Seminera
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:17–42


Lesona 43

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:17–42

Fampidirana

Ilay lesona teo aloha dia mahafaoka ireo andininy 16 voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38. Ity lesona ity dia mahafaoka ny sisa tavela amin’io fizarana io. Ho valin’ny fanirian’ireo Olomasina mba hahalala bebe kokoa mikasika ilay didy hivondrona tao Ohio dia nampahafantatra fitahiana vitsivitsy izay ho tonga amin’ireo olo-marina mandritra ny Arivotaona ny Tompo. Dia nampianatra ireo Olomasina mba ho iray Izy avy eo ary nanazava ny antony nandidiany azy ireo hivondrona tao Ohio. Farany dia nanome didy ny Tompo mba hanampiana ireo Olomasina hahafantatra ny fomba hanombohana ilay fanangonana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:17–22

Mampahafantatra fitahiana vitsivitsy izay ho tonga amin’ireo olo-marina amin’izao fotoana izao sy mandritra ny Arivotaona ny Tompo

Anontanio ny mpianatra ny atao hoe lova ary iza no mazàna mahazo lova iray.

  • Nahoana ianareo no te hanana lova?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:17–22. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hamantatra ilay lova nampanantenain’ny Tompo fa homeny ny olony.

  • Inona no nolazain’ny Tompo fa ilain’ny olony hatao mba hahazoana ilay lova izay resahina ao amin’ireo andininy ireo? (Mikatsaka izany amin’ny fon’izy ireo manontolo [jereo ny F&F 38:19]; mihaino ny feony sy manaraka Azy [jereo ny F&F 38:22].)

Asao ny mpianatra iray hanazava ny fampahalalana ara-tantaran’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 izay nianaran’izy ireo nandritra ny lesona teo aloha. Raha ilaina dia ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa nangataka fampahalalana bebe kokoa mikasika ilay didin’ny Tompo hifindra any Ohio ny sasany tamin’ireo Olomasina tao New York.

  • Araka ny eritreritrareo dia tamin’ny fomba ahoana no nisian’ny fampianarana ireo Olomasina mikasika ny lovan’izy ireo fiantraikany teo amin’ny fahatsapan’izy ireo mikasika ilay didy hifindra tany Ohio?

Amporisiho ny mpianatra hitady ireo antony hafa izay nahatonga ny Tompo nanome ilay didy ho an’ireo Olomasina mba hiangona tao Ohio rehefa handalina ny ambin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38 izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:23–27

Mandidy ireo Olomasina mba ho iray ny Tompo

Alohan’ny fotoam-pianarana dia manaova sary tsotsotra eo amin’ny solaitrabe izay maneho ny ivelan’ny trano lehibe iray hita ao amin’ny faritra misy anareo. Na manaova sarina trano tsotra, araka ny haseho eto. Asio ireo singa manan-danja an’ilay trano ilay sary, ao anatin’izany ny varavarana fidirana, varavaran-kely, ireo rindrina ary tafo. Anontanio amin’ny mpianatra hoe ny inona amin’ilay trano no manan-danja indrindra. Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fa misy tanjona ilàna azy ny zavatra tsirairay mandrafitra ilay trano.

Sary
endrika ivelan’ny trano
  • Ahoana no fomba azo anoharana ireo zavatra mandrafitra ny trano iray amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana iray na amin’ny olona ao amin’ny paroasy na sampana iray? (Tahaka ny maha manan-danja ny zavatra tsirairay mandrafitra ny trano iray dia sarobidy sy manana anjara asa manan-danja koa ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana na paroasy na sampana iray.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:23–25 ary hitady andian-teny iray izay mampianatra ny fomba tokony hiheverantsika ny olona hafa. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Midika inona amin’ny olona iray, araka ny eritreritrareo, izany hoe “hihevitra ny rahalahiny ho toy ny tenany”? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Tokony hanome lanja ny hafa toy ny fanomezantsika lanja ny tenantsika isika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatadidy io fitsipika io dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Azonao atao ny manasa ny mpianatra handika izany ao amin’ny soratra masin’izy ireo, na ny kahieny, na ny diary fandalinany soratra masina. (Ilay teny nambara dia hita ao amin’ny The Weak and the Simple of the Church,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 7.)

