Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88–89 (Fizarana 19)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88–89 (Fizarana 19)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88–89 (fizarana 19) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:1–40)

Rehefa nandalina ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith sy ny vondrona mpisorona avo iray ireo mpianatra dia nianatra izy ireo fa Andriamanitra dia manome fahazavana sy fiainana ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny Fahazavan’i Kristy. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny fanahy sy ny vatana no olona velona, izay avotra tamin’ny Fitsanganana amin’ny Maty tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ary ao amin’ny Fitsanganana amin’ny Maty no handraisantsika voninahitra arakaraka ny lalàna nankatoavintsika.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41–69)

Nandritra ity lesona ity dia nianatra ireo mpianatra fa afaka mahita ny halehibe sy ny herin’ Andriamanitra izy ireo rehefa mijery ny zavatra nohariany. Ireo mpianatra dia nandalina andinin-tsoratra masina momba ny fomba hamangian’ny Tompo ny fanjakany tsirairay sy ny mponina ao aminy amin’ny fotoana voatendriny. Nianatra ihany koa ireo mpianatra fa rehefa manakaiky ny Tompo izy ireo dia hanakaiky azy ireo ny Tompo. Nahita izy ireo fa ny Ray any an-danitra dia mamaly ny vavaka ataon’izy ireo amin’ny fomba fantany fa mahamety izany indrindra ary raha manana ny maso tsy mibanjina afa-tsy amin’ny voninahitr’ Andriamanitra izy ireo dia ho feno ny fahazavana.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–141)

Rehefa nandalina ny torolalan’ny Tompo amin’ny fananganana ny Sekolin’ny Mpaminany ireo mpianatra dia nianatra fa raha mifampianatra sy mikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana izy ireo dia hitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Namantatra fihetsika feno fahamarinana izay hanampy azy ireo hianatra sy ho mafy orina izy ireo ary namantatra koa zavatra fanao tsy amim-pahamarinana izay nodidiana mba hatsahatra. Nianatra ihany koa izy ireo fa ny fampisehoana finamanana sy fitiavana ho an’ireo izay mianatra ny filazantsara miaraka aminy dia manasa ny Fanahy mandritra ny fotoanaizay handalinany miaraka.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89)

Nianatra ireo mpianatra avy tamin’ny torohevitra nomena ireo rahalahy izay nanatrika ny Sekolin’ny Mpaminany fa noho ny fikatsan-dratsin’ny mpiaramioko amin’ny andro farany dia nampitandrina antsika ny Tompo mba tsy hampiasana zavatra manimba. Namantatra ny fampitandreman’ny Tompo momba ny tsy fahaizana mampiasa ny zavatra sasany izy ireo ary nianatra fa tokony hinanana sakafo mahasalama amim-pahendrena sy amim-pankasitrahana. Nianatra ireo mpianatra fa raha manaraka ny Tenin’ny Fahendrena isika dia hanome antsika fahasalamana, fahendrena, tanjaka ary fiarovana ny Tompo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahalala ny maha sarobidy ny fifampianarana ny filazantsara. Rehefa mifampianatra ny fitsipika sasantsasany izay nohalalininy nandritra ny herinandro izy ireo dia hanana fahafahana hiaina ny fitsipika sasantsasany izay nampianarin’ny Tompo an’ireo izay nanatrika ny Sekolin’ny Mpaminany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fanamarihana: Rehefa mandalina ny andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124 ireo mpianatra mandritra ity herinandro ity dia asao izy ireo hitadidy sy hanonona izany rehefa manatrika kilasin’ny seminera na fotoam-pampianarana ao amin’ny Fiangonana hafa. Ity fanasana ity dia natao mba hanampiana azy ireo hitadidy fa ny fanaovana asa tsara sy ny fitsaharana ny asa ratsy dia manampy antsika hianatra sy ho mafy orina. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra izany ary manasa azy ireo mba hanonona miaraka ilay andalana miaraka. Azonao amporisihina ihany koa izy ireo mba hampihatra ilay torohevitra ao amin’ilay andalana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:70–117

Mandidy ny loholon’ny Fiangonana ny Tompo mba hiomana amin’ny asa fanompoany ary manambara ny tranga manodidina ny Fiaviany Fanindroany

Asao ny mpianatra iray mba ho eny anoloana ka hampianatra ny mpianatra hafa iray ny fanaovana zavatra tsotra tahaka ny famatorana ny karavato (na zavatra hafa izay tsy hain’ilay mpianatra faharoa ny manao azy). Asaivo manangan-tanana ireo mpianatra raha toa ka efa nampianatra lesona na fahaiza-manao iray tamin’ny hafa izy ireo tato ho ato. Angataho ny sasany amin’ireo izay nananga-tanana mba hanoritsoritra ny zavatra nampianariny sy ny olona nampianarany. Araho maso izany amin’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao tamin’ny fiomananao hampianatra sy tamin’ny fampianaranao ny hafa?

