Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–119; 77–83 (Fizarana 17)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–119; 77–83 (Fizarana 17)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–119; 77–83 (fizarana 17) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–11977)

Rehefa namarana ny fandalinan’izy ireo ny fahitana momba ny fanjakam-boninahitra ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa ny mpandova ny fanjakana telestialy dia tsy maintsy hijaly ao amin’ny helo alohan’ny hanavotan’ny Mpamonjy azy ireo. Nianatra koa izy ireo fa ny fanjakam-boninahitra ho lovantsika dia ho voafaritra amin’ny alalan’ny zavatra ataontsika amin’ity fiainana ity sy ny fanirian’ny fontsika.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78–80)

Rehefa nandalina ny didy nomen’ny Tompo momba ny fananganana ny Orinasa Miray ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa ny fanaovana ireo zavatra nodidian’ny Tompo dia manomana toerana ho antsika ao amin’ny fanjakana selestialy. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha mandray ny zava-drehetra amim-pankasitrahana isika dia hampitombo ireo fitahiantsika ny Tompo.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81)

Rehefa nianatra momba ireo torolalan’ny Tompo ho an’ny mpanolotsainan’ny Fiadidiana Voalohany ireo mpianatra dia nahita izy ireo fa ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo no mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Ankoatra izany dia nianatra izy ireo fa ny mpanolotsaina ao amina fiadidiana dia tokony hanampy sy hankahery ny filoha. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa raha mahatoky amin’ny antsotsika isika dia afaka mahatonga zavatra tsara lehibe ho an’ny hafa.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82–83)

Nianatra ireo mpianatra tamin’ny alalan’ny torolalan’ny Tompo ho an’ny mpitariky ny Fiangonana tany am-boalohany fa “amin’izay omena be no takiana be” (F&F 82:3). Ireo mpianatra dia nandalina ny fampitandreman’ny Tompo fa raha manota aorian’ny nibebahantsika isika dia hiverina ilay fahotana teo aloha. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha mankatò ny Tompo isika dia hanatanteraka ireo fampanantenany ho antsika foana Izy.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra fitsipika avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nanontany ny Tompo fanontaniana momba ny bokin’i Apokalypsy izy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fanamarihana: Nianatra momba ny andinin-tsoratra masina fehezina roa ny mpianatra nandritra ity herinandro ity. Nampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19 izy ireo mba hanoratana lahateny maharitra roa minitra. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hanolotra ny lahateniny amin’ny mpianatra hafa ao an-dakilasy. Niezaka ihany koa izy ireo mba hitadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10. Asao ny mpianatra mba hanonona miaraka io andininy io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77

Mamaly ireo fanontaniana napetrak’i Joseph Smith mikasika ny bokin’ny Apokalypsy ny Tompo

Asao ireo mpianatra handinika mangina ny zavatra nianarany nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa. Manasà ny sasantsasany amin’izy ireo hizara ny hevi-baovao izay azony. Avy eo dia asaivo mametraka ny fanontaniana izay nanitikitika azy nandritra na taorian’ny fandalinany manokana ny sasany amin’izy ireo. Mety ho fanontaniana mikasika ny hevitry ny teny na andian-teny iray izany, na fampahalalana ara-tantaran’ny zavatra novakiany, na ny lanjan’ny andininy iray manokana. (Ny tanjon’ity fampiasana ity dia tsy ny hoe hamaly ireo fanontanian’ny mpianatra mikasika ny soratra masina fa manasongadina kosa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana rehefa manao fandalinana isika.) Rehefa avy nizara izany ny mpianatra vitsivitsy dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nanampy anao hahita ny valin’ny fanontanianao sy hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77, dia asao izy ireo hamaky ny fampidirana ny fizarana ka hitady ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandray ity fanambarana ity izy. Rehefa avy nanao tatitra mikasika ny zavatra hitany ireo mpianatra dia azonao atao ny manamafy fa ny andian-teny hoe “misy ifandraisany amin’ny fandikana ny Soratra Masina” dia entina hilazana ny didin’ny Tompo momba ny hanaovan’i Joseph Smith ny fanitsiana mazava kokoa ny Baiboly, dia ny Dikantenin’ny Mpanjaka James (King James Version). Ankehitriny dia fantatra amin’ny anarana hoe: Dikantenin’i Joseph Smith ireo fanitsiana ireo. Hazavao fa raha teo am-panaovana ny fanitsiana ny bokin’ny Apokalypsy i Joseph Smith dia nanontany ny Tompo momba ny hevitry ny andininy sasany izy. Ny fanontaniana napetrany sy ny valiny izay nambaran’ny Tompo dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77. Amporisiho ny mpianatra mba hitady ny hevi-baovao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 izay mety afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahatakarany ny soratra masina.

