Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Ny Ady tany Utah sy ny Fandripahana tany Mountain Meadows, ary ny Fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy, Filazana Ôfisialy 1, sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 (Fizarana 31)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain Meadows, ny Fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy, ny Filazana Ôfisialy 1 ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 (Fizarana 31)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pampianaran’ny Mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Ity manaraka ity dia famintinana fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny fizarana 31. Ity famintinana ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny fotopampianarana sy fitsipika vitsivitsy fotsiny ny lesona izay ho ampianarinao ho an’ny fizarana 31. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina eo am-pandanjalanjanao ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Andro 1 (Ny Ady tao Utah sy ny Fandripahana tao Mountain Meadows)

Rehefa nianatra tranga nampalahelo iray tamin’ny tantaran’ny Fiangonana ny mpianatra dia nandinika ny fitsipika izy ireo fa raha mamaha olana iray amin’ny fomban’ny Tompo isika dia afaka miala amin’ny vokatry ny fifandirana izay mandrava. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa raha tsy miraharaha torohevitra mikasika ny fanaovana ny marina isika dia ho mora kokoa amintsika avy eo ny hanao safidy tsy mety. Nahita ny mpianatra fa ny misafidy ny hanafina ny fahotantsika dia mety hitarika antsika hanao fahotana hafa ka hitondra fanenenana sy fijaliana. Ary farany dia nianatra ireo mpianatra fa afaka mampitombo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa isika amin’ny fanorenana ny finoantsika eo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy.

Andro 2 (Ny Fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy)

Nahita ireo mpianatra fa ny Voahangy Lafo Vidy dia mampiseho fa mpaminany sy mpahita ary mpanambara i Joseph Smith. Nianatra momba ny fivoahan’ny bokin’i Mosesy sy ny bokin’i Abrahama izy ireo. Izy ireo ihany koa dia namantatra fotopampianarana sy fitsipika maro tao amin’ireo Fanekem-pinoana.

Andro 3 (Filazana Ôfisialy 1)

Rehefa nandalina ny Manifesto mikasika ny fanafoanana ny fanaovana fanambadiana maro ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny Filohan’ny Fiangonana ny Tompo ary Izy dia tsy hamela na oviana na oviana ny Filohan’ny Fiangonana hitarika ny Fiangonana haniasia. Rehefa nianatra momba ny fandrosoan’ny asa atao any amin’ny tempoly tamin’ny taona 1890 ka hatramin’ny taona 1900 ny mpianatra dia nahita ihany koa izy ireo fa isika dia afaka fehezina amin’ireo mpikamban’ny fianakaviantsika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny famehezana, ka anisan’izany ireo izay tonga teo alohantsika ary ireo izay ho avy aoriantsika.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138)

Tamin’ny fandalinana ny traikefan’ny Filoha Joseph F. Smith mikasika ny fandraisana fanambarana dia hitan’ireo mpianatra fa rehefa mamaky sy misaintsaina ny soratra masina isika dia manomana ny tenantsika amin’ny fandraisana fanambarana. Ankoatra izany dia nianatra izy ireo fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ny fankatoavana ireo fitsipiky ny filazantsara dia afaka ny ho voavonjy ny olon-drehetra. Nianatra ihany koa ny mpianatra fa amin’ny alalan’ny famindrampon’ Andriamanitra ilay Ray sy i Jesoa Kristy no hahafahantsika ho voavonjy avy amin’ireo fatotry ny fahafatesana ary afaka mandray ny fahafenoan’ny fifaliana isika amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ampianarana ny filazantsara amin’ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy. Mety hanampy ny mpianatra hahatakatra ihany koa izany fa izy ireo dia afaka ho anisan’ny asa lehiben’ny famonjena ny maty.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mialoha ny fampianarana ity lesona momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ity dia azonao atao ny manontany ireo mpianatra raha manana fanontaniana momba izay rehetra nianarana tamin’iny herinandro iny izy ireo. Mety hanana fanontaniana momba ny Fandripahana tany Mountain Meadows na ny Filazana Ôfisialy 1 ohatra izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138

Ny Filoha Joseph F.Smith dia nianatra ny fomba nitoriana ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy

Lazao ny mpianatra fa ny olona rehetra eto ambonin’ny tany dia samy manana ny finoany avokoa mikasika ny hoe inona no zavatra hitranga aorian’ny fahafatesana. Anontanio ny mpianatra raha efa nihaona tamin’olona iray izy ireo izay manana finoana hafa mikasika ny hoe inona no mitranga rehefa maty isika. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. (Mila mitandrina tsara ianao mba tsy hiresaka zavatra ratsy na hanao tsinontsinona ny finoana ara-pivavahan’ny hafa.)

