Seminera
Lesona 124: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–118


Lesona 124

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–118

Fampidirana

Tamin’ny 8 jolay 1838, tao Far West, Missouri, dia naharay ireo fanambarana efatra ny izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117–120 ny Mpaminany Joseph Smith. Tao amin’ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117 dia nodidian’ny Tompo i Newel K. Whitney sy i William Marks mba handamina ny raharahany tao Kirtland ary hankany amin’ireo Olomasina izay nivondrona tao Far West. Nilaza ihany koa ny Tompo fa i Oliver Granger dia nasaina ho solontenan’ny Fiadidiana Voalohany mba hamarotra ny fananan’ny Fiangonana sy handamina ny raharaham-barotr’i Joseph Smith. Ao amin’ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118, ny Tompo dia niantso Apôstôly vaovao mba hameno ny toeran’ireo izay nivily lalana ka niantso ireo mpikambana rehetra amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hanao asa fitoriana tany Grande Bretagne.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–11

Nandidy an’i William Marks sy i Newel K. Whitney ny Tompo mba handamina faingana ny raharahan’izy ireo dia hiala tao Kirtland

Asao ireo mpianatra hanao lisitr’ireo antony mety mahatonga ny olona iray hisalasala amin’ny fankatoavana ny didy avy amin’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny.

Asao ny mpianatra mba hamaky tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1 ka hamantatra hoe nomena ho an’iza io fanambarana io. Hazavao fa i Newel K. Whitney no eveka tao Kirtland. Mpitantana orinasa nahomby izy, ary nanokana ampahany betsaka tamin’ny fananany ho an’ny Fiangonana. I William Marks kosa dia nantsoina ho mpandraharahan’ny Eveka Whitney tamin’ny 17 septambra 1837. Nanana orinasa mpivarotra boky izy.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:1–3 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hitady ny zavatra izay nodidian’ny Tompo hataon’ireo lehilahy ireo. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe mitaredretra dia midika hoe mijanona amin’ny toerana iray.

  • Inona no nasain’ny Tompo hataon’i Newel K. Whitney sy i William Marks? (Nodidiany izy ireo mba handamina ny raharahany faingana sy handao an’i Kirtland. Nasaina nanainga alohan’ny handefasan’ny Tompo orampanala teo amin’ilay faritra izy ireo. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe: mila mandeha ao anatin’ny fe-potoana maharitra efa-bolana eo ho eo izy ireo.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny 26 aprily 1838 ny Tompo dia nandidy ireo Olomasina mba hiangona tao Far West, Missouri sy tamin’ny toerana hafa (jereo ny F&F 115:17–18). Ny 6 jolay 1838 dia nisy vondrona iray fantatra tamin’ny anarana hoe Tobin’i Kirtland izay nisy Olomasina mihoatra ny 500 avy amin’ny faritr’i Kirtland no nandeha nankany Missouri (jereo ny Church History in the Fulness of Times Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 178–79).

Hazavao fa rehefa mamaky ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:4–5 isika dia mahita fa niahiahy mafy momba ny fananan’ny Fiangonana tao Kirtland ny Eveka Whitney sy i William Marks. Noho ny antsony amin’ny maha-eveka sy mpandraharaha azy ireo dia mpitandrina an’ireo fananana ireo izy ireo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andininy 4 ary asao ny iray kilasy hihaino ny fanontanian’ny Tompo ao amin’io andininy io.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Fa inona moa ny fananana amiko?

  • Inona no dikan’izany araka ny eritreritrareo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny fanontanian’ny Tompo ao amin’ny andininy 4 dia asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:5–8. Asao ireo mpianatra hikaroka ireo antony nahatonga ny Tompo hilaza ny hoe “Fa inona moa ny fananana amiko?” (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “lemak’i Olaha Sinèha” dia entina hilazana ny faritra manodidina an’i Adama-ondia-Amàna tao Missouri.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[m]itsiriritra … izay piti-drano … ary [m]anao tsirambina ny tena ventin-javatra”? (F&F 117:8). Amin’ny fomba ahoana no maha-“piti-drano” an’ireo fananana tao Kirtland raha oharina amin’ireo fitahiana izay mety homen’ny Tompo an’ny Eveka Whitney sy ny Filoha Marks? (Rehefa avy mifanakalo hevitra momba an’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ny fitsiriritana ny zavatra ara-nofo dia mety hitarika antsika hanao tsirambina ny tena zava-baventy.)

Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny fomba hahafahan’izy ireo hifantoka bebe kokoa amin’ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa niantso an’i William Marks ny Tompo mba hanohy hanao ny antsony amin’ny maha-mpitarika azy tao amin’ny Fiangonana rehefa tonga tany Far West izy. Nilaza koa ny Tompo fa raha “mahatoky amin’ny zavatra vitsivitsy” ny Filoha Marks dia ho “mpanapaka amin’ny zavatra maro” izy amin’ny farany (jereo koa ny Matio 25:23).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:11 ka asao ny iray kilasy hitady ny fandevilevena nataon’ny Tompo tamin’i Newel K. Whitney. Rehefa avy mamaky an’io andininy io ireo mpianatra dia hazavao fa ny Nikôlaita dia antokom-pivavahana fahiny. Nilaza izy ireo fa Kristiana saingy nivadika tamin’ireo fitsipiky ny filazantsara mba hanaraka ireo fomban’izao tontolo izao (jereo ny Doctrine and Covenants Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 290).

  • Raha nisafidy ny hifantoka tamin’ny fananana tao Kirtland i Newel K. Whitney fa tsy hifantoka tamin’ny fiarahana mivondrona tamin’ny Olomasina dia inona no mety ho nampitovy ny zavatra nataony tamin’izay nataon’ireo Nikôlaita?

Hazavao fa noho ny fahatarany teo amin’ny fiaingana avy any Kirtland sy noho ny fanenjehana tao Missouri dia tsy afaka niara-nivondrona tamin’ireo Olomasina tao Far West i William Marks sy i Newel K. Whitney. Na izany aza dia nanaraka ny torohevitry ny Tompo izy ireo ary nijanona ho mahatoky, ka dia niara-nivondrona tamin’ireo Olomasina tao Nauvoo, Illinois izy ireo taty aoriana, izay toerana naha-filohan’ny tsatòka an’i William Marks ary naha-eveka an’i Newel K. Whitney.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:12–16

Nanendry an’i Oliver Granger ny Tompo mba hisolo tena ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fitantanana ireo raharaha tao Kirtland

Asao ireo mpianatra mba hanao eny amin’ny solaitrabe ny lisitr’ireo antso isan-karazany na andraikitra ao amin’ny Fiangonana izay mety horaisiny.

Hazavao fa nodidian’ny Tompo ny lehilahy iray nantsoina hoe Oliver Granger mba handao an’i Far West ka hiverina any Kirtland mba “hiezaka amin-kafanam-po tokoa ho fanavotana ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonako” (F&F 117:13). Io asa nampanaovina io dia ahitana ny fivarotana ireo fananan’ny Fiangonana sy ny fampandehanana tsara ny raharaha ara-barotra nataon’i Joseph Smith. Izany dia hitaky ny fanaovan’i Oliver Granger, izay efa madiva ho jamba, fahafoizan-tena. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:12–15 sady hitady ireo fitahiana nolazain’ny Tompo fa horaisin’i Oliver Granger rehefa manatanteraka izany andraikitra izany izy.

  • Inona ireo fitahiana izay horaisin’i Oliver Granger?

  • Inona no zavatra tsapan’ny Tompo momba ny fahafoizan-tena izay hataon’i Oliver Granger? (Azonao atao ny manazava fa ilay fanambarana hoe “ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany” dia milaza fa ny Tompo dia niraharaha bebe kokoa ny fahafoizan-tenan’i Oliver noho ny vola izay mety ho azon’i Oliver rehefa nanatanteraka an’io andraikiny io izy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ireo fahafoizan-tena izay ataontsika eo amin’ny fanompoana ny Tompo dia masina Aminy.)

