Seminera
Lesona 59: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–55


Lesona 59

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–55

Fampidirana

Tamin’ny volana jona 1831 dia naharay ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53–55 ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo fanambarana ireo dia mirakitra ireo torolalana nomen’ny Tompo ho an’ireo mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana izay nipetraka tany Ohio, kanefa hifindra tany Missouri afaka fotoana fohy taorian’izay. Ao amin’ireo fanambarana ireo ny Tompo dia niresaka tamin’i Sidney Gilbert sy i Newel Knight ary i William W. Phelps, ka nanome azy ireo torolalana izay mahakasika manokana ny antson’izy ireo tao am-piangonana sy ny talentan’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 53

Niantso an’i Sidney Gilbert ny Tompo mba ho lasa loholona sy handeha hiaraka amin’i Joseph Smith ho any Missouri

Asao ho eny aloha ny ny mpianatra roa. Asao ny mpianatra iray hampianatra ilay iray hafa ny fomba fanaovana asa iray. Ohatra, ilay mpianatra iray dia mety hampianatra ilay iray hafa hamatotra karazana vona iray, na hamoritra fiaramanidina taratasy iray, na haneho karazan-dihy iray. (Raha azo atao dia asao mialoha ny mpianatra iray mba hiomana hampianatra talenta iray.)

  • Nahoana no manan-danja ny nanarahan’ilay mpianatra ireo toromarika rehetra tao anatin’io fanehoan-javatra io? Inona no ho nitranga raha nanapa-kevitra ny tsy hiraharaha ampahany iray tamin’ireo toromarika izy?

Ampahatsiahivo an’ny mpianatra fa niantso misiônera maromaro ny Tompo mba handeha ho any Missouri (jereo ny F&F 52). Hazavao fa ny mpikambana vaovao iray tao amin’ny Fiangonana izay nanana anarana hoe Sidney Gilbert dia nahita fa tsy voatonona ho isan’ireo misiônera ireo izy. Nandeha tany amin’ny Mpaminany Joseph Smith izy dia nanontany ny zavatra tian’ny Tompo ho ataony. Nanontany i Joseph ka dia nahazo ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53 izay manome torolalana ahitana dingana vitsivitsy hoenti-manomboka ho an’i Sidney.

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa tsiroaroa isanisany hiara-hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53:1–5 mba hitady ireo torolalana nomen’ny Tompo an’i Sidney Gilbert. Amporisiho izy ireo hanisy marika ny torolalana tsirairay izay hitany.

  • Inona avy ireo torolalana nomen’ny Tompo an’i Sidney Gilbert? (Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia mety hanampy ny manazava fa ilay antso nomena an-dRahalahy Gilbert ho “mpandraharaha ho an’ny fiangonana” dia hazavaina feno kokoa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:6–10, 15.)

Hazavao fa ny Tompo dia niantso io lisitry ny torolalana io hoe “ireo … ôrdônansy voalohany izay horaisin’i Sidney” (F&F 53:6). Ilay teny hoe ôrdônansy indraindray dia iantsoana fitsipika na lalàna iray. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53:6 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny fotoana hanomezan’ny Tompo an’i Sidney ny ambiny (“sisa”) amin’ireo torolalana avy Aminy.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny andininy 6? (Toroy hevitra ny mpianatra hampifandray io andininy io amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:4–5. Mety ho tadidin’ny mpianatra ny nitady ity fitsipika manaraka ity tao amin’ny lesona teo aloha: Rehefa manaraka amim-pahatokiana ireo torolalana avy amin’ Andriamanitra isika dia manambara bebe kokoa ny sitrapony amintsika Izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54

Manome torolalana ireo Olomasina ao Colesville ny Tompo mba hiala ao Thompson, Ohio, ka hifindra any Missouri