“Fitoviana iraisan’ny rehetra no hita eo anivon’ny Mpikambana [ao amin’ny Fiangonana]. Tsy tokony hisy amintsika no hihevitra ny tenany ho manan-danja kokoa noho ny hafa (jereo ny F&F 38:24–25)” (Filoha Boyd K. Packer).

  • Inona no mitranga rehefa mihevitra ny olona fa izy ireo dia manan-danja kokoa, na tsaratsara kokoa noho ny hafa?

  • Ahoana no fomba hitahiana ny Fiangonana rehefa tsy mihevitra ny tenantsika ho manan-danja noho ny hafa isika?

Lazao amin’ny mpianatra fa nampianatra fanoharana iray ny Mpamonjy izay mampiseho ny antony tokony hiheverantsika ny hafa ho toy ny tenantsika. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanoharana ity ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:26. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fomba nitondran’ilay lehilahy ao amin’ity fanoharana ity ny zanany lahy.

  • Inona no ho tsapanareo raha toa ka ianareo ilay zanakalahy izay nahazo akanjo voro-kitsay ato amin’ity fanoharana ity?

  • Inona no tokony ho nataon’ilay zanakalahy izay nahazo akanjo lava mba hanatsarana io toe-javatra io?

  • Inona araka ny eritreritrao no hafatry ny Tompo ho antsika ao amin’io fanoharana io?

Angataho ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27 ary hitady fitsipika iray izay tian’ny Tompo ho takatsika avy amin’io fanoharana io. (Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hilaza zavatra tahaka izao manaraka izao izy ireo: Raha tsy iray isika dia tsy afaka ny ho lasa olon’ny Tompo. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay fitsipika voalohany nosoratanao io fitsipika io. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo teny mampianatra io fitsipika io ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Raha amin’ny sahan-kevitra ao amin’ny andininy 27 dia inona ny dikan’ny hoe “ho iray”? (Ho iray miaraka amin’ny hafa sy miaraka amin’ny Tompo ao anatin’ny fahamarinana.)

  • Ahoana ny fanomezan-danja ny hafa toy ny fanomezantsika lanja ny tenantsika no mety hanampy antsika ho iray bebe kokoa amin’ny hafa? Ahoana no mety hanampian’izany antsika ho lasa iray amin’ny Tompo?

  • Nahoana araka ny hevitrao no tsy hahafahantsika ho lasa vahoakan’ny Tompo raha tsy iray?

Hazavao fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohany izay nantsoina mba hiangona tany Ohio dia samihafa fiaviana avokoa. Ny sasany dia nanana toeram-pambolena sy fiompiana niroborobo ary nohajaina tany amin’ny fiaraha-monina nisy azy raha ny hafa kosa dia tsy nanana betsaka sy noheverina fa ambany teo amin’ny fiaraha-monina.

  • Ahoana no fomba nitahian’ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe ny Olomasina raha niangona niaraka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa tany Ohio izy ireo?

Azonao atao mialoha ny fotoam-pianarana ny manomana taratasy hozaraina ho an’ny mpianatra tsirairay, izay mirakitra ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay teny nambara. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba hifandraisan’ilay didy mba ho iray amin’ilay didy nomen’ Andriamanitra ny olony mba hivondrona.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Fantatsika avy amin’ny zavatra niainana fa tonga ny fifaliana rehefa misy ny firaisan-kina. … [Ny fanirian’ny Ray any An-danitra] dia ny hanome antsika izany faniriana masina ny mba te ho iray izany noho ny fiitavany antsika.

