Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Ny drafitry ny famonjena–Fandalinana ny Soratra Masina (Fizarana 1)


Lesona ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ny drafitry ny famonjena–Fandalinana ny Soratra Masina (Fizarana 1)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo zava-nitranga, sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity manaraka ity rehefa nahavita ireo lesona efatra ho an’ny mpianatra manao fandalinana any an-trano ao amin’ny fizarana 1 ireo mpianatra. Ny fahafantaranao ny zavatra efa nohalalinin’ireo mpianatra dia hanampy anao hiomana amin’ny fampianarana. Tsy tafiditra ao anatin’ny lesona ny famintinana ary tsy natao hozaraina amin’ireo mpianatra. Koa satria tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy monja amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ny lesona izay ampianarinao ao amin’ny fizarana 1, dia mety hahatsapa ianao indraindray fa ilaina ny mamerina na mifanakalo hevitra mikasika ireo hafa araka izay hitaoman’ny Fanahy anao sy izay ilain’ny mpianatrao.

Andro 1 (Ny drafitry ny famonjena)

Ny fandalinana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra no nanampy ireo mpianatra hamantatra fa ny tanjon’ilay drafitra dia ny hanomanana lalana ho antsika mba hahazoantsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Nianatra ireo mpianatra fa ny Ray any An-danitra dia nandefa antsika eto an-tany mba handraisantsika vatana sy hahazoantsika traikefa ka hitombo. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manome fahafahana antsika mba handresy ny vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana.

Andro 2 (Ny apôstazia lehibe)

Rehefa nianatra mikasika ny apôstazia lehibe ny mpianatra dia hitan’izy ireo fa ireo mpaminany sy ireo apôstôly no fototry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ary manampy amin’ny fihazonana ny Fiangonana ho madio amin’ny alalan’ny fampianarana fotopampianarana marina. Ankoatra izany, ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana dia ilaina amin’ny fandraisana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny famonjena, izay ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy avokoa no handraisana azy rehetra. Mitranga ny apôstazia rehefa mihemotra amin’ny fahamarinan’ny filazantsara ny olona ka tsy manaiky ireo mpanompon’ny Tompo nomeny lalana. Nilaina ny famerenana fahamarinana sy fahefan’ny fisoronana ary fanalahidy amin’ny laoniny mba handresena ireo vokatry ny apôstazia lehibe.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1)

Nandritra ny fandalinan’ny mpinatra ny sasin-tenin’ny Tompo ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nianatra izy ireo fa ny Tompo dia mampitandrina ny vahoaka rehetra amin’ny alalan’ireo mpanompo nofinidiny ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo. Nahita ireo mpianatra fa tokony handinika ireo didy izay efa nomen’ny Tompo isika, ho tanteraka avokoa ny tenin’ny Tompo rehetra, ary marina ny tenin’ny Tompo na izany nolazainy na nolazainy tamin’ny alalan’ireo mpanompony.

Andro 4 (Fandalinana ny Soratra Masina)

Nandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia nianatra fa ny soratra masina dia nosoratana mba hitahirizana ireo fahamarinana mandrakizay fantatra amin’ny hoe fotopampianarana sy fitsipika. Nianatra izy ireo fa mba hahitana ireo fahamarinana mandrakizay ireo dia ilaina aloha ny mahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin’ny lahatsoratry ny soratra masina. Nianatra ireo mpianatra fa raha vatany vao takatra ireo zavatra ireo dia tena manampy avy eo ny maneho ireo fotopampianarana sy fitsipika hitany amin’ny alalan’ny fanambarana fahamarinana mazava sady tsotra. Ary farany dia nianatra ireo mpianatra fa ny tena lanjan’ny fandalinana soratra masina dia azo amin’ny alalan’ny fampiharan’izy ireo amin’ny fiainany manokana ireo fotopampianarana sy fitsipika hitany ao amin’ny soratra masina.

