Seminera
Lesona 143: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134


Lesona 143

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134

Fampidirana

Ny 17 Aogositra, 1835 dia nivory tao Kirtland, Ohio, ny mpikambana rehetra, mba hidinika momba ireo votoatiny tokony haroso ao amin’ny edisiôna voalohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Satria ny Mpaminany Joseph Smith dia nitsidika ireo Olomasina tany Michigan, dia i Oliver Cowdery no niahy ny fihaonambe. Tao amin’ny fivoriana dia niray feo tamin’ny fifidianana ny Olomasina nifidy ny amin’ny fampidirana ilay filazana nasehon’i Oliver Cowdery mikasika ireo finoan’ny Fiangonana momba ny fitondram-panjakana sy ny lalàna.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1–4

Natsangana ireo andraikitry ny fitondram-panjakana

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo dia mandrafitra firenena vaovao. Manondrò mpianatra iray ho mpitarika ao amin’io fitondram-panjakana vaovao io. Asao io mpianatra io hitondra ny soratra masiny eo anoloan’ny kilasy. Anontanio ilay mpianatra mpitarika izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona ireo lalàna tianao atao manan-kery ho an’ireo olona ao amin’ity firenena vaovao ity mba ho harahin’izy ireo? (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.)

Anontanio ny mpianatra rehetra:

  • Inona no hevitrao mikasika ireo lalàna najoron’ny mpitarika anao? Ahoana no hanarahanao izany amin’ny fomba tsara indrindra ?

  • Inona no tanjon’ny fitondram-panjakana araka ny hevitrao?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 dia mirakitra lahatsoratra iray izay milaza ny finoan’ny Fiangonana mikasika ny fitondram-panjakana sy ny lalàna. Tamin’ny 17 Aogositra, 1835, ho fiomanana farany atao amin’ny fanatontana ny edisiôna voalohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia niahy ny fihaonamben’ny mpikamban’ny Fiangonana i Oliver Cowdery. Nanolotra ilay lahatsoratra izy, ary ireo mpikambana izay nanatrika dia nifidy tamim-piraisam-peo mba hampidirana izany ao amin’ny boky. I Joseph Smith sy i Frederick G. Williams, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia tsy nanatrika ity fivoriana ity. Nitory filazantsara tany amin’ny tananan’i Michigan izy ireo. Rehefa tafaverina izy ireo, dia nomen’i Joseph Smith lalana ny hampidirana ilay lahatsoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana.

Asao ilay mpianatra mpitarika hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra sy hikaroka ny antony nahatsapan’ireo Olomasina fa nilaina ny namoahana ilay fanambarana. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra. Asao ny atsasaky ny kilasy mba hikaroka hoe iza no nametraka ny hoe hisian’ny fitondram-panjakana sy ny tanjona voalohan’ny fitondram-panjakana. Asao ny atsasany hafa mba hikaroka hoe inona no nampiandraiketin’ Andriamanitra an’ireo manam-pahefan’ny fitondram-panjakana. Asao ny vondrona tsirairay mba hitatitra izay hitany. Asao ny mpianatra mba hamantatra ireto fahamarinana manaraka ireo, ary soraty eny amin’ny solaitrabe izany:

Natsangan’ Andriamanitra ny governemanta mba ho tombontsoan’ny olombelona.

Ireo manam-pahefan’ny fitondram-panjakana dia tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra ny amin’ny fisian’ny fiaraha-monina tsara sy azo antoka.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo mpitariky ny fitondram-panjakana miasa ho an’ny fisian’ny fiaraha-monina tsara sy azo antoka?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra, ary hikaroka zo telo izay tokony harovan’ny governemanta ho an’ny olona tsirairay. Alohan’ny hamakin’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe tanana ho dikaina dia midika hoe voaro na tsy dikaina.

