Seminera
Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–64 (Fizarana 14)


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–64 (Fizarana 14)

Fitaovana fanomanana ilain’ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pampianaran’ny mpianatra any an-trano

Famintinana ireo lesona isan’andro ho an’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano

Ity famintinana ny zava-nitranga sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ny mpianatra nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–64 (fizarana 14) manaraka ity dia tsy natao ho ampianarina ao amin’ny lesona ataonao. Mifantoka amin’ny vitsivitsy fotsiny amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo ny lesona izay ho ampianarinao. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo loholona nanao ny dia avy tany Missouri nankany Ohio dia nianatra ireo mpianatra fa mety ho very ny fijoroantsika ho vavolombelona raha tsy mizara izany isika. Nahita koa ireo mpianatra fa ny Tompo dia manana ny hery rehetra sy afaka miaro antsika ary isika dia tokony hiankina amin’ny fandanjalanjantsika sy ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mandray fanapahan-kevitra.

Andro 2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63)

Nandritra ny fandalinany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 dia nianatra ireo mpianatra fa manapanga ireo izay tsy mitandrina ny didiny ny Tompo ary mampitony ireo izay mahatoky. Nianatra ireo mpianatra fa ny finoana dia tsy azo avy amin’ny famantarana fa ny finoana no miteraka ireo famantarana, araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Namantatra ireto fahamarinana manaraka ireto ihany koa izy ireo: Raha mijery ny hafa amim-pitsiriritana isika dia tsy hanana ny Fanahy ary handà ny finoana; raha mahatoky sy maharitra isika dia handresy izao tontolo izao; ary ny anaran’i Jesoa Kristy dia masina ary tokony hitandremana ny fampiasana izany.

Andro 3 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–19)

Rehefa nandalina ny tenin’ny Tompo ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanota ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa mangoraka sy mamela ary mamindra fo ny Tompo. Nianatra ihany koa izy ireo fa raha tsy mamela ny hafa isika dia meloka eo anatrehan’ny Tompo ary ny Tompo dia mandidy antsika mba hamela ny olon-drehetra.

Andro 4 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43)

Nandritra ity lesona ity dia nianatra ireo fahafoizan-tena notakian’ny Tompo tamin’ny Olomasina izay nanomboka nanangana an’i Ziona ireo mpianatra. Ny lesona dia manantitrantitra ireto fahamarinana manaraka ireto: Raha manaraka ny sitrapon’ny Tompo ho antsika isika dia tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika Izy; hotahiana isika rehefa mankatò ny Tompo sy manome ny fahafoizan-tena angatahany amintsika; raha mazoto amin’ny fanaovana ny tsara isika dia afaka hanatanteraka zavatra lehibe; ary isika dia tokony hankatò ny Tompo amin’ny fò sy saina vonona.

Fampidirana

Ny fahavaratry ny taona 1831 dia nanara-maso ny fanokanana ny tany izay hananganan’ny Olomasina an’i Ziona tao Independence, Missouri ny Mpaminany Joseph Smith. Nandritra ny fotoana tsy nahateo ny Mpaminany dia nivadika tamin’ny didin’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana sasany ary nanao fahotana goavana. Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny didin’ny Tompo sasany izay namafisiny taorian’ny niverenan’i Joseph Smith tany Ohio—tafiditra amin’izany ny tsy tokony hitsiriritana sy ny tokony hamelana ny hafa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–21

Mampitandrina ireo Olomasina ny Tompo amin’ny vokatry ny faharatsiana sy ny fikomiana

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fiainana ny zavatra hinoantsika amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika? Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

Hazavao fa ny fahavaratry ny taona 1831, rehefa tany Missouri nanokana ny tany sy toerana hisian’ny tempoly tany Ziona i Joseph Smith sy ny mpikamban’ny Fiangonana hafa dia nanao fahotana goavana miafina ny mpikamban’ny Fiangonana sasantsasany. Taorian’ny fiverenan’ny Mpaminany tany Ohio dia nahazo fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 izy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1. Asaivo manaraka ny vakinteny ny rehetra ka hijery ny fomba niantsoan’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ireo andininy ireo. Asao mba hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

  • Ahoana no maha-samy hafa ny hoe miantso ny tenantsika ho vahoakan’ny Tompo amin’ny hoe tena vahoakan’ny Tompo? (Rehefa mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana ity ireo mpianatra dia azonao atao ny manamafy fa Olomasina maro no nanao zavatra betsaka kokoa noho ny fiantsoana ny tenany fotsiny hoe vahoakan’ny Tompo. Nijanona ho mahatoky izy ireo.)

Angataho ny mpianatra mba handalina tsara indray ny andininy 1 sy hitady ny didin’ny Tompo ho an’ireo izay miantso ny tenany ho vahoakany.

  • Inona no irian’ny Tompo hataontsika amin’ny maha vahoakany antsika? (Fintino amin’ny fanoratana ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra: Amin’ny maha vahoakan’ny Tompo antsika dia tokony hanokatra ny fontsika isika ka hihaino ny teniny sy ny sitrapony ho antsika.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manokatra ny fontsika?

  • Ahoana ny fanokafantsika ny fontsika no manomana antsika amin’ny fihainona ny feon’ny Tompo?

  • Inona no zavatra ataonao mba hanokafana ny fonao?

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:2–21 amin’ny fanazavana fa ny Tompo dia niampanga ireo izay tsy nino, nikatsaka famantarana ary nijangajanga sy nanao heloka goavana hafa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16. Asaivo manaraka ny vakinteny ireo mpianatra rehetra kahitady ny fampitandremana nomen’ny Tompo.

  • Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo tao amin’ny andininy 16?