Avereno jerena ireo antso sy andraikitra izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe. Anontanio ireo mpianatra hoe inona no fahafoizan-tena izay mety takin’ireo antso sy andraikitra ireo.

  • Nahoana no zava-dehibe ny manao izay rehetra azontsika atao mba hanatanterahana ny andraikitra na antso iray?

Hazavao fa tamin’ny 25 aogôsitra 1841 no maty tao Kirtland i Oliver Granger. Tamin’izay fotoana izay dia mbola niasa ho toy ny solontenan’ny Fiadidiana Voalohany izy tamin’ny raharahany. Na dia tsy nahomby tanteraka aza izy tamin’ny fampandehanana tsara ireo raharaha ara-barotry ny Fiangonana dia niasa izy mba hihazona ny voninahitry ny Fiangonana sy ny laza tsara nananany. Nahatoky tamin’ny Tompo sy ny Mpaminany Joseph Smith izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Inona no nataon’i Oliver Granger ka nahatonga ny anarany ho notazonina ho toy ny fahatsiarovana sarobidy? Tsy dia nisy zavatra betsaka loatra. Tsy dia ny zavatra nataony tamin’ny naha-izy azy loatra izany. …

“Tsy niandry an’i Oliver ho tanteraka ny Tompo, ary mety tsy niandry azy hahomby mihitsy aza. …

“Tsy afaka miandrandra ny hahomby foana isika, kanefa tokony hiezaka hanao izay tsara indrindra azontsika atao isika” (““The Least of These,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 86).

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no masina eo anatrehan’ny Tompo ny fahafoizan-tenantsika, eny fa na dia mahatsapa aza isika fa tsy mahomby tanteraka amin’ny ezaka ataontsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118

Nanendry Apôstôly vaovao ny Tompo ary niantso ireo Apôstôly hanao asa fitoriana ny filazantsara

Hazavao fa ny 8 jolay 1838 dia niantso Apôstôly efatra ny Tompo mba hanoloana an’i Luke Johnson sy i Lyman E. Johnson sy i William E. McLellin ary i John F. Boynton izay nihemotra. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118:3 sady hitady ny zavatra izay tian’ny Tompo hataon’ireo Apôstôly.

  • Inona no nasain’ny Tompo hataon’ireo Apôstôly?

  • Inona no teny sy andian-teny ao amin’ny andininy 3 izay manoritsoritra ny fomba tian’ny Tompo hitorian’ireo Apôstôly ny filazantsara?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha toriantsika amin’ny fomban’ny Tompo ny filazantsara, …

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 3, dia ahoana avy ireo fomba roa azontsika hamenoana io fehezan-teny io? (Mety amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa tokony hamantatra ireto fitsipika manaraka ireto izy ireo: Raha toriantsika amin’ny fomban’ny Tompo ny filazantsara dia hamatsy ny fianakaviantsika Izy. Raha toriantsika amin’ny fomban’ny Tompo ny filazantsara dia hanomana ny hafa handray ny hafany Izy.)

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hizara ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalan’ny asa fitoriana nataon’ny mpiray tampo na fianakaviana hafa.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118:4–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia niantso mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba “handeha hita ireo rano be” (ny Ranomasimbe Atlantika) mba hitory ny filazantsarany, ka nanomboka ny asa fitoriany tao amin’ny toerana nisy ilay tempoly tao Far West. Handeha hitory any Grande Bretagne izy ireo.

  • Araka ny voalazan’ny andiny 5, dia oviana no nasaina nandeha nanainga hanao ny asa fitoriany ireo Apôstôly? Avy aiza no nasaina niaingan’izy ireo?