  • Araka ny andininy 2, dia inona ireo zo tokony harovan’ireo fitondram-panjakana ho an’ireo olom-pireneny? (“ Ny fananana fieritreretana malalaka, ny zo hanana sy hitantana fananana ary ny fiarovana ny aina.” Azonao atao ny milaza amin’ny mpianatra fa ny Filoha Ezra Taft Benson dia niteny fa “ny aina, ny fahalalahana, [ary] ny fananana no zon’olombelona telo lehibe indrindra” [“Our Divine Constitution,” Ensign, nôv. 1987, 4].)

  • Inona araka ny hevitrao no dikany hoe manana fieritreretana malalaka? Nahoana no manan-danja ny manana fahalalahana eo amin’ny fieritreretana?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka izany vakiteny izany ny mpianatra, ary hikaroka zo iray hafa izay tokony harovan’ny fitondram-panjakana. (Alohan’ny hamakian’ny mpianatra, dia azonao atao ny manazava fa ny teny hoe tompon’andraikitra dia midika hoe misahana adidy ary ny mpitsara tsotra dia mpiasam-panjakana izay mitantana ny lalàna.) Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Nahoana raha araka ny hevitrao no manan-danja ho an’ny olona ny tompon’andraikitra eo imason’ Andriamanitra, fa tsy eo imason’ny fitondram-panjakana, ny amin’ny fomba fampiharan’izy ireo ny finoany?

  • Inona araka ny hevitrao ny dikany hoe manafay ny meloka sy manafay ny hadisoana kanefa tsy manery ny eritreritra na manafoana ny fahalalan’ny fanahy?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:3 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hikaroka zavatra izay azon’ireo olom-pirenen’ny firenena sasantsasany atao mba hanampiana ny fahazoana antoka fa ireo mpitariky ny fitondram-panjakana misy azy ireo dia hampanaja ny lalàna. (Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ilay andininy, dia azonao atao ny manazava fa ny repoblika dia fitondram-panjakana izay hifidianan’ny olona mpitarika izay hisolo toerana azy ireo ary ny mpanjaka dia mpanapaka tsy refesi-mandidy, toy ny mpanjakalahy na mpanjakavavy.)

  • Ahoana no ahafahan’ny “ feon’ny vahoaka” hikatsaka sy hanohana ireo mpitarika tsara? (Raha ilaina dia, hamafiso fa ny andian-teny hoe “ feon’ny vahoaka” dia mifandray amin’ny fombafomban’ ny fifidianana mpitarika.)

Ampatsiahivo ny rehetra ny momba an’ilay mpianatra notendrenao ho mpitariky ny firenena vaovao tamin’ny fiatombohan’ny kilasy. Asao ny iray kilasy hanonona mpianatra maromaro hafa mba hanampy ilay mpitarika. Avy eo dia tariho ny fifidianana iray izay hahafahan’ny kilasy mifidy roa amin’ireo mpianatra izay voatonona. Asao ireo mpitarika vaovao hitondra ny soratra masin’izy ireo ary hiaraka amin’ilay mpitarika voalohany (ilay voatendrinao teo aloha) eo anoloan’ny mpianatra rehetra. Asao ireo mpitarika telo ireo hanazava izay nianaran’izy ireo hatramin’izao mikasika ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha manam-pahefan’ny fitondram-panjakana azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5–6, 8

Napetraka ireo andraikitry ny olom-pirenena

Asao ireo mpianatra telo mba hanao lisitra ny andraikitra sasantsasany tokony hananan’ny olom-pirenena ao amin’ny fireneny vaovao. Asao ny mpianatra iray hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no hevitrareo momba ity lisitry ny andraikitra ity? Inona no hovainao ao amin’io lisitra io?

