Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101; 102–5 (Fizarana 22)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101; 102–105 (Fizarana 22)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101; 102–105 (fizarana 22) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101102)

Nandalina fanoharana telo ireo mpianatra izay nampiasan’ny Tompo mba hampianarana ireo Olomasina mikasika ny sitrapony amin’ny fanavotana an’i Ziona. Rehefa nandalina ireo mpianatra dia nahita ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo: miomana hahatohitra ny fahavalo isika amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly, ny fiaina amim-pahamarinana sy amin’ny fanarahana ireo mpaminany; rehefa mankatò ny didin’ny Tompo isika dia ankaherezina mba hahatohitra ireo fahavalo ara-panahy sy ara-nofo; rehefa miangona any amin’ny tempoly isika dia mandray fiarovana sy mampiomana ny tenantsika amin’ny fiainana mandrakizay; ary farany, Andriamanitra dia nanome antsika ny fahafahana misafidy, ny hery hanao safidy saingy tompon’andraikitra amin’ny safidintsika anefa isika.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103)

Nandritra ny fandalinan’izy ireo ny torolalan’ny Tompo mikasika ny fanavotana an’i Ziona ireo mpianatra dia namantatra ny fitahiana raisintsika rehefa mankatò ny didin’ny Tompo ary ny voakatra ho azo rehefa tsy manjatò isika. Nianatra ihany koa ny mpianatra fa ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia vonona ny hanolotra ny ainy ho Azy ary ny fandresena sy voninahitra rehetra dia tanteraka amintsika amin’ny alalan’ny fahazotoana, fahatokiana ary vavaka am-pinoana.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104)

Avy tamin’ny torolalan’ny Tompo mikasika ny fanorenana ny Orinasa Miray (izay nantsoina matetika hoe Lamina Miray) ireo mpianatra dia nahafantatra fa nahary ny tany Ny Tompo ary Azy avokoa ny zavatra rehetra ao aminy. Namantatra ny fitsipika izy ireo fa tompon’andraikitra amin’ny fampiasana izay nomen’ny Tompo ho antsika mba hanampiana ny hafa isika. Nianatra ihany koa ireo mpianatra momba ny fitahiana afaka raisintsika amin’ny alalan’ny fanetrentena sy ny fahatokiana ary ny fiantsoana ny anaran’ny Tompo.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105)

Taorian’ny nahatongavan’ny Tobin’i Ziona tao Missouri dia nanambara ny Tompo fa tsy ho avotana tamin’izany fotoana izany i Ziona. Nianatra ireto fitsipika manaraka ireto ny mpianatra avy tamin’ny torolalan’ny Tompo ho an’ny Olomasina: tsy maintsy miray hina isika ary mankatò izay rehetra angatahan’ny Tompo amintsika mba hanorenana an’i Ziona; Andriamanitra dia nanomana fitahiana lehibe kokoa ho an’ireo izay mahatoky amin’ny alalan’ny fitsapana azy ireo; ary raha mikatsaka ny hanolotra fandriampahalemana amin’ny hafa isika dia hiara-hiasa hahasoa antsika ny zava-drehetra. Ny fandaharan’ny Tompo dia matetika tsy mitovy amin’ny antsika.

Fampidirana

Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampihatra ireo leson’ny Tobin’i Ziona amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105

Ny Tompo dia manambara ny tokony hataon’ny Olomasina manoloana ireo fahasahiranana ao amin’ny tanin’i Ziona

Mialoha ny fotoam-pianarana dia manangòna kaopy iray vita amin’ny taratasy sy fingotra ary kofehy miisa telo. Ny faribolan’ilay fingotra dia tsy maintsy kely kokoa noho ny faribolan’ilay kaopy. Afatory amin’ilay fingotra amin’ny elanelana mitovy ireo kofehy.

Sary
kaopy vita amin’ny taratasy, fingotra, kofehy

Atombohy amin’ny fangatahana olona manolo-tena an-tsitrapo telo ny lesona. Apetraho eo amin’ny toerana mahitsy ilay kaopy ary toroy lalana ireo olona manolo-tena an-tsitrapo mba haka ilay kaopy amin’ny fampiasana ilay fingotra sy ireo kofehy. Lazao azy ireo fa tsy afaka mikasika ilay fingotra izy ireo; tsy maintsy mihazona ireo kofehy izy ireo. (Mba hanatontosana izany asa izany dia mila miara-miasa ireo mpianatra ary miara-misintona ireo kofehy amin’ny hery mitovy mba hahafahana mandrirotra ilay fingotra ka hihitatra tsara mba ho antonona eo ambanin’ilay kaopy ka hanaingana izany avy eo.)

Rehefa nahavita izany ny mpianatra dia apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no anjara asan’ny firaisan-kina tamin’ny fanatontosana ity asa ity?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandritra ny fandalinan’izy ireo tamin’ny herinandro lasa dia nanana fahafahana nandalina fanambarana avy tamin’ny Tompo mikasika ny Tobin’i Ziona sy ny iraka nampanaoviana izany amin’ny fanampiana ireo Olomasin’i Ziona nafindra monina izy ireo. Entano ny mpianatra mba hikaroka ny anjara asan’ny firaisan-kina manoloana ny fanandraman’ny Olomasina hitaky ny tanin’i Ziona rehefa mianatra ny lesona androany.

Asao ny mpianatra hitantara indray ny tantaran’ny Tobin’i Ziona avy amin’ny zavatra nianarany nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 sy 105. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia azonao apetraka mba hanampiana ireo mpianatra hanao famerenana ny zavatra nianarany:

  • Nahoana ireo Olomasina tany Ziona (Fivondronan’i Jackson, Missouri) no nila fanampiana? (Noroahan’ny mpihetraketraka tamin’ny taniny izy ireo.)

  • Inona no natao hoe Tobin’i Ziona? (Vondrona nahitana lehilahy mihoatra kelin’ny 200, vehivavy 12, ary ankizy 9—mpilatsaka an-tsitrapo sy mpanolotena—izay notarihan’ny Mpaminany Joseph Smith sy natsangana araka ny toromariky ny Tompo.)

  • Inona ilay tanjona voalohan’ny Tobin’i Ziona? (Mba hitondrana ny vatsy nilain’ny Olomasin’i Missouri nafindra monina ary mba hanampiana azy ireo amin’ny fitakiana ny taniny tao amin’ny Fivondronan’i Jackson.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105 dia nomena tamin’ny 22 jona 1834, rehefa nandeha efa ho fito herinandro ny Tobin’i Ziona ary tokony 15–30 kilaometatra tsy ho tonga tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Anontanio ny mpianatra raha toa misy amin’izy ireo mahatadidy ny torolalana nomen’ny Tompo ho an’ny Tobin’i Ziona tamin’ity fotoana ity mikasika ny fanavotana an’i Ziona. (Tokony niandry izy ireo manoloana ny fanampiana ireo Olomasina nafindra monina amin’ny fitakiana ny taniny. Raha mila fanampiana amin’ny fitadidiana io antsipiriany io izy ireo dia asao mba hijery haingana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:9.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:3–9. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ary hanao famerenana ireo antony nomen’ny Tompo amin’ny fanemorana ny fanavotana an’i Ziona.

  • Inona ireo antony nilazan’ny Tompo fa tsy haverina tamin’ny Olomasina tamin’izay fotoana izay ny tany sy ny fananana tao Ziona?

  • Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny tsy maintsy ataontsika amin’ny fananganana an’i Ziona? (Ny mpianatra dia mety handroso fitsipika maro, kanefa ampio izy ireo mba hamantatra izao manaraka izao: Tsy maintsy miray hina sy mankatò izay rehetra angatahan’ny Tompo amintsika isika mba hahafahan’i Ziona ho tafatsangana. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo mihaino ny fanazavan’ny Loholona Christofferson momba ny atao hoe Ziona sy izay tsy maintsy mitranga alohan’ny hitsanganan’izany ireo mpianatra.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“I Ziona dia sady toerana no vahoaka. …

“I Ziona dia Ziona noho ny toetra sy ny fahatokian’ireo mponina ao aminy. Tadidio fa, “nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ny vahoakany, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina ary niaina tamim-pahamarinana; ary tsy nisy nahantra teo anivony” (Mosesy 7:18 Raha te-hanorina an’i Ziona isika ao an-tokantranontsika, any amin’ny sampantsika, ny paroasintsika, ny tsatòkantsika, dia tsy maintsy manatanteraka izany fitsipika izany. Ilaina ny (1) lasa miray fo sy saina; (2) lasa vahoaka masina, na ny tsirairay na ny daholobe; (3) mikarakara ny mahantra sy ny sahirana aminʼny fomba mahomby mba hamongorana ny fahantrana eto anivontsika. Tsy afaka miandry ny fahatongavan’i Ziona isika vao hanatontosa ireo—Tsy ho tonga i Ziona raha tsy mitranga ireo” (Avia aty Ziona,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 37, 38).

Apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa ny momba an’i Ziona:

  • Inona no atao hoe Ziona?

  • Inona no tsy maintsy mitranga mialoha ny fitsanganan’i Ziona?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no takiana amin’ny fananganana an’i Ziona ny firaisan-kina sy ny fankatoavana?

  • Lalàn’ny fanjakam-boninahitra inona no hankatoavin’ireo olona izay miray hina, raha araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:3–5?

  • Inona no azonao atao mba hankaherezana ny firaisan-kina ao amin’ny fianakaviana, ny kilasim-pampianarana ao amin’ny Fiangonana na ny kôlejy misy anao? Ahoana no amporisihanao ny olona amin’ireo vondrona ireo mba hiray hina sy hankatò ny Tompo?

  • Ahoana no hanampiana ny fitsanganan’i Ziona amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra ireo?

  • Inona ireo traikefa nanampy anao mba hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina ao anatin’ny vondrona iray?

Asao ireo mpianatra handinika zavatra iray azony atao mba hankaherezana ny firaisan-kina ao amin’ny fianakaviana, ny kilasim-pampianarana ao amin’ny Fiangonana na ny kôlejy misy azy. Asaivo mifanakalo hevitra amin’ny namana iray ireo mpianatra momba ny zavatra ho ataony. Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina sy ny fankatoavana rehefa mikatsaka ny hanatanteraka ny tanjon’ny Tompo isika.

Hazavao fa namarana ny fanambarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105 ny Tompo tamin’ny fanoroana lalana ireo Olomasina momba ny tokony hataon’izy ireo manoloana ny fahavalon’izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:38–41. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hifantina andian-teny iray avy amin’ireo andininy ireo izay mamintina ny toromariky ny Tompo ho an’ny Olomasina manoloana ny mpampijaly azy ireo. Rehefa izany dia asaivo hazavan’ny mpianatra ny antony nifidianany ny andian-teniny.

  • Inona ireo fitahiana afaka ho azontsika raha mikatsaka ny hanolotra fandriampahalemana amin’ny hafa isika? (Asao ny mpianatra mba hanisy marika ny teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika ity: Raha toa ka mikatsaka ny hamitram-pihavanana amin’ny hafa isika dia hiara-hiasa hahasoa antsika ny zava-drehetra avy eo.)

  • Inona ireo fitahiana efa hitanao tonga taminao na tamin’ny olona iray izay nikatsaka ny ho mpampihavana?

Entano ireo mpianatra mba hikatsaka ny fanorenana fandriampahalemana amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108; 137)

Anontanio ny mpianatra raha efa nanontany tena izy ireo hoe inona no mitranga amin’ny olona izay maty tsy vita batisa na tsy nahare momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hazavao fa hahalala ny valin’izany izy ireo mandritra ny fizarana manaraka. Hianatra ny anarana niandohan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fiasan’ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ihany koa izy ireo.