan’i Enoka, an’i Ziona ka nakarina ho any an-danitra. Ny fahalasanana ho mpikambana ao amin’ny fiangonan’ny Lahimatoa dia mitaky antsika ho mendrika ny hitoetra ao amin’ny fiaraha-monin’i Enoka, izay tsy azo heverina raha tsy amin’ny alalan’ny fahamarinan’ny tena manokana, ny fankatoavana ny ôrdônansy ao amin’ny tranon’ny Tompo sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe mpikambana tao amin ny fiangonan’ny Lahimatoa:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay tena manokana ny tenany amin’ny fahamarinana ka mandray ny ôrdônansy avon’ny fisandratana no lasa mpikamban’ny Fiangonan’ny Lahimatoa. Ny batisa no vavahadin’ilay Fiangonana, fa ny fanambadiana selestialy kosa no vavahadin’ny maha-mpikambana ao amin’ilay Fiangonan’ny Lahimatoa, dia ireo olomasina mahatoky ao anatiny izay mpandova ny fisandratana sy ny fahafenoan’ny fanjakan’ny Ray” (Mormon Doctrine, ed. faha-2 |1966,] 139).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69. Fahatanterahana

Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe fahatanterahana ao anatin’ny drafitry ny Tompo:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Ny fahatanterahana araka izay eritreretin’ny Mpamonjy ho antsika dia mihoatra noho ny asa tsy misy fahadisoana. Izany dia fanantenana maharitra mandrakizay izay nasehon’ny Tompo tao anatin’ilay vavaka fanalalanana tamin’ny Rainy—dia ny mba hahafahantsika ho tanteraka sy hiara-mitoetra aminy any aoriana any amin’ny fiainana mandrakizay [jereo ny Jaona 17:23–24]. …

“… Ny fahatanterahana dia miompana amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay—dia ilay karazam-piainana iainan’ Andriamanitra. …

“… Amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra antsika dia nomena hery anaty hahatongavana ho toa azy ireo isika, tahaka ny hahafahan’ny zanaka mety maty ho tonga toa ny ray aman-dreniny mety maty.

“Namerina tamin’ny laoniny ny fiangonany ny Tompo mba hanampiana antsika hiomana amin’ny fahatanterahana. …

“Ny olona tonga lafatra dia ilay olona feno… ilay fanahy nomem-boninahitra! …

“Tsy tokony ho kivy isika raha toa ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka ka toa sarotra sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy ao aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Miandry ireo rehetra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny izany. Ahitana ny fiandrianana, fanjakana, fanapahana, hery sy fizakana izany [jereo ny F&F 132:19]. Izany no tanjona faratampony izay tokony hiaretantsika. Izany no fahatanterahana mandrakizay izay homanin’ Andriamanitra ho antsika tsirairay” (“Perfection Pending,” Ensign, nôv. 1995, 87, 88).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69–70. Manana ny hery anaty hahazoana ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana

Ny Filoha George Albert Smith dia nampianatra ny hery anaty ananan’ny olona rehetra hahazoana ny fanjakana selestialy:

Sary
Filoha George Albert Smith

“Ho ahy, iray amin’ireo zavatra mahafinaritra ao amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hoe mitondra antsika rehetra eo amin’ny fitoviana lenta izany. Tsy voatery ho filohan’ny tsatòka na mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ny olona iray vao hahazo ny toerana avo ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny mpikambana faran’izay tsotra indrindra ao amin’ny Fiangonana, raha mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia hahazo ny fisandratana tahaka ny olona hafa rehetra ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny hatsaran’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia hoe mampitovy tantana antsika rehetra izany raha toa ka mitandrina ny didin’ny Tompo isika. … Manana fahafahana mira lenta amin’ny fisandratana isika” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1933, 25).

Nijoro ho vavolombelona ny Eveka Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Episkôpà Mpiahy: “Samy mpilatsaka hofidiana amin’ny fanjakana selestialy isika rehetra” (tao amin’ny Conference Report, Apr. 1952, 118).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:58, 71. Lasa andriamanitra sy mandray ny fahafenoan’ny Ray

Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra Ray ara-bakiteny antsika dia afaka ho lasa tahaka Azy isika. Ny hoe mandray ny fahafenoan’ny Ray dia mandray tanteraka ny Voninahiny sy ny Fitahiany. Raha miaina ny fampianaran’ny Mpamonjy sy mitandrina ny didiny ary mampihatra ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainantsika isika dia afaka manandratra antsika ho tahaka Azy ny Ray, sy hiaina ny karazam-piainana izay iainany ary hahazo ny fahasambarana mandrakizay izay ananany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79. “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa”

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana natao ny volana Aprily 1982 dia nanoritsoritra ny dikan’ny hoe mahery fo amin’ny tenivavolombelon i Jesoa ny Filoha Ezra Taft Benson. Jereo ny Valiant in the Testimony of Jesus,” Ensign, mey 1982, 62–64.