  • Ahoana no ahafahantsika mahafantatra hoe inona amin’ireo finoana mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana no marina? (Azonao atao ny manazava fa na dia ny Olomasin’ny Andro Farany sasany aza dia mino hevitra tsy marina mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana.)

Mba hanampiana ny valintenin’ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tenin’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Ny soratra masina no mizàna handrefesana ny mety sy ny fahamarinana” (“The Blessing of Scripture,”Ensign na Liahona, mey 2010, 34).

Lazao fa afaka mahafantatra ny fahamarinan’ireo karazana finoana isika mikasika ny fiainana aorian’ny fahafatesana amin’ny fampitahana ireo finoana ireo amin’ny fahamarinana izay nambaran’ny Tompo ao amin’ny soratra masina toy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138.

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary nampiarahina eto ity: Azonao atao ny manazava fohy amin’ny fomba hafa fa ny tontolon’ny fanahy manontolo dia azo antsoina hoe tranomaizin’ny fanahy satria na ireo olo-marina aza dia mahatsapa ny fisarahan’ny vatana sy ny fanahy ho famatorana (jereo ny F&F 138:49–50).

Sary
sarin’ny paradisan’ny fanahy sy ny tranomaizin’ny fanahy

Mba hanampiana ny mpianatra hamerina vetivety ireo fahamarinana nianaran’izy ireo tao amin’ny fizarana 138, dia asao ny antsaky ny kilasy mba hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–15, 22 ireo antsipirian-javatra mikasika ny hoe olona manao ahoana no mankany amin’ny paradisan’ny fanahy rehefa maty ary manao ahoana no toe-piainana ao. Asao ny antsasaky ny mpianatra hafa mba hikaroka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:20–22 ireo antsipirian-javatra mikasika an’ireo izay hankany amin’ny tranomaizin’ny fanahy rehefa maty sy ny toe-piainana ao. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Hamafiso fa tsy ireo ratsy fanahy sy ireo mpikomy ihany no mankany amin’ny tranomaizin’ny fanahy rehefa maty fa ireo izay maty tao amin’ny fahotany ka tsy nahalala ny filazantsara ihany koa (jereo ny F&F 138:32). Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa raha nisaintsaina ny andalana tao amin’ny 1 Petera ny Filoha Joseph F. Smith dia nanambara taminy ny Tompo mikasika ny fomba nahafahan’ireo olona tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy ireo hanana fahafahana handray ireo fitahian’ny filazantsarara.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–32, ary asaivo mitady ny fomba nampianarana ny filazantsara tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy ny mpianatra . Asao ny mpianatra hanao ny tatitra momba ny zavatra hitany. Tokony hahita mitovy amin’ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Teo ambany fitarihan’i Jesoa Kristy ireo olo-marina mpitory no nampianatra ny filazantsara tamin’ny olona tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.