Fampidirana

Ity lesona ity dia mampahafantatra ireo mpianatra ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ny fampiasana ny teny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny fizarana 1. Hianatra ireo mpianatra fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ahitana “fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ireo fanambarana avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy, nomena mba ho fanorenana sy ho fitantanana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany amin’ny andro farany” (sasin-teny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana). Ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana dia afaka mankahery ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatra momba an’i Jesoa Kristy.

Fanamarihana: Satria mety ity no fotoana hiarahan’ny mpianatra mianatra voalohany dia azonao atao ny manasa azy ireo hametraka fanontaniana mikasika ny fizotry ny fianarana any an-trano sy ny fomba mahomby handalinana irery ny soratra masina.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fampidirana ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mirakitra ireo fanambarana noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpandimby azy

Azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny fanontaniana ny mpianatra hoe inona ny boky izay heverin’izy ireo fa hitondra tombotsoa ho an’izao tontolo izao raha vakiana sy ny antony mahatonga izany. (Mitondrà boky vitsivitsy izay hataonao sosokevitra amin’izany.) Rehefa avy namaly ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray mba hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ary asao ny mpianatra rehetra mba hihaino ny fampianaran’ny Mpaminany momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“[Ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no] fototra ijoroan’ny Fiangonana amin’izao andro farany izao, ary tombotsoa ho an’izao tontolo izao, izay mampiseho fa ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakan’ny Mpamonjy antsika dia napetraka tamin’ny olombelona indray” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 194).

Amporisiho ireo mpianatra mandritra ny lesona androany mba hijery ireo fomba izay mety hahatonga ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho tombotsoa ho an’izao tontolo izao sy ho an’ny fiainany manokana.

Asao ireo mpianatra mba hanokatra ny pejin-dohatenin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Hazavao fa mba hahafahan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho tombotsoa dia tsy maintsy mahatakatra aloha isika voalohany indrindra hoe inona no atao hoe fotopampianarana sy fanekempihavanana. Asaivo mamaky mafy ilay pejin-dohateny ny mpianatra iray. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Ahoana no hamaritanao ny teny hoe fotopampianarana?

  • Inona no atao hoe fanekempihavanana?

  • Inona no atao hoe fanambarana?

Raha ilaina dia hazavao fa ny fotopampianarana dia fahamarinana fototra sy tsy miova an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy; ny fanekempihavanana dia fifanarahana masina ataon’ Andriamanitra amin’ny zanany izay hametrahan’ Andriamanitra ireo fepetran’ny fampanantenana natao rehetra; ary ny fanambarana dia fifandraisana avy amin’ Andriamanitra ho an’ny zanany. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanoratra ireo famaritana ireo ao amin’ny pejin-dohateny.

Asao ny mpianatra mba hijery ny andiam-pehezan-teny fahavalo ao amin’ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (izay manomboka amin’ny hoe “Ampahafantarina …”). Hazavao fa io andalan-tsoratra io dia mitanisa ohatra amin’ny sasantsasany amin’ny lohahevitra ara-potopampianarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny fehezan-teny voalohany ka hijery lohahevitra ara-potopampianarana iray na maro izay mahaliana azy ireo ny hianatra bebe kokoa momba izany. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no lohahevitra ara-potopampianarana izay tena tianao hianarana bebe kokoa?

  • Inona no tombotsoa mety ho azonao amin’ny fahafantarana sy amin’ny fahatakarana bebe kokoa izany fotopampianarana izany?

Asaivo mamaky mafy ny fehezan-teny farany ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahavalo ny mpianatra iray (izay manomboka amin’ny hoe “Farany, ny tenivavolombelona omena …”), ary asao ny mpianatra rehetra mba hikaroka ny mahatonga ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho sarobidy. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no mahatonga ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho “manan-danja lehibe”?

  • Nahoana ny tenivavolombelona omena momba an’i Jesoa Kristy no sarobidy?