Asao ny mpianatra hijery ny maha-samy hafa ny endriky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 amin’ireo fizarana hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Tokony hahatsikaritra ireo litera F sy V eo anilan’ireo andininy na andiam-pehezan-teny tsirairay izy ireo manerana an’ilay fizarana. Hazavao fa ny F tsirairay dia mialoha ny fanontaniana iray napetrak’i Joseph Smith, ary ny V tsirairay kosa dia mialoha ny valintenin’ny Tompo.

Anontanio ny mpianatra raha toa ka efa namaky ny sasany tamin’ny bokin’ny Apokalypsy na izy iray manontolo izy ireo.

  • Inona no mety fanamby atrehana rehefa mamaky ny bokin’ny Apokalypsy? (Raha tsy voalazan’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manazava fa mety sarotra ny mahatakatra ny bokin’ny Apokalypsy noho ireo tandindona ao anatiny.)

Mba hanomezana ohatra mikasika ny sarin-teny misy tandindona ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy dia manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy manomboka ao amin’ny Apokalypsy 4:2–8. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny tandindona ao amin’ireo andininy ireo. Asao ny iray kilasy hilaza ireo tandindona ireo ka asaivo soratan’ny mpianatra iray eny amin’ny solaitrabe izany: (Ny valinteny dia mety ho: avana nanodidina ny seza fiandrianana, seza fiandrianana roa amby roapolo, satro-boninahitra volamena, jiro fito sy ranomasina fitaratra ary biby efatra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanontanian’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:1. Asaivo ataon’ilay mpianatra ao anaty faribolana eny amin’ny solaitrabe ny tandindona izay nangatahan’i Joseph Smith fanampiana avy tamin’ny Tompo ny hahatakarana azy (ny ranomasina fitaratra). Avy eo dia asao ny mpianatra hafa iray hamaky mafy ny fanazavan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:1.

  • Ahoana no hanampian’io valinteny io antsika amin’ny fahatakarana bebe kokoa ny Apokalypsy 4:6?

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo miara-mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2–5 ny ekipa tsirairay mba hitady ny fanontaniana fanampiny napetrak’i Joseph Smith momba ny tandindona ao amin’ny Apokalypsy 4 sy ny valiny nomen’ny Tompo ho an’ireo fanontaniana ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nanampian’ny valinten’ny Tompo mikasika ireo fanontanian’i Joseph Smith azy ireo amin’ny fahatakarana ny sasany amin’ireo sarin-teny misy tandindona ao amin’ny Apokalypsy 4:2–8.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba hampiasany ny zavatra vao avy nianarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 mba hamintinana ny zavatra voalazan’i Jaona tao amin’ny Apokalypsy 4:2–8. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 mikasika ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanampiana antsika hahatakatra ny hevitry ny soratra masina? (Na dia mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hilaza ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Manambara ny fandikana marina ny soratra masina amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra io fotopampianarana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo amin’ny fiandohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77.)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny mianatra izay nampianarin’ny mpaminany mikasika ny zavatra halalinintsika ao amin’ny soratra masina?

  • Aiza no ahafahantsika mahita ny fampianaran’ny mpaminany momba ny hevitry ny zavatra izay vakiantsika ao amin’ny soratra masina?

Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 dia mampiseho fa ny tenin’ny mpaminany izay voarakitra ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy amin’ny fanazavana ny soratra masina hafa. Imbetsaka ny andinin-tsoratra masina iray no manazava na mandika ny hevitry ny zavatra izay nambara tany amin’ny andinin-tsoratra masina iray hafa. Hazavao fa matetika ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ao amin’ireo soratra masina dia manondro mankamin’ireo andalan-tsoratra masina tena manampy ireo.

Mba hanehoana izany dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 5:1 sady hitady ny zavatra hitan’i Jaona teny an-tanan’ilay olona nipetraka teo amin’ilay seza fiandrianana. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra . Asao ny mpianatra hijery ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6 rehefa avy nanoritsoritra ny zavatra hitany tao amin’ny Apokalypsy 5:1.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hikaroka ireo fanontanian’i Joseph Smith momba ny Apokalypsy 5:1 sy ireo valintenin’ny Tompo. Mety hanampy ny hanazavana ny hoe ireo 7 000 taona dia entina hilazana ny fotoana hatramin’ny Fahalavoan’i Adama sy Eva. Fa tsy entina hilazana kosa ny tena taona marin’ny tany izay ahitana ny vanim-potoan’ny fahariana.

Asaivo mampiasa ny teniny manokana ireo mpianatra mba hamintinana ireo fanontaniana sy ireo valiny. Aorian’ ity asa atao ity dia hamafiso fa mety hanampy antsika hahalala ny zavatra nolazain’ny mpaminany momba ny soratra masina izay vakiantsika ny fampiasana ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy rehefa mandalina ny soratra masina isika.

Hamafiso fa na dia ny mpaminany ihany aza no manana fahefana handika ny hevitry ny soratra masina ho an’izao tontolo izao dia tokony hikatsaka fahatakarana sy fampiharana manokana isika rehefa mandalina manokana ny soratra masina.

  • Ahoana no mety hampiharantsika ny zavatra nataon’i Joseph Smith fony izy nandalina sy nisaintsaina momba ny bokin’ny Apokalypsy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina? (Mety hahita fitsipika toy izao manaraka izao ny mpianatra: Raha manadina ny Tompo isika dia afaka manampy antsika hahatakatra ny soratra masina Izy.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mikaroka ny tena hevitry ny soratra masina sy mikatsaka ny fampiharan’ny tena manokana avy eo?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fotoana izay nangatahany fanampiana tamin’ny Tompo mba hahatakarana ny soratra masina sy ny fomba fampiharana ny fampianarana tao amin’ny soratra masina tamin’ny toe-javatra niainany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

Hazavao fa ny ambiny sisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 dia mirakitra ny fanontaniana bebe kokoa izay napetrak’i Joseph Smith momba ny bokin’ny Apokalypsy sy ny valintenin’ny Tompo mikasika izany fanontaniana izany. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8–15 amin’ny filazana amin’ireo mpianatra fa ity fanambarana ity dia nanampy an’i Joseph Smith hahafantatra ny sasany amin’ireo tranga izay hiseho alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Ampahafantaro ny mpianatra fa rehefa mandalina ny bokin’ny Apokalypsy izy ireo amin’ny manaraka, dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny hevitry ny sarin-teny misy tandindona ao amin’ilay boky ny valintenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77.

Farano ity lesona ity amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana sy fitsipika izay noresahina nandritra ity lesona ity na amin’ny fizarana ny traikefa nananao vokatry ny fangatahanao ny fanampian’ny Tompo amin’ny fahatakarana ny soratra masina.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84–87)

Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinany mandritra ny herinandro ho avy dia azonao atao ny manasa azy ireo mba handinika ireto manaraka ireto: Efa nieritreritra momba ny zavatra izay ananan’ny Ray any an-danitra rehetra ve ianao? Efa fantatrao ve fa nampanantena ny hizara ny zavatra izay ananany rehetra amintsika Izy? Ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84–87 dia hanampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ny tsy maintsy ataonao mba hahafantarana an’ Andriamanitra sy handraisana ireo fitahiana rehetra natokany ho anao.