Asio tsipika iray avy amin’ny paradisan’ny fanahy mankany amin’ny tranomaizin’ny fanahy mba hanehoana ireo olo-marin’ny Tompo nitory ny filazantsara tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy ilay sary eny amin’ny solaitrabe.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:33–37 amin’ny fanazavana fa ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra dia hanana fahafahana handray ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy avokoa na ety an-tany izany na ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe ahoana ny rehetra no afaka hihaino ny filazantsara, dia hazavao fa na dia namangy ny tontolon’ny fanahy nandritra ny fotoana fohy aza ny Mpamonjy taorian’ny nahafatesany dia nandrindra ireo fanahin’olo-marina mba hitory ny filazantsara amin’ireo izay ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy Izy. Mbola mitohy io ezaka io ankehitriny. Ireo olona maty izay mbola tsy nandre na tsy nanaiky ny filazantsara amin’izao androntsika izao dia hanana fahafahana haheno sy hanaiky ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–49, ny Filoha Joseph F. Smith dia nanao lisitra ny anaran’ireo fanahin’“olona lehibe sy mahery” hitany tao amin’ny tontolon’ny fanahy izay miandry ny fisehoan’ny Tompo eo anivony taorian’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Ny sasany tamin’ireo fanahy izay notsidihan’ny Mpamonjy ireo dia mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Testamenta Taloha. Hitantsika manomboka ao amin’ny andininy 53 fa ny Filoha Smith dia nahita ireo fanahy nofinidy hidina eto an-tany amin’ny andro farany, ka anisan’izany ny Mpaminany Joseph Smith (dadatoany) sy Hyrum Smith rainy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny fomba hahafahan’ny tsirairay mandray anjara raha mbola eto an-tany amin’ny famonjena ireo izay ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.

  • Ahoana no fomba nanampian’ny mpitarika ny Fiangonana amin’ny andro farany ny fanahy ao amin’ny tranomaizina?

Rehefa nahita ireo mpianatra fa ny mpaminanin’ny andro farany dia manampy amin’ny fanavotana ireo maty amin’ny alalan’ny fananganana tempoly sy amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny maty, dia apetraho na manaova sarin’ny tempoly eo akaikin’ny sary eny amin’ny solaitrabe.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58–59. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny tokony hataon’ireo maty mba ho avotra. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Inona no hitranga amin’izay mibebaka ao amin’ny tontolon’ny fanahy? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, nefa tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Ireo fanahy izay mibebaka dia ho vonjena amin’ny alalan’ny fankatoavana ny ôrdônansy atao any amin’ny tempoly, ho voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ary handray ny valisoany).

  • Ahoana no hahafahantsika manampy amin’ny asa famonjena ny maty mandritra ny fotoana hianantsika ety an-tany? (Amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny tantaram-pianakaviana sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy ho an’ny maty atao any amin’ny tempoly.)

Tondroy ilay sarin’ny tempoly eny amin’ny solaitrabe. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mankany amin’ny tempoly isika mba hanatanteraka ôrdônansy ho an’izay efa nodimandry dia manampy azy ireo isika—raha toa izy ireo ka misafidy ny hanaiky ireo ôrdônansy—mba ho avotra avy amin’ny tranomaizin’ny fanahy ary hikambana amin’ireo fanahy ao amin’ny paradisa.

Dia ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ny tsipika iray avy amin’ny tranomaizin’ny fanahy mankany amin’ny paradisan’ny fanahy mba hanehoana ny fanavotana ny fanahy nibebaka avy tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy.

  • Ahoana no iantefan’ny fahalalana izany amin’ny traikefanao amin’ny fanaovana ny asa any amin’ny tempoly sy amin’ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana?

  • Ahoana no notahiana anao tamin’ny fandraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly? (Afaka ihany koa ianao mizara zavatra iray izay niainanao.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:60. Asao ny mpianatra rehetra mba hanaraka ny vakinteny ka hitady ny fijoroana ho vavolombelon’ny Filoha Joseph F. Smith ny amin’ireo fahamarinana noraketiny.

Amporisiho ny mpianatra mba hanokana fotoana hanaovana tantaram-pianakaviana na asa atao any amin’ny tempoly mandritra ny herinandro vitsivitsy ho avy.

Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana azo avy amin’ny Sorompanavotana izay samy afaka raisin’ny velona sy ny maty.

Fizarana manaraka (Ny Firafitra sy ny Fandaharan’asan’ny Fiangonana, Filazana Ôfisialy 2, Fanafainganana ny Asa Famonjena, ny Fanambarana momba ny Fianakaviana, ary ny Mpaminany Velona)

Anontanio ny mpianatra ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fitarihan’ny Tompo ny Fiangonany ankehitriny. Nahoana no zava-dehibe ny fananana mpaminany velona? Nahoana no zava-dehibe ny fianakaviana? Asao ny mpianatra hikaroka ny valin’ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ireo leson’ny herinandro ambony.