  • Nahoana, araka ny eritreritrao no mianatra bebe kokoa isika rehefa miomana ny hampianatra toy izay ampianarin’ny hafa?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Tompo dia nanome ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 nandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny fiafaran’ny volana desambra 1832 sy ny fiatombohan’ny volana janoary 1833 ho an’ny andiana mpihazona ny fisoronana izay nivavaka mba hahalalana ny sitrapon’ny Tompo momba ny fananganana an’i Ziona. Ao amin’io fanambarana io dia nantsoin’ny Tompo hoe “mpiasa voalohany ao amin’ ity fanjakana farany ity” (F&F 88:70, 74) io andiana mpihazona ny fisoronana io ka nandidy azy ireo Izy mba hanangana sekoly iray sy hanatrika izany mba hiomanany hitory ny filazantsara any amin’ny firenena maneran-tany (jereo ny F&F 88:74, 84, 127).

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73–76. Asaivo manaraka ny vakinteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo mpihazona ny fisoronana ireo mba hiomanana amin’ny fampianarana ny hafa.

  • Inona no zavatra nasain nataon’ireo “mpiasa voalohany” ireo mba hiomana hampianatra ny hafa amin’ny maha-misiônera azy ireo? (Azonao atao ny mangataka mpianatra iray ho mpandray an-tsoratra ka hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no afaka ataontsika mba “handaminana” sy “hiomanana” ary “hanamasinana” ny tenantsika mba hahomby kokoa amin’ny fizarana ny filazantsara isika?

  • Inona no fiantraikan’ny fahadiovana amin’ny fahotana eo amin’ny fahafahantsika mizara ny filazantsara?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77–80. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ireo mpihazona ny fisoronana ireo rehefa niara-mivory izy ireo. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Inona no nampanantenain’ny Tompo ireo izay mampianatra amim-pahazotoana? (Nampanantena Izy fa homba azy ireo ny fahasoavany ary hampianarina azy ireo misimisy kokoa ny zava-drehetra ilainy mba hahatakarana ny momba ny fanjakan’ Andriamanitra.)

  • Inona no dikan’ny hoe “homba anareo ny fahasoava[n’ny]” Tompo (F&F 88:78)? (Hanampy antsika ny Tompo rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hampianatra sy hianatra ny filazantsara isika.)

  • Avy amin’ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny andininy 77–78 dia ahoana no fomba hilazanao ny fitsipika momba ny fampianarana? (Mety hahita karazana fitsipika maro ireo mpianatra. Rehefa avy namaly izy ireo dia azonao atao ny manoratra ireto fitsipika manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe: Rehefa mifampianatra amim-pahazotoana isika dia hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fahamarinana avy Aminy ny Tompo. Afaka miomana ny hizara ny filazantsara amin’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fifampianarana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa anao hahatakatra bebe kokoa izany?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 79 dia inona koa ireo lohahevitra hafa izay manan-danja tokony ho takatsika? Ahoana no mety hanampiana antsika hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa rehefa mahazo fahalalana lehibe toy izany isika?

Fanamarihana: Ity asa atao manaraka ity dia natao ho an’ny vondrona maromaro ahitana mpianatra efatra isan’isany mba hiomanan’izy ireo sy hifampianaran’izy ireo tsiroaroa. Raha kely ny kilasinao dia azonao asaina manomana sy mampianatra tsirairay ireo mpianatra na azonao asaina mampianatra anao ny iray amin’ireo lesona izy ireo ary avy eo azonao ampianarina azy ireo ilay lesona hafa.

Hazavao amin’ny mpianatra fa te hanampy azy ireo hahatsapa ny maha-zava-dehibe sy ny fampiharana ireo fitsipika roa momba ny fampianarana hitan’izy ireo ianao. Zarao ho vondrona tsiefatrefatra ireo mpianatra. Asaivo miara-miasa ny mpianatra roa ao amin’ny vondrona tsirairay mba hanomana ny fampianarana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63–68 amin’ny fampiasana ny soratra masiny sy ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny mpianatra roa hafa mba hiara-hiasa hanomana ny fampianarana ny soratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 amin’ireo mpianatra roa voalohany.

Omeo ny tahadikan’ity torolalana manaraka ity ny vondrona tsirairay. Asao izy ireo hamaky ny torolalana sy ny andinin-tsoratra masina ka hanapa-kevitra ny fomba hampianarany ny lesona kely tsirairay. (Entano ny mpianatra tsirairay ao amin’ilay ekipa mba samy handray anjara amin’ny fampianarana.) Hazavao fa hanana eo amin’ny 8–10 minitra eo izy ireo hiomanana ary 5 minitra kosa hampianarana.

Torolalana ho an’ireo mpianatra hampianatra:

  1. Vakio daholo ny andalan-tsoratra masina nomena anao. Azonao atao ihany koa ny mivavaka mangina ao am-ponao mba hahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao rehefa miomana sy mampianatra ianao.

  2. Jereo ireo fanamarihana na marika nataonao tao amin’ny soratra masinao na tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hanampiana anao hahatsiaro ny zavatra nianaranao avy tamin’ny fandalinanao io andinin-tsoratra masina io nandritra ny herinandro.

  3. Soraty na asio marika ny fotopampianarana na fitsipika iray tianao ampianarina.

  4. Manapà hevitra ny amin’ny fomba hampianaranao ilay fotopampianarana na ilay fitsipika. Diniho ny hampiasana ireto hevitra manaraka ireto rehefa mamorona ny drafitra:

    1. Diniho ny hametrahana fanontaniana tsotra iray na ny hampiasana zavatra enti-mampianatra iray mba hanintonana ny sain’ireo olona ampianarinao sy hampidirana ny lohahevitra.

    2. Hazavao ny zavatra fantatrao momba ny toe-javatra sy ny votoanton’ ny fanambarana, ary asao ireo izay ampianarinao mba hamaky ampahan’ny andalana na ny andalana rehetra izay nampandraiketinao.

    3. Mametrà fanontaniana mba hanampiana ireo izay ampianarinao amin’ny fahatakarana ilay fotopampianarana na fitsipika ary mametraha fanontaniana misimisy kokoa avy eo mba hahitana raha takatr’izy ireo izany.

    4. Zarao ny traikefa nanananao momba ilay fotopampianarana na fitsipika ary mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe izany sy ny amin’ny fahamarinan’izany. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo izay ampianarinao mba hizara ny traikefa nananany momba ilay fotopampianarana na fitsipika.

Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra mba hiomanana dia asao ny ekipa mandeha tsiroaroa nomena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63–68 hampianatra ny mpianatra hafa ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Avy eo dia asaivo mifamadika ireo mpianatra ka asao ny mpiara-miasa nomena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:18–21 mba hampianatra.

Rehefa nifampianatra ireo mpianatra dia mariho ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: “Rehefa mifampianatra amim-pahazotoana isika dia hanampy antsika hahatakatra ny fahamarinany amin’ny fomba feno kokoa ny Tompo.” Apetraho amin’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no nahatonga ny fahatakaranao ireo soratra masina ireo ho lalindalina kokoa rehefa nampianatra azy ireo tamin’ny olona hafa ianao androany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao fa nanampy anao ny Tompo?

Amporisiho ny mpianatra hitady fahafahana hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fitahiana izay ho azony amin’ny fanaovana izany.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90–97)

Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinana mandritra ny herinandro manaraka dia azonao atao ny manasa azy ireo mba handinika izao manaraka izao: Inona no fepetra nomen’ny Tompo mba hahitana ny tavany? Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fananana “fo madio” (F&F 97:16) rehefa mankany amin’ny tempoly ianao? Efa nanontany tena momba ny dikan’ny hoe mitsaoka an’ Andriamanitra ve ianao? Mandritra ny fandalinanao amin’ny herinandro ambony dia fantaro hoe ho an’iza no hanaovantsika fitsaohana ary ahoana no fomba fitsaohantsika.