Seminera
Lesona 50: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43–44


Lesona 50

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43–44

Fampidirana

Tamin’ny volana febroary 1831 dia tonga tao Kirtland, Ohio i Joseph Smith. Tamin’ny fahatongavany tao dia hitany fa voafitaky ny fanambarana diso ny Olomasina tao Kirtland. Ohatra, ny vehivavy iray atao hoe Ramatoa Hubble dia nihambo ho mpaminany vavy ary naharay fanambarana ho an’ny Fiangonana. Noho i Joseph nitebiteby noho ireo fitaomana izay nihatra teo anivon’ireo Olomasina tao Kirtland dia nangataka tamin’ny Tompo mikasika ny zavatra tokony hatao izy. Ho valin’izany dia naharay fanambarana izy, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43 amin’izao fotoana izao. Tao anatin’io fanambarana io dia nampianatra ny Olomasina mikasika ny zavatra tokony ataon’izy ireo ny Tompo mba tsy ho voafitaka. Ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44 dia voaray ihany koa tamin’ny volana febroary 1831, izay nanome torolalana ny mpihazona ny fisoronana hitory ny filazantsara sy hikarakara ny mahantra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7

Manambara ny Tompo fa tsy azo afa-tsy amin’ny alalan’ny mpaminany notendreny ny fanambarana sy ny didy

Misafidiana hira roa ao amin’ny fihirana mba hohirain’ny mpianatra. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fahasarotan’ny fanarahana mpitarika roa indray miaraka dia asaivo mankeny aloha ny mpianatra roa mba hitarika ny mpianatra rehetra hihira ireo hira roa indray miaraka. Rehefa vita ny fihirana ny andalana vitsivitsy ao amin’ireo hira roa dia ajanony ny fihirana ka apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Nahoana no sarotra ny manaraka mpitarika roa sy manao hira roa indray miaraka?

Hazavao fa tamin’ny volana febroary 1831 dia nisy vehivavy iray natao hoe Ramatoa Hubble tonga teo anivon’ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio. Nambarany fa mpaminany vavy izy, fa naharay fanambarana ho an’ny Fiangonana izy, fa fantany fa marina ny Bokin’i Môrmôna, ary tokony ho lasa mpampianatra ao amin’ny Fiangonana izy. Nahavita namitaka ny sasany tamin’ireo Olomasina izy. Nitebiteby noho ny fitaomana nananany sy ireo fanambarana sandoka teo anivon’ny Olomasina i Joseph Smith sy ireo olona hafa. Nanapa-kevitra ny hanontany ny Tompo mikasika ny zavatra tokony hatao ny mpaminany ka dia nahazo fanambarana iray. I John Whitmer, izay tonga vao haingana ihany koa tao Kirtland tamin’izay, dia nanoratra hoe: “Nanome [ity] Fanambarana ity ny Tompo mba tsy hahavoafitaka ny olomasina” (Documents, Volume 1: July 1828–June 1831, vol. 1 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 257).

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fanazavana nomen’ny Tompo mikasika izay olona afaka mahazo fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo.

  • Iza no voatendry tamin’izany fotoana izany mba handray ireo didy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo? (I Joseph Smith.) Iza no voatendry eo amin’izany toerana izany amin’izao fotoana izao? (Ny Filohan’ny Fiangonana.)

  • Inona no hianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hahita izao fotopampianarana manaraka izao izy ireo: Ny Filohan’ny Fiangonana irery ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny andininy 3–4. Mba hanamafisana ny lanjan’io fotopampianarana io dia asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6; 28:2–7.)

Hazavao fa tahaka an-dRamatoa Hubble sy ireo olona hafa tany am-piandohan’ny Fiangonana dia mikatsaka ny handresy lahatra ny hafa hanaraka azy ireo sy hanaiky ny fampianarany ny olona sasany amin’izao androntsika izao. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:6–7. Asao ny mpianatra hitady ny lamina nambaran’ny Tompo mba hiarovana antsika tsy ho voafitak’ireo izay tsy manana fahefana hitarika ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–16

Nodidiana hifananatra sy hifampahery ary hohamasinina ireo loholona

Asaivo ataon’ny mpianatra lisitra eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fivoriana atrehan’izy ireo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy. Dia asao mba hizara tsiroaroa ireo mpianatra avy eo ary hifanakalo hevitra mikasika ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no sasantsasany amin’ny tanjona hanaovana ireo fivoriana ireo?

Rehefa avy mifanakalo hevitra mikasika io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny mangataka ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny valinteniny amin’ny mpianatra rehetra. Dia angataho avy eo ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8 ary asao ny mpianatra rehetra hamantatra hoe inona ao amin’io andininy io no mampianatra mikasika ny tanjona hanaovana ireo fivoriana ao am-piangonana.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa tokony hataon’ireo loholona ao amin’ny Fiangonana rehefa miara-mivory izy ireo? Inona ny dikan’ny hoe mifampahery? (Hifanolokolo sy hifampatanjaka.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8 dia inona no hianarantsika rehefa mifananatra sy mifampahery isika? (Mety ho samihafa ny valintenin’ny mpianatra, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Rehefa miara-mivory isika dia tokony hifananatra sy hifampahery mba hahafahantsika mianatra ny fomba hatao hitondrana ny Fiangonana.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:9, 11 ary hamantatra ny zavatra tokony hataontsika rehefa fantatsika ny fomba hanaovana izany.

  • Inona no tokony hataontsika rehefa avy nandray fampianarana tao amin’ireo fivoriam-piangonantsika isika? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Tokony hifehy ny tenantsika mba handeha araka ny fahalalana noraisintsika isika. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika io fitsipika io ao amin’ny andininy 9.)

  • Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia ahoana no fomba hitahiana antsika rehefa mahazo fahalalana isika ka mifehy tena handeha araka izany? (Rehefa mifanakalo hevitra mikasika io fanontaniana io ny mpianatra dia ataovy izay hanamafisana ity fitsipika manaraka ity: Hamasinina isika rehefa miaina ireo fahamarinana ianarantsika. Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny hoe hamasinina dia midika hoe voadio amin’ny fahotana.)

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:

Sary
asa atao avy amin’ny fahalalana
  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “hofehezintsika ny tenantsika”?

  • Ahoana no fomba hanampiana antsika mba ho voahasina amin’ny alalan’ny fahalalana raisintsika ao amin’ireo fivoriam-piangonana?

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fitahiana noraisiny rehefa nandeha araka ny zavatra nianarany nandritra ireo fivoriam-piangonana izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ireo zavatra niainany ireo ka hanazava ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fanarahany ny zavatra nianarany.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:12–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nilaza tamin’ireo Olomasina ny Tompo fa raha maniry ny handray ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ireo izy ireo dia tokony manohana an’i Joseph Smith amin’ny antsony.

Hazavao fa nampahafantarin’ny Tompo tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany izay niomana hanao misiônera ireo fahamarinana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:15–16. Dia asao avy eo ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no iharan’ireo andininy ireo amin’ny asan’ireo misiônera amin’ny fotoana feno?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:17–35

Didiana hitory fibebahana hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona ireo mpanompon’ Andriamanitra

Asaivo ataon’ny mpianatra lisitra ireo asa atao sy ireo zava-dehibe miseho izay mitaky fanomanana tsara. Mety hizara ohatra maro ny mpianatra, toy ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno, tranga ara-panatanjahantena, fanaovana fampisehoana an-kira, andraikitra hampianatra ao am-piangonana, fanadinana any an-tsekoly.

  • Inona araka ny eritreritrareo no tsapan’ny olona raha tsy vonona izy ireo amin’ny fotoana handraisany anjara amin’ny asa atao toy izany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:17–18. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady zava-miseho iray izay ilantsika fiomanana. (“Ny andro lehiben’ny Tompo,” na raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny Fiaviana Fanindroany.)

Ampiaraho tsiroaroa ireo mpianatra. Angataho ny mpiara-miasa tsiroaroa isanisany hamaky miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:17–22 mba hitady ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ireo loholona mba hanampiana ny olona hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Rehefa avy nomena fotoana namakina ireo vondrona dia apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nasain’ny Tompo nampianarin’ireo loholona? Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Tokony hilaza ny mpianatra fa mba hiomanantsika amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia tsy maintsy mibebaka isika. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

Ampahatsiahivo an’ny mpianatra fa ny Tompo dia nampanantena ny hanangona ny olony tahaka ny reniakoho manangona ny zanany eo ambany elany, saingy tsy nety nibebaka ireo olona marobe ireo na niomana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny F&F 43:23–24; jereo koa ny F&F 29:1–2 sy ny lesona 35 ato amin’ity boky torolalana ity).

Asao ireo mpianatra miara-miasa tsiroaroa hamaky miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:25–27 mba hitady ireo “feo” samy hafa izay nampiasain’ny Tompo hiantsoana ny olona hankany Aminy. Rehefa avy mamaky izy ireo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo “feo” hitanareo? Nahoana no ilaina ireo feo samy hafa ireo araka ny eritreritrareo?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo zavatra voafaritra tsara tokony hataon’izy ireo mba hibebahana sy hiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany. Dia asao avy eo ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:28–31 ary asaivo mitady ilay zava-miseho lehibe nolazain’ny faminaniana ao amin’ireo andininy ireo ny mpianatra.

  • Inona ilay zava-miseho lehibe voalazan’ny faminaniana ao amin’ireo andininy ireo? (Ny Arivotaona.)

  • Inona no hitranga mandritra ny Arivotaona? (Tokony hahita ity fotopampianarana manaraka ity ny mpianatra: Hofatorana i Satana mandritra ny Arivotaona ary hanjaka miaraka amin’ny olony eto an-tany i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny andininy 28–31. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba hamatorana an’i Satana dia asao izy ireo hamaky ny 1 Nefia 22:26.)

Vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha George Q. Cannon tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, izay manazava ny fomba hamatorana an’i Satana amin’ny Arivotaona:

Sary
Filoha George Q. Cannon

“Miresaka isika fa hofatorana i Satana. Hofatorana amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Satana; fa hofatorana amin’ny alalan’ny fahavononan’ireo olon’ Andriamanitra tsy hihaino azy sy tsy hotarihiny koa izy” (Gospel Truth: Discourses and Writings of President George Q. Cannon, comp. Jerreld L. Newquist, 2 vols. [1957–74], 1:86).

  • Ahoana no ahafahantsika hiomana amin’izao fotoana izao mba ho isaina eo anivon’ireo olo-marina rehefa tonga indray ny Tompo? (Rehefa mamaly an’ity fanontaniana ity ny mpianatra dia azonao atao ny mamerina ireo fahamarinana noresahina tato amin’ity lesona ity sy mijoro ho vavolombelona ny amin’izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44

Mandidy ny mpanompony ny Tompo mba hiara-mivory

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandidy an’ireo loholona ny Tompo mba hivory amin’ny fihaonambe iray. Nampanantena an’ireo loholona ny Tompo fa raha mahatoky sy mampihatra finoana Aminy izy ireo dia hampilatsaka ny Fanahiny amin’izy ireo Izy ary hitahy azy mba tsy hananan’ny fahavalon’izy ireo hery aminy. Nandidy azy ireo ny Tompo hitory fibebahana sy hanamaivana ny fahorian’ny mahantra ary mba hiorenan’izy ireo araka ny lalàn’ny fitondram-panjakana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:6–7. “Ilay efa notinendriko”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namporisika antsika hanaraka ny torohevitry ny Filohan’ny Fiangonana ka tsy ho voatarik’ireo mpamitaka amin’ny lalan-diso:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“‘Lazaiko aminareo fa tsy homena na iza na iza ny handeha hitory ny filazantsarako na ny hanorina ny fiangonako, raha tsy natokan’ny olona izay manana fahefana izy sady fantatry ny fiangonana fa manana fahefana ary efa natokan’ny lohan’ny fiangonana araka ny fitsipika.’ (F&F 42:11.)

“Ankehitriny dia ao ireo olona sasany eo anivontsika izay tsy natokan’ny lohan’ny Fiangonana araka ny fitsipika izay miresaka mikasika ny fikorontanana ara-pôlitika sy ara-toekarena, ny fiafaran’izao tontolo izao. …

“Ireo mpamitaka ireo dia milaza fa tsy mahafantatra ny zava-miseho eto amin’izao tontolo izao ireo Rahalahy, na mankasitraka ny fampianaran’izy ireo ireo Rahalahy fa tsy te hiteny izany eny amin’ny polipitra. Tsy misy marina ireo. Ireo Rahalahy, noho ny fitetezan’izy ireo tsy tapaka ny faritra rehetra maneran-tany, dia azo antoka fa mahalala ny zavatra mitranga, ary afaka mamaky ny famantarana ny fotoana noho ny hevitra azon’izy ireo avy amin’ny faminaniana.

“Aza mety hofitahiny—ireny mpamitaka ireny. Raha toa ka misy ny famoriana na inona izany na inona dia ireo izay natokana araka ny fitsipika sy ireo izay fantatry ny fiangonana fa manana fahefana no hanambara izany.

“Izay lazain’ireo Rahalahy ihany no araho. Araho ireo mpitarika anareo izay voatokana araka ny tokony ho izy ary notohanana ampahibemaso, dia tsy hivily lalana ianareo” (“To Be Learned Is Good If … ,” Ensign, nôv. 1992, 73). (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, boky natonta faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001].)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:7. “Hiditra amin’ny vavahady”

Hoy ny Tompo: “Izay voatokako … dia hiditra amin’ny vavahady” (F&F 43:7). Nanazava an’io fanambarana io ny Filoha Joseph Fielding Smith:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Tian’ny Tompo ny hahafantarantsika fa manao ny zava-drehetra amim-pilaminana Izy ary na oviana na oviana no hiantsoany olona iray hitarika ny Fiangonana dia hiditra amin’ny vavahady izany olona izany ka hatokan’ireo izay manana fahefana. Efa toy izany hatramin’ny voalohany ilay izy ary mbola ho toy izany hatramin’ny farany” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:138).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:22–31. Ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona ary ilay “fotoana fohy”

Nilaza ny Tompo fa any amin’ny faramparan’ny Arivotaona any dia “hovahana indray” i Satana, saingy ho “fotoana fohy ihany” izany (F&F 43:31). Ity kisary manaraka ity dia fandaminana hisarihana ny maso mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe “fotoana fohy.”

Sary
kisarin’ny 1000 taona