  • Inona no dikan’ny hoe mitsiriritra? (Ny teny hoe mitsiriritra dia midika hoe “mialona olona na maniry fatratra ny hahazo zavatra iray” na olona iray [Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mitsiriritra,” scriptures.lds.org]. Ny mitsiriritra olona iray dia midika fijerena ny vatan’ny olona iray tsy araka ny tokony ho izy na fijerena izany mba hanaitairana ireo fihetsehampo ara-nofo. Tafiditra ao anatin’izany ny pôrnôgrafia.)

  • Inona no fitsipika hitanao amin’ilay fampitandremana avy amin’ny Tompo ao amin’ny andininy 16? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra nefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mitsiriritra ny hafa isika dia tsy hanana ny Fanahy ary handà ny finoana. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra ny hanisiany marika ity fitsipika ity ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny mitsiriritra ny hafa no mahatonga ny olona iray tsy hanana ny Fanahy?

  • Inona no azontsika atao mba handresena ny fakam-panahy hitsiriritra ny hafa?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny tsy fitsiriritana no mety hanomezanao ny mpianatra tsirairay tahadikan’ity torohevitra manaraka avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireo andalan-tsoratra. Rehefa novakiana ny andalan-tsoratra tsirairay dia asaivo hazavain’ny rehetra ny fomba hanampian’ity torohevitra ity antsika amin’ny fandresena ny fakam-panahy hitsiriritra.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ambonin’ny zavatra rehetra aloha dia atombohy amin’ny fisarahana amin’ny olona, na zavatra na toe-javatra izay handratra anao izany. …

“… Raha tsy mendrika ny fandaharana iray amin’ny fahitalavitra, dia piho izany. Raha toy izany koa ny horonan-tsary iray dia mivoaha. Raha misy fiarahana mikororosy fahana mivelatra tsikelikely dia tapaho izany. Maro amin’ireo zavatra misarika ireo no mety tsy tena hoe ratsy aloha amin’ny voalohany, saingy afaka manova ny fahaizantsika mandanjalanja izany sy mamparefo ny fiainam-panahintsika ary mitarika any amin’ny zavatra izay mety ho ratsy.

“Soloy sary feno fanantenana sy fahatsiarovana feno fifaliana ireo eritreri-dratsy. Alaivo sary an-tsaina ny endrik’ireo izay tia anao izay ho potika raha mandiso fanantenana azy ireo ianao. … Na inona na inona eritreritrao, ataovy azo antoka fa “izay nahazo fanasana ihany” no azo ampandrosoana ao am-ponao.

“Amboleo ao aminao ny Fanahin’ny Tompo ary aoka ho any amin’izay misy azy no misy ianao. Ataovy azo antoka fa tafiditra ao anatin’izany ny tokantranonao, ka izany no hamaritra ny karazana zava-kanto sy hira ary haisoratra izay hazoninao ao” (Aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ny fanahiko,”Ensign na Liahona, mey 2010, 45, 46).

Anontanio raha toa misy mpianatra maniry hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny nitahiana azy noho ny fiezahany hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8–19

Mandidy ireo mpanompony mba hifamela ny Tompo

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny asa nampanaovina azy ireo tamin’ny Andro 3 amin’ity fizarana ity izay niezahany mitadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11, izay soratra masina fehezina. Asao ny mpianatra rehetra hiara-hanonona izany mafy. (Afaka mijery ao amin’ny soratra masiny ireo mpianatra raha mila fanampiana.) Anontanio raha toa misy mpianatra maniry hanonona mafy tsy an-kijery ireo andininy ireo ho an’ny mpianatra rehetra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity didy manaraka ity: Ny Tompo dia mandidy antsika mba hamela ny olona rehetra.

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mamela ny olona rehetra, na niala tsiny tamin’ny fahadisoany izany olona izany na tsia?

  • Fa nahoana no manampy antsika ny famelana an’ Andriamanitra hitsara ireo izay nandratra antsika?

  • Tamin’ny fotoana ahoana ianao no voatahy noho ny famelana ny olona iray?

Hazavao fa indraindray isika dia maniry hamela ny hafa nefa sahirana amin’ny famelana ny tenantsika.

  • Nahoana isika no tsy maintsy mamela ny tenantsika?

Tondroy ilay fitsipika voalohany nosoratanao teo amin’ny solaitrabe tamin’ny fiatombohan’ny fotoam-pampianarana: Amin’ny maha vahoakan’ny Tompo antsika dia tokony hanokatra ny fontsika isika ka hihaino ny teniny sy ny sitrapony mikasika antsika. Asao ireo mpianatra handinika raha toa efa nisokatra ho an’ny fitaomana na fahatsapana ny fon’izy ireo nandritra ny fandalinany ny soratra masina androany. Amporisiho izy ireo mba hampihatra ny mety ho fitaomana na fahatsapana raisiny avy amin’ny Tompo ary mojoroa ho vavolombelona fa raha manao izany izy ireo dia ho tonga vahoakan’ny Tompo.

Fizarana manaraka (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65–71)

Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ny fandalinany mandritra ny herinandro ho avy, dia azonao atao ny manasa azy ireo handinika ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no hahafahan’ny vato iray mikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo? Hatraiza no hahafantaran’ny Tompo antsika manokana? Nahoana ireo ray aman-dreny no mahatsapa adidy goavana amin’ny fampianarana filazantsara ny zanany? Inona no fiantraikan’izany ho an’ny ray aman-dreny raha tsy manao izany izy ireo? Ampahafantaro ireo mpianatra fa mandritra ny fandalinany soratra masina ho an’ity herinandro ity dia hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo izy ireo.