  • Inona araka ny hevitrao no hitranga amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay anananao momba an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ianao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka mampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ireo mpianatra mba hieritreritra momba ny mety ho fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Zarao ny fomba nankaherezana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andalan-tsoratra voalohany ao amin’ny sasin-teny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra. Rehefa izany dia manontania hoe: Feon’iza no ho renesintsika rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika dia afaka mandre ny feon’ny Mpamonjy. Vakio amin’ny mpianatra avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:34–36.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andalan-tsoratra fahatelo ao amin’ny sasin-teny ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Asao ny kilasy mba hanaraka ny vakiteny sy hitady ireo teny izay mamaritra ny feon’ny Mpamonjy. (Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.) Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no teny nampiasaina mba hamariparitana ny feon’ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo tombotsoa mety ho azonao amin’ny fiainana amin’ny fihainoana sy fahafantarana ny feony?

Asehoy ny sarin’ny olona sasany izay nomena fanambarana na izay noresahina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (jereo ny Boky mirakitra Sary momba ny filazantsara [2009], lah. 87, 88, 93, 94, 95; jereo koa ny LDS.org). Rehefa mampiseho ireo sary ireo ianao dia hazavao fa hianatra momba ireo olona ireo ny mpianatra rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fehezan-teny roa voalohany ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahenina amin’ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (izay manomboka amin’ny hoe “Ho valin’ny vavaka …”). Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra rehetra ka hitady ny toe-javatra nanomezana ireo fanambarana ireo. (Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ny zavatra hitany.)

  • Andian-teny inona ao amin’ireo fehezan-teny ireo no mamariparitra ny toe-javatra nanomezana ireo fanambarana ireo?

Asehoy ny mpianatra ny taratasy iray izay ahitana ny soratra hoe Ianao. Mariho fa isika koa, tahaka ny olon’ny tantaran’ny Fiangonana dia mandalo toe-javatra izay ilaina fitarihana avy amin’ Andriamanitra.

  • Raha toa isika te hanaraka ny ohatr’ireo Olomasina tany am-boalohany, inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisana fitarihana avy amin’ Andriamanitra? (Mivavaka sy mikatsaka izany.)

Hazavao fa ny fomba iray hikatsahana fitarihana avy amin’ Andriamanitra dia ny fandalinana ny soratra masina. Asao ny mpianatra hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38, izay soratra masina fehezina. Ampahatsiahivo azy ireo fa ny Tompo dia nanome io fanambarana io ho sasin-teniny manokana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38 ary ny rehetra kosa dia hanaraka ny vakinteny sy hitady ireo didin’ny Tompo ho antsika mikasika ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

  • Inona no asain’ny Tompo ataontsika amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana? (Mety hampiasa teny samy hafa ny mpianatra, nefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Isika dia tokony handinika ireo didy izay efa nomen’ny Tompo.)

Asao ny mpianatra mba hizara ny fomba nahazoany tombotsoa tamin’ny fandinihana ny soratra masina nandritra ny fandalinana tamin’ity herinandro ity. Araho maso ny tanjona napetraky ny mpianatra amin’ny fandalinana isan’andro ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mandritra ny taom-pianarana. Anontanio ny drafitr’izy ireo amin’ny “fandinihana ireto didy ireto” (F&F 1:37). Azonao atao ny mamarana amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ny feon’ny Tompo sy ny fandraisana fitarihana avy Aminy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Fizarana manaraka (Joseph Smith—Tantara 1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2)

Mihaino sy mamaly vavaka Andriamanitra. Ny Fahitana Voalohany dia vokatry ny vavaka feno fanetrentena nataon’i Joseph Smith. Fotoana fohy taorian’izany dia nanoro ny Mpaminany Joseph Smith ny amin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny famerenana ny fisoronana amin’ny laoniny ny anjely maro. Taorian’ny nisehoan’i Jaona Mpanao Batisa tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery, dia nanoratra i Oliver hoe “Eritrereto mandritra ny fotoana fohy izany fifaliana nameno ny fonay … rehefa nandray ny Fisoronana Masina teo ambanin’ny tanany izahay” (Joseph Smith—Tantara 1:71, fanamarihana).