Hazavao fa tamin’ny volana aprily 1831 dia nitarika vondron’Olomasina avy any Colesville, New York i Newel Knight mba hiara-hivondrona amin’ireo Olomasina tany Ohio. Ny volana mey ny Mpaminany Joseph Smith dia nanome torolalana ny Eveka Edward Partridge mba hanome toerana hipetrahana ho an’ireo Olomasina ireo tao Thompson, Ohio, izay tany efa nanaovan’i Leman Copley fanekena teo aloha fa hatolony ho an’izany tanjona izany. Namboly masomboly tao ry zareo ary nanomboka nanao fanatsarana ilay tanàna. Kanefa na dia niara-niasa aza izy ireo hanatsara ilay tany dia nanomboka tia tena sy matimatin-karena. Niharatsy ny toe-javatra niseho rehefa niverina avy nanao asa fitoriana avy any amin’ny Shakers i Leman Copley ka nanomboka niahiahy mikasika ny finoany (jereo ny F&F 49 sy ny lesona 56). Nolaviny ny fijoroana ho vavolombelona efa nitombo izay nananany mikasika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ka dia nodidiany hiala teo amin’ilay tany ireo Olomasina. Nasainy nandoa vola 60 dôlara koa izy ireo. Noho i Leman nivadika tamin’ny fanekena nataony dia tsy nanana toerana nipetrahana intsony ireo Olomasina ireo tamin’izay. I Newel Knight sy ireo hafa dia nanontany ny Mpaminany ny amin’ny zavatra tokony hataon’izy ireo. (Jereo ny Documents, Volume 1: June 1828–June 1831, vol. 1 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 334–335.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:1–3 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny zavatra nilain’ireo Olomasina natao mba hanatsarana ny toe-javatra niainan’izy ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no hanampy ireo Olomasina ireo ny fibebahana sy ny fanetrentena?

Hazavao fa tsy faly tamin’ireo Olomasina tao Thompson izay nandrava ny fanekempihavanana nataony ny Tompo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:4–5 ka hitady ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Tompo hamaritana ny zavatra mitranga rehefa rava ny fanekempihavanana iray.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe “nanjary foana … ary tsy manan-kery” ny fanekempihavanana iray? Inona avy ireo fitahiana ariantsika rehefa tsy mitana ireo fanekempihavanana nataontsika isika?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:6 mba hitady fitahiana iray izay azontsika rehefa mitana ireo fanekempihavanana nataontsika isika ary mankatò ny didy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Mety holazain’ny mpianatra amin’ny fomba hafa izany, kanefa tokony hilaza ity fitsipika manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Raha mitana ny fanekempihavanana nataontsika sy mitandrina ny didin’ny Tompo isika dia hahazo famindram-po. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.

  • Oviana ianareo no nahita fa manome ny famindram-pony amin’ireo izay mitana ny fanekempihavanana nataon’izy ireo taminy ny Tompo?

Amporisiho ny mpianatra hitana ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa sy hankatò ny didy mba hahafahany mahazo famindram-po avy amin’ny Tompo.

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:7–9 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa very fonenana teo amin’ny tanin’i Leman Copley ireo Olomasina dia nodidian’ny Tompo izy ireo ho any Missouri. Nasaina nanendry olona iray izy ireo handoa izay lany rehetra eny an-dalana. Nilaza ny Tompo fa raha vao tonga ao Missouri izy ireo dia hiasa ho an’ny fivelomany ao mandra-pahatongan’ny fotoana hanomanan’ny Tompo toerana hipetrahana ho azy ireo.

Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ny fihetsika tian’ny Tompo hasehon’ireo Olomasina ireo manolona ny fitsapana nahazo azy ireo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 54:10. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny torohevitra nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina ireo.

  • Araka ny traikefa anananareo dia inona avy ireo fitahiana sasantsasany izay azontsika rehefa “miaritra amin’ny fahoriana” isika?

  • Iza no nolazain’ny Tompo fa “hahita fitsaharana ho an’ny fanahiny”? (Asao ny mpianatra hamaly io fanontaniana io amin’ny fehezan-teny miendrika “raha–dia”. Rehefa mamaly ilay fanontaniana izy ireo dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity: Raha mikatsaka fatratra ny Tompo isika dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahintsika.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe mahita fitsaharana ho an’ny fanahintsika dia vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Per G. Malm ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Per.G. Malm

“Tafiditra ao anatin’ny fahitana fitsaharana ho an’ny fanahintsika ny fiadana-tsaina sy ny fiadanam-po, izay vokatry ny fianarana sy ny fanarahana ny fotopampianaran’i Kristy” (“Fitsaharana ho an’ny fanahinareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 101).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ny hevitry ny hoe mikatsaka fatratra ny Tompo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mikatsaka fatratra ny Tompo? (Ireo valinteny dia mety ahitana fa izany dia midika hoe mikatsaka Azy mialoha eo amin’ny fiainantsika, