Seminera
Lesona 82: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77


Lesona 82

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77

Fampidirana

Tamin’ny volana Febroary sy Martsa 1832 dia nanohy ny fanitsiany nentanim-panahy ny Testamenta Vaovao i Joseph Smith. Rehefa nanomboka niasa tao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izy dia nanontany tena ny momba ny hevitry ny andininy sasany. Nangataka ny Tompo izy mba handika ireo tandindona sy tranga izay nosoritsoritan’i Jaona Mpanambara. Ho setrin’ireo fanontaniana napetrak’i Joseph Smith mikasika ny toko 1–11 ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ireo dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 ny Tompo.

Fanamarihana: Na dia miresaka momba ny bokin’ny Apokalypsy aza ity lesona ity dia tsy lesona momba ny bokin’ny Apokalypsy izany. Lanio amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo fotopampianarana sy fitsipika hazavaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 ny ankabeazan’ny lesona fa tsy ny bokin’ny Apokalypsy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:1–15

Mamaly ireo fanontaniana napetrak’i Joseph Smith mikasika ny bokin’ny Apokalypsy ny Tompo

Asao ireo mpianatra handinika amim-pahanginana ny zavatra nianarany nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa. Manasà ny sasantsasany amin’izy ireo hizara ny hevi-baovao izay azony. Avy eo dia asaivo mizara ny fanontaniana izay nanitikitika azy nandritra na taorian’ny fandalinany manokana ny sasany amin’izy ireo. Mety ahitana fanontaniana mikasika ny hevitry ny teny na andian-teny iray, ny fampahalalana ara-tantaran’ny zavatra novakiany, na ny lanjan’ny andininy iray manokana izany. (Ny tanjon’ity fampiasana ity dia tsy ny hoe hamaly ireo fanontanian’ny mpianatra mikasika ny soratra masina fa manasongadina kosa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana fanontaniana rehefa manao fandalinana isika.) Rehefa avy nizara izany ny mpianatra vitsivitsy dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nanampy anao hahita ny valin’ny fanontanianao sy hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny sahan-kevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77, dia asao izy ireo hamaky ny fampidirana ny fizarana ka hitady ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandray ity fanambarana ity izy. Rehefa avy nanao tatitra mikasika ny zavatra hitany ireo mpianatra dia azonao atao ny manamafy fa ny andian-teny hoe “misy ifandraisany amin’ny fandikana ny Soratra Masina” dia entina hilazana ny didin’ny Tompo momba ny hanaovan’i Joseph Smith ny fanitsiana mazava kokoa ny Baiboly, dia ny Dikantenin’ny Mpanjaka James (King James Version). Ankehitriny dia fantatra amin’ny anarana hoe: Dikantenin’i Joseph Smith ireo fanitsiana ireo. Hazavao fa raha teo am-panaovana ny fanitsiana ny bokin’ny Apokalypsy i Joseph Smith dia nanontany ny Tompo momba ny hevitry ny andininy sasany izy. Ny fanontaniana napetrany sy ny valiny izay nambaran’ny Tompo dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77. Amporisiho ny mpianatra mba hitady ny hevi-baovao ao amin’ny Fotopampianatra sy Fanekempihavanana 77 izay mety afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahatakarany ny soratra masina.

Asao ny mpianatra mba hijery ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77, ary angataho izy ireo hanazava ny maha-samy hafa ny endrik’ity fizarana ity amin’ireo fizarana hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Tokony hahatsikaritra ireo litera F sy V eo anilan’ireo andinin-tsoratra masina na andiam-pehezan-teny tsirairay izy ireo manerana an’ilay fizarana. Hazavao fa ny F tsirairay dia mialoha ny fanontaniana iray napetrak’i Joseph Smith, ary ny V tsirairay kosa dia mialoha ny valintenin’ny Tompo.

Anontanio ny mpianatra raha toa ka efa namaky ny sasany tamin’ny bokin’ny Apokalypsy na izy iray manontolo izy ireo.

  • Inona no mety fanamby atrehana rehefa mamaky ny bokin’ny Apokalypsy? (Raha tsy voalazan’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manazava fa mety sarotra ny mahatakatra ny bokin’ny Apokalypsy noho ireo tandindona ao anatiny.)

Mba hanomezana ohatra mikasika ny sarin-teny misy tandindona ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy dia manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy manomboka ao amin’ny Apokalypsy 4:2–8. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny tandindona ao amin’ireo andininy ireo. Asao ny iray kilasy hilaza ireo tandindona ireo ka asaivo soratan’ny mpianatra iray eny amin’ny solaitrabe izany: (Ny valinteny dia mety ho: avana nanodidina ny seza fiandrianana, seza fiandrianana roa amby roapolo, satro-boninahitra volamena, jiro fito sy ranomasina fitaratra ary biby efatra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fanontanian’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:1. Asaivo ataon’ilay mpianatra ao anaty faribolana eny amin’ny solaitrabe ny tandindona izay nangatahan’i Joseph Smith fanampiana avy amin’ny Tompo ny fahatakarana azy. Avy eo dia asao ny mpianatra hafa iray hamaky mafy ny fanazavan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:1.

  • Ahoana no hanampian’io valinteny io antsika amin’ny fahatakarana bebe kokoa ny Apokalypsy 4:6?

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo miara-mamaky ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:2–5 ny ekipa iray ka hitady ny fanontaniana fanampiny napetrak’i Joseph Smith momba ny tandindona ao amin’ny Apokalypsy 4 sy ny valintenin’ny Tompo mikasika ireo fanontaniana ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba nanampian’ny valinten’ny Tompo mikasika ireo fanontanian’i Joseph Smith azy ireo amin’ny fahatakarana ny sasany amin’ireo sarin-teny misy tandindona ao amin’ny Apokalypsy 4:2–8.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fomba ahafahany mampiasa ny zavatra vao avy nianarany tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 mba hamintinana ny zavatra voalazan’i Jaona tao amin’ny Apokalypsy 4:2–8. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo. Mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 mikasika ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanampiana antsika hahatakatra ny hevitry ny soratra masina? (Na dia mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra izany dia tokony hilaza ity fotopampianarana manaraka ity izy ireo: Manambara ny fandikana marina ny soratra masina amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masiny.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ity fotopampianarana ity dia apetraho izao fanontaniana manaraka izao:

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ny mianatra izay nampianarin’ny mpaminany mikasika ny zavatra alalinintsika ao amin’ny soratra masina?

Mba hanampiana ny mpianatra hahazo hevi-baovao bebe kokoa mikasika ity fanontaniana ity dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky ity fanambarana manaraka nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny mpaminany no nanome ny soratra masina, ka noho izany, ny mpaminany ihany no tsy maintsy mandika izany. Nandray fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina ireo olona masina fahiny izay noraketiny ho lasa soratra masina. Ankehitriny dia tsy maintsy manana izany Fanahy Masina izany koa ny olona mba hanambarana ny hevitry ny soratra masina—raha tsy izany, dia hisy fandikana maro isan-karazany ka ny vokany dia hisy fiangonana sady samihafa no hifanohitra, ary izany mihitsy no toetry ny tontolo ara-pivavahana amin’izao fotoana izao (tao amin’ny Conference Report; Oct. 1964, 38).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona McConkie, nahoana isika no mila mpaminany mba handikana ny hevitra marin’ny soratra masina?

  • Aiza no ahafahantsika mahita ny fampianaran’ny mpaminany momba ny hevitry ny zavatra izay vakiantsika ao amin’ny soratra masina? (Mety ho toy izao ny valinteny: ao amin’ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ary ny boky hafa navoakan’ny Fiangonana no ahitantsika ny fampianarana toy izany.

Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia hamafiso fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 dia mampiseho fa ny tenin’ny mpaminany izay voarakitra ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy amin’ny fanazavana ny soratra masina hafa. Imbetsaka ireo tenin’ny mpaminany izay voarakitra ao amin’ny andinin-tsoratra masina iray no manazava na mandika ny hevitry ny zavatra izay nambara tany amin’ny andinin-tsoratra masina iray hafa. Hazavao fa matetika ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ao amin’ireo soratra masina dia manondro mankamin’ireo andalan-tsoratra masina tena manampy ireo.

Mba hanehoana izany dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Apokalypsy 5:1 sady hitady ny zavatra hitan’i Jaona teny an-tanan’ilay olona nipetraka teo amin’ilay seza fiandrianana. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra . Asao ny mpianatra hijery ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6 rehefa avy nanoritsoritra ny zavatra hitany tao amin’ny Apokalypsy 5:1.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hikaroka ireo fanontanian’i Joseph Smith momba ny Apokalypsy 5:1 sy ireo valintenin’ny Tompo. (Mety tsara ny manazava ny hoe ireo 7 000 taona dia entina hilazana ny fotoana hatramin’ny Fahalavoan’i Adama sy Eva. Fa tsy entina hilazana kosa ny tena taona marin’ny tany izay ahitana ny vanim-potoan’ny fahariana.)

Asaivo mampiasa ny teniny manokana ireo mpianatra mba hamintinana ireo fanontaniana sy ireo valiny. Aorian’ ity asa atao ity dia hamafiso fa mety hanampy antsika hahalala ny zavatra nolazain’ny mpaminany momba ny soratra masina izay vakiantsika ny fampiasana ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy rehefa mandalina ny soratra masina isika.

Hamafiso fa na dia ny mpaminany ihany aza no manana fahefana handika ny hevitry ny soratra masina ho an’izao tontolo izao dia tokony hikatsaka fahatakarana sy fampiharana manokana isika rehefa mandalina manokana ny soratra masina.

  • Ahoana no mety hampiharantsika ny zavatra nataon’i Joseph Smith fony izy nandalina sy nisaintsaina momba ny bokin’ny Apokalypsy amin’ny fandalinantsika ny soratra masina? (Mety hahita fitsipika toy izao manaraka izao ny mpianatra: Raha manadina ny Tompo isika dia afaka manampy antsika hahatakatra ny soratra masina Izy.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny mikaroka ny tena hevitry ny soratra masina sy mikatsaka ny fampiharan’ny tena manokana avy eo?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fotoana izay nangatahany fanampiana tamin’ny Tompo mba hahatakarana ny soratra masina sy ny fomba fampiharana ny fampianarana tao amin’ny soratra masina tamin’ny toe-javatra niainany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

Hazavao fa ny sisa ambiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 dia mirakitra ny fanontaniana bebe kokoa izay napetrak’i Joseph Smith momba ny bokin’ny Apokalypsy sy ny valintenin’ny Tompo mikasika izany fanontaniana izany. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8–15 amin’ny filazana amin’ireo mpianatra fa ity fanambarana ity dia nanampy an’i Joseph Smith hahafantatra ny sasany amin’ireo tranga izay hiseho alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Ampahafantaro ny mpianatra fa rehefa mandalina ny bokin’ny Apokalypsy izy ireo amin’ny manaraka, dia afaka manampy azy ireo hahatakatra ny hevitry ny sarin-teny misy tandindona ao amin’ilay boky ny valintenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77.

Farano ity lesona ity amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fotopampianarana sy fitsipika izay noresahina nandritra ity lesona ity na amin’ny fizarana ny traikefa nananao vokatry ny fangatahanao ny fanampian’ny Tompo amin’ny fahatakarana ny soratra masina.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77. Ny bokin’ny Apokalypsy

I Jaona, izay fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe Jaona ilay Lalaina sy Jaona Mpanambara dia nandray ny fanambarana raha mbola nogadraina tao amin’ny nosy Patmo noho ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany (jereo ny Apokalypsy 1:9–10). Voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izany fanambarana izany.

Manampy amin’ny fanazavana ny bokin’ny Apokalypsy ity fanoritsoritana manaraka ity:

“Fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe Apokalypsy izay teny Grika midika hoe aposaka na aboraka. Mitovy amin’ny hafatry ny soratra masina rehetra ihany ny hafatry ny Apokalypsy: amin’ny farany dia hisy ny fandresen’ Andriamanitra ny devoly eto an-tany; fandresena maharitra izay ho azon’ny tsara amin’ny ratsy, izay ho azon’ny Olomasina amin’ny mpanenjika azy ireo, izay ho azon’ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fanjakan’olombelona sy ny fanjakan’i Satana. Izany no lohahevitra izay nosoratan’i Amosa, Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela, Paoly sy Petera ary ireo mpaminany rehetra. Niresaka momba ny andron’ny fandresena izay ho avy izy ireo, ka ho tsara kokoa (be voninahitra kokoa) ny fiafarany raha oharina amin’ny fiandohany. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no hanatratrarana ilay fandresena.

“Izany no lohahevitry ny Apokalypsy. Nanampy tamin’ny fampahalalana an’io lohahevitra io ireo antsipiriany mikasika ny biby, ny ady, ny anjely, ny olona, sns. Amin’ny alalan’ny fandalinana kely fotsiny dia afaka hita ilay lohahevitra, eny fa na dia tsy fantatra tanteraka aza ny antsipiriany. Mety tamin’izay heviny izay no nahatonga ny Mpaminany Joseph Smith hilaza fa anisan’ireo boky tsotra indrindra izay nasain’ Andriamanitra nosoratana ny Apokalypsy. Kanefa, arakaraka ny hahatakarana bebe kokoa ny antsipiriany no hahalehibe ny fankasitrahana ilay lohahevitra. Raha sanatria ka tsy takatsika ilay lohahevitra, na dia kely fotsiny aza, dia tsy hahomby isika amin’ny fahatakarantsika, na firy na firy ny isan’ny antsipiriany azontsika takarina” (Bible Dictionary, “Revelation of John”).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77. Fandalinana sy fampianarana avy amin’ny bokin’ny Apokalypsy

Nilaza i Joseph Smith fa “anisan’ireo boky tsotra indrindra izay nasain’ Andriamanitra nosoratana ny Apokalypsy” (tao amin’ny History of the Church, 5:342). Nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fihaonamben’ ny Fiangonana maneran-tany no nanaovany io fanambarana io. Nataony niantefa tamin’ny Loholona Pelatiah Brown izay voampanga noho ny fitoriana fotopampianarana diso mikasika ny bokin’ny Apokalypsy ny sasany tamin’ny ny fanamarihany. Nampitandrina ny Loholona Brown sy ireo misionera hafa izy mba tsy hampianatra mikasika ny tandindona sy antsipiriany manokana ao amin’ilay boky fa hitory kosa ny fitsipika fototry ny filazantsara. Manan-danja ho antsika ihany koa ny sosokevitry ny Mpaminany rehefa mandalina sy mampianatra avy ao amin’ny soratra masina isika.

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Tsy tena ilaina loatra ny hananan’ny loholona fahalalana mikasika ny hevitry ny biby, ny loha ary ny tandroka mbamin’ny kisarisary hafa izay nolazaina tao amin’ny fanambarana [nataon’i Jaona Mpanambara]. …

“… Torio ny fitsipika voalohany ary avelao any ny mistery, fandrao hazera ianareo. Aza mitsabaka na oviana na oviana amin’ny fahitana ny biby sy ny resaka izay tsy takatrareo. Ry Loholona Brown, rehefa mankany Palmyra ianao dia aza miresaka mikasika ny biby efatra, fa torio ireo zavatra izay nasain’ny Tompo hotorianao—ny fibebahana sy ny batisa ho famelana ny fahotana” (tao amin’ny History of the Church, 5:340, 344).