Hazavao fa nandritra ireo volana maromaro taorian’io fanambarana io dia nitombo ny fanenjehana tao Missouri. Tamin’ny farany dia noroahina hiala ilay fanjakana ireo Olomasina. Noho ireo toe-javatra ireo dia nanjary natahorana ny hanaovan’ireo Roambinifololahy fivoriana tao Far West. Maro ireo mponina tao Missouri no nieboebo ampahibemaso fa hanakana ny fahatanterahan’ilay fanambarana izy ireo. Saingy tapa-kevitra ny hankatò ny didin’ny Tompo ny Roambinifololahy. Ny marainan’ny 26 aprily 1839 dia nandeha teny amin’ny toerana nisy ny tempoly tao Far West ny Loholona Brigham Young sy i Heber C. Kimball ary i Orson Pratt miaraka amin’ny Loholona John E. Page sy i John Taylor izay vao notendrena ho Apôstôly vao haingana (jereo ny F&F 118:6). (Tsy afaka nanatrika tao daholo ireo mpikambana mahatoky rehetra tao amin’ilay kôlejy. Ohatra: nosamborina ny Loholona Parley P. Pratt ka nogadraina noho ny fiampangana diso.) Nanomboka nandatsaka indray ny fototry ny tempoly izy ireo (jereo ny F&F 115:11) tamin’ny alalan’ny fametrahana vato lehibe teo akaikin’ny sisiny atsimo atsinanan’ilay tany. Nanendry Apôstôly vaovao ihany koa izy ireo dia ny Loholona Wilford Woodruff (jereo ny F&F 118:6) sy i George A. Smith mba hameno ny banga tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Rehefa avy nanatontosa ny toromariky ny Tompo izy ireo dia lasana tsy hitan’ireo izay nikasa ny hisambotra azy ireo. I Willard Richards izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118:6 dia voatendry ho Apôstôly tokony ho herintaona taorian’izay, dia ny 14 aprily 1840. (Mba hahazoana ny fitantarana feno ity zavatra niainana ity dia jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 139–41.)

Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitsipika izay nifanakalozana hevitra nandritra ny lesona androany izany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:11. Ny tarik’i Nikôlaita

Ny teny hoe Nikôlaita dia hita ao amin’ny Apokalypsy 2:6, 15. Ny sasantsasany amin’ireo manam-pahaizana dia mino fa ireo Nikôlaita dia niezaka nitondra ireo fomban’ny mpanompo sampy tao amin’ny fiangonana Kristianina fahiny. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra fa ny Nikôlaita dia ireo “mpikamban’ny Fiangonana izay niezaka nitazona ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonana sady mbola nmanohy nivelona araka ny fomban’ izao tontolo izao. … Na inona na inona ny zavatra nataony manokana na ny fotopampianarany dia lasa nampiasaina ilay fiantsoana mba hamantarana ireo izay te hametraka ny anarany ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana kanefa tsy te-hanokana ny tenany amin’ny tanjon’ny filazantsara amin’ny fo feno finiavana” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1966–73], 3:446; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 290).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117:16. Mpanakalo vola

Talohan’ny nandaozan’i Joseph Smith an’i Kirtland dia voafehin’ny andiana mpivadika ny tempoly. Nantsoin’ny Tompo hoe “mpanakalo vola” ireo lehilahy ireo tahaka an’ireo izay nandoto ny tokotanin’ny tempoly tao Jerosalema (jereo ny Matio 21:12–13). Na taorian’ny fitrangan’io zavatra io aza dia tian’ny Tompo ireo mpanompony “ao an-tanin’i Kirtland” mba hahatsiaro ny fahamasinan’ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118. Fahatanterahan’ny didy hiaingan’ireo misiônera avy ao Far West

“Vao mangiran-dratsy [ny 26 aprily 1839, taorian’ny fihaonan’ireo Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny toerana nisy ny tempoly tao Far West] dia nankany an-tranon’i Isaac Russell izay mpivadika mba hanao veloma i Theodore Turley, iray amin’ireo Olomasina niaraka tamin’ireo Roambinifololahy tao Far West. Nitolagaga i Russell raha nahita fa tao Far West niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy ilay namany ka tsy nahaloa-bava raha nandre fa tanteraka ilay faminaniana” (Church History in the Fulness of Times Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 226).