“Tsy afaka manome izany ho an’ny tenantsika manokana izy. Ny fifalian’ny firaisan-kina izay tiany homena antsika mafy dia tsy natao ho an’olon-tokana. Tsy maintsy mikatsaka izany ary mendrika ny hahazo izany miaraka amin’ny hafa isika. Tsy mahagaga izany raha toa ka mamporisika antsika mba hivondrona Andriamanitra mba ahafahany mitahy antsika. Tiany ny mba hivondronantsika ao anatin’ny fianakaviana. Nanorina kilasy, paroasy sy sampana Izy ary nandidy antsika mba hiara-hivory matetika. Misy tombontsoa lehibe ho antsika ao anatin’ireny fivondronana nalamin’ Andriamanitra ho antsika ireny. Afaka mangataka amim-bavaka an’izany firaisankina izany isika sy miasa mba hahatratrarana izany, izay hitondra fifaliana ho antsika sy hampitombo ny hery hanompoantsika” (“Ny Fontsika Mitambatra ho Iray,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 69).

  • Nahoana araka ny voalazan’ny Filoha Eyring ny Tompo no maniry ny hitambarantsika miaraka? (Mba hahafahany mitahy antsika sy manampy antsika hahatratrarana ny firaisankina.) Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny firaisankina? (Ny fifaliana sy ny fitomboan’ny herintsika entina manompo.)

  • Ahoana ny tenin’ny Filoha Eyring no manampy antsika hahatakatra ny antony hitambarantsika miaraka ho fianakaviana? Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana? Amin’ny maha kilasin’ny seminera?

  • Oviana ianareo no nahazo fitahiana izay tonga avy tamin’ny fivondronana niaraka tamin’ny hafa?

Asao ireo mpianatra hanoratra mandritra ny minitra vitsy ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny zavatra azony atao mba ho iray miaraka amin’ny fianakaviany, miaraka amin’ireo zatovolahy sy zatovovavy ao amin’ny kôlejy sy kilasin’izy ireo ao am-piangonana, ary miaraka amin’ny Tompo. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:28–33

Manazava ny antony nandidiany ny Fiangonany hivondrona tao Ohio ny Tompo

Hazavao fa ny Tompo dia nanambara antony hafa izay nahatonga Azy nandidy ireo Olomasina hiala tao New York ary hivondrona tao Ohio. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:28–30, ary angataho ny mpianatra rehetra mba hitady ireo antony hafa izay nandidiana ireo Olomasina hivondrona tao Ohio.

  • Inona ny zavatra nampitandreman’ny Tompo an’ireo Olomasina?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 30 dia inona no azon’ny vahoakan’ny Tompo atao mba tsy hatahorana ny fahavalon’izy ireo? (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hanisy marika ireo teny izay mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Raha miomana isika dia tsy tokony hatahotra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hampihatra ilay fahamarinana vao hitan’izy ireo dia zarazarao ho tsiroaroa izy ireo ary asao ny mpianatra mpiara-miasa tsiroaroa isan’isany mba hifanakalo hevitra mikasika ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana ireo.)

  • Araka ny eritreritrareo dia nahoana no manome antsika fahatokiantena ny fiomanana na dia eo aza ny fifanoherana na ny loza?

  • Inona no azontsika atao mba hiomanana hanoherana ny ezaky ny fahavalo mba hanisy ratsy antsika?

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa tamin’ny taona 1831 dia nametra-panontaniana ny Olomasina sasany tao New York hoe nahoana izy ireo no nodidiana handeha tany Ohio. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:31–33 Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo fomba izay ho nitahiana ireo Olomasina raha nankatò ilay didy hiangona tany Ohio izy ireo. Tokony hahita fitahiana efatra ny mpianatra: (1) “mba [ho afaka hiala] ny herin’ny fahavalo” izy ireo; (2) “hangonina [ao amin’ Andriamanitra] ho vahoaka marina” izy ireo; (3) omena ny didin’ Andriamanitra izy ireo; ary (4) “hotafiana amin-kery avy any ambony” izy ireo.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Manangona ny olony ny Tompo mba hiarovana azy ireo sy hampatanjahana azy ireo ara-panahy.

  • Ahoana no fomba hanampiana anareo hahatsapa ho voaro amin’ny herin’i Satana rehefa mivondrona miaraka amin’ireo mitovy fitsipika aminareo ianareo?