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5–6 ny mpianatra iray. Asao ny iray kilasy hikaroka ireo andraikitry ny olom-pirenena. (Mandritra ny famakian’ilay mpianatra, dia azonao atao ny mangataka azy hiato tsindraindray mba hahafahanao mamaritra ireto teny manaraka ireto: ny tsy azo esorina dia milaza zavatra tsy afaka miala aminao; ny fiodinana dia milaza fikomiana amin’ireo mpitarika ny fitondram-panjakana; ny fankatoavana dia fanarahana na fanekena; ny resin’ny dia midika hoe nosoloina; ny fikorontanana dia midika hoe tsy fisian’ny lalàna—tsy fisian’ireo fitsipika sy ny governemanta na fikomiana amin’ny fitsipika sy ny governemanta.)

  • Araka ny andininy 5–6, dia inona ireo andraikitsika amin’ny governemanta ao amin’ny firenentsika? (Tokony haneho hevitra mitovitovy amin’ity fahamarinana manaraka ity ireo mpianatra: tokony hanohana ny governemanta any amin’ny toerana hipetrahantsika isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany. Hamafiso fa ao anatin’io fitsipika io ny fiheverana fa ny fitondram-panjakana misy antsika dia mampanaja ireo lalàna izay miaro “ny zontsika voajanahary tsy azo esorina.”)

  • Mampahatsiahy anao an’ny fanekem-pinoana inona io fitsipika io? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky na hanonona ny Fanekem-pinoana faha-12.)

  • Ahoana no ahafahantsika manohana sy manaiky ny ny fitondram-panjakana misy eo amintsika amin’ny maha olom-pirenena antsika? (Ireo valinteny dia mety hahitana fa azontsika atao ny manaja ireo lalàna, mamporisika ny hafa koa mba hanaja izany, manompo eo amin’ny fiaraha-monina, mampiseho fanajana ho an’ireo manam-pahefan’ny fitondram-panjakana, ary mifidy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fahamarinana iray hafa mikasika ny fanohanana ireo fitondram-panjakana sy lalàna dia, apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Araka ny andininy 6, dia inona no tsapan’ Andriamanitra momba ny fankatoavantsika ireo lalàny sy ireo lalàn’olombelona? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia, soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Irian’ Andriamanitra ny hanajantsika ireo lalàny sy ireo lalàn’olombelona.)

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly ny fanontaniana teo aloha, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ny iray kilasy hihaino ny fomba tokony andraisantsika ny lalàn’ny tany rehefa mifanohitra amin’ny finoantsika izany:

Sary
Loholona James E. Talmage

“Raha toa ka misy tsy fifanarahana eo amin’ireo zavatra takina tamin’ny alalan’ny teny nambaran’ Andriamanitra sy ireo izay napetraky ny lalàna tsy araka ny fivavahana, iza amin’ireo fahefana ireo no tsy maintsy ankatoavin’ireo mpikamban’ny Fiangonana? …

“Manoloana ny fanapahan’ [Andriamanitra], izay ambony noho ny rehetra, izay manohana ny fahalalahana ara-pivavahana, dia adidin’ny Olomasina ny haneken’izy ireo ny lalàna eo amin’ny fireneny. Na izany aza, dia tokony hampiasa ny fomba mety rehetra izy ireo, amin’ny maha olom-pirenena na amin’ny maha eo ambanin’ny fitondram-panjakana misy azy ireo tsirairay avy, mba hitandrovana ho azy ireo sy ho an’ny olon-drehetra ny fitahiana entin’ny fahalalahana amin’ny fanompoana ara-pivavahana. Tsy takiana amin’izy ireo ny hiaritra tsy amim-panoherana [ireo] fitakian’ny mpampijaly tsy manara-dalàna, na amin’ny fanatanterahana lalàna tsy rariny; fa ny fanoheran’izy ireo kosa dia tokony atao ara-dalàna sy manaraka ny lamina tokony ho izy. Ny Olomasina dia tena efa nampiseho ny faneken’izy ireo ilay fotopampianarana fa tsara kokoa ny miaritra ny ratsy toy izay hanao ratsy noho ny fanoherana ny fahefana tsy ara-drariny araka ny maha-olombelona tsotra izao” (The Articles of Faith, ed. Faha-12 [1924], 422, 423]).

Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ireo olona izay fantatr’izy ireo fa manaja ireo fitsipiky ny fanohanana sy fanekena ny fitondram-panjakana sy ny lalàna ireo. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba faneken’ireo olom-pirenena ireo ny fitondram-panjakana. Asao ny mpianatra avy eo mba handray an-tsoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay hataony mba hanohanany sy hanekeny ny fitondram-panjakana sy ny lalàna.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:8 amin’ny fanazavana fa ireo fitondram-panjakana dia manana andraikitra ny hanasazy ireo meloka ary ireo olom-pirenena dia manana andraikitra ny hanampy mba “hitondrana ireo mpandika ny lalàna tsara ho amin’ny famaizana.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:7, 9–10, 12

Ny fifandraisana eo amin’ny finoana sy ny fitondram-panjakana dia voafaritra

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134: 7, 9–10, 12 amin’ny fanazavana fa i Oliver Cowdery dia nanoratra fa ireo fitondram-panjakana dia tokony hametraka lalàna izay miaro ny fampiharana ny fivavahana fa tsy tokony hanome vahana fikambanam-pivavahana iray amin’ny iray hafa anefa izany. Fanampin’izany, dia nanoratra izy fa ireo fikambanam-pivavahana dia manana zo hanitsy ireo mpikambana ao aminy noho ny fitondran-tenany tsy mendrika amin’ny fanalàna azy tsy ho mpikambana intsony amin’ny fanaisorana ny zo maha-mpikambana hananany, fa izany fikambanana izany dia tsy manana fahefana anefa ny hitsara na hampihatra sazy izay mety handrobana ny fananany na handratra azy ara-batana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:11

Nazavaina ny zo hiantso fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134: 11 amin’ny fanazavana fa araka io andininy io, dia afaka mangataka “fanarenana” avy amin’ny fitondram-panjakana misy azy ireo ny olom-pirenena raha toa nisy hadisoana natao taminy. Ny teny hoe fanarenana dia midika hoe mamerina ny zavatra iray ho amin’ny rariny. Ao amin’io andininy io ihany koa ny filazana fa ireo olom-pirenena dia voamarina raha miaro ny tenany sy ny hafa izy ireo rehefa ilaina maika izany sy rehefa tsy afaka manampy ny fitondram-panjakana.

Asao ny mpianatra hizara ireo zavatra nankafiziny mikasika ny fireneny na ny fiaraha-monina misy azy. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanohanana sy fanekena ny fitondram-panjakana sy ny lalàna.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5. Fanohanana sy fanekena ny fitondram-panjakana

Ny Filoha Howard W. Hunter dia nanao izao fanambarana manaraka izao:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Isika nomena andraikitra ny hanohana sy hanaiky ireo lalànan’ny tany. Tsy fahamarinan-toetra ny minia mandika ny lalàna. Tsy manova na inona na inona ny fahatsapan’ny olona iray manokana mikasika ny maha-rariny na ny fahamarinan’ireo lalàna izay natsangan’ny fiaraha-monina,fa ny adidin’ny olona dia ny manaja sy manohana ny lalàna” (ao amin’ny The teachings of Howard W. Hunter, ed. Clyde J. Williams [1997], 164).

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Ireo lalàna faratampony eo amin’ny fanjakana dia tokony hotohanana, ary ireo olona miaina eo ambanin’ireo lalàna ireo dia tokony hanaja izany ho tombontsoan’ny rehetra. Mametraka tsara ny toerany amin’izany Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Iray amin’ireo fitsipika fototry ny finoany no voalaza mazava tsara amin’ireto teny ireto: ‘Mino ny fanoavana ny mpanjaka isika, ny filoha, ny mpanapaka ary ny mpitsara amin’ny fankatoavana, ny fanajana ary ny fanohanana ny lalàna’ [Fanekem-pinoana 1: 12” (The Teachings of Howard W. Hunter, 165).