  • Ahoana no hampatanjahana antsika ara-panahy rehefa mahazo ireo lalàn’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:34–42

Nomena didy mikasika ny fivondronana tao Ohio ny Fiangonana

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:34–42 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nanome didy sy torohevitra vitsivitsy ho an’ireo Olomasina mba hanampiana azy ireo tamin’ny fifindrany tany Ohio. Hazavao ihany koa fa ny tany fambolena sy fiompian’ny maro tamin’ireo Olomasina no hany loharanom-piveloman’izy ireo. Noho ny fisian’ireo mpikambana maro tao amin’ny Fiangonana izay niara-nivarotra ny taniny tamin’ny fotoana mitovy dia maro tamin’ireo Olomasina no tsy maintsy nanaiky fa mety ho maty antoka tamin’ny famarotana ny taniny na mety tsy ho afaka ny hamarotra azy ireo mihitsy aza. Hampihena ny vidin-tany ny fahabetsahan’ireo tany amidy ka hamela ireo mpividy hividy ny tanin’ireo Olomasina amin’ny sarany ambany dia ambany.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:37, 39 ary hitady ny torohevitry ny Tompo mikasika ny tany sy ny harenan’ireo Olomasina. Asao ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Ahoana no fomba hanampiana anareo hitandrina ny didin’ny Tompo rehefa mahafantatra ireo fampanantenana mandrakizay nomeny ianareo?

Hazavao fa nananosarotra tamin’ireo Olomasina sasany ny nivarotra ny taniny taorian’ny nanomezana io didy io. Ny sasany dia maty antoka rehefa nahalafo ny taniny. Ny sasany dia tsy nahalafo ny taniny akory. Nandao tsotra izao ireo tranony sy fananany tsy lafo ny mpikambana mahatoky sasany ka nandeha tany Ohio ihany na dia izany aza.

Azonao atao ny mamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana hita ato amin’ity lesona ity. Asao ny mpianatra hampihatra ireo zavatra tsapany sy nosoratany nandritra ny lesona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–25. “Aoka ny olona tsirairay hihevitra ny rahalahiny ho toy ny tenany”

Ny Filoha Boyd K. Packer dia nizara tantara iray izay maneho ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Fony aho zatovolahy dia mpampianatra isan-tokantranon’ny rahavavy zokiolona iray. Nampianariny avy amin’ny zavatra niainany aho.

“Fony izy zazavavikely dia tonga tao Brigham City ny Filoha Brigham Young, nandritra ny zava-nitranga lehibe iray natao tao amin’ilay tanàna nampitondraina ny anarany. Mba hanomezam-boninahitra azy dia nilahatra teo amin’ny sisin’ny lalana nitondra nankao an-tanàna ireo ankizy tao amin’ny Kilonga, izay niakanjo fotsy avokoa, ary samy nanana harona feno voninkazo mba hafafy teo alohan’ny kalesy tarihin-tsoavaly nitondra ny Filohan’ny Fiangonana.

“Nisy zavatra tsy nahafaly azy. Raha tokony hanipy ireo felam-boninkazony izy dia naleony nandaka vato kely teo anoloan’ilay kalesy tarihin-tsoavaly sady nilaza hoe: ‘Tsy hitako izay mampiavaka azy amin’i Lovelund Dadabeko.’ Henon’ny olona izany ka dia voateny mafy izy.

“Tena azoko antoka fa ny Filoha Brigham Young no ho olona voalohany nitovy hevitra tamin’i Janie Steed kely. Tsy ho nihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho i Dadabe Lovelund izy na noho ny mpikambana mendrika ao amin’ny Fiangonana na iza izany na iza” (“The Weak and the Simple of the Church,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 7).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27, 34–36. Mikarakara ny mahantra sy ny sahirana ary miray hina

Ato amin’ity fanambarana ity dia nandidy ireo Olomasina ny Tompo mba ho iray ary hikarakara ireo mahantra. Roa amin’ireo didy fototry ny lalàn’ny fanokanana izy ireo. Ireo didy roa ireo ihany koa dia hamafisina ao amin’ny Mosesy 7:18 sy 4 Nefia 1:2–3. Rehefa nanandrana niaina ny lalàn’ny fanokanana tao Missouri ireo Olomasina dia tsy nahomby izy ireo satria “tsy nizara tamin’ny fananany … ho an’ny mahantra” ary “tsy niray hina” (F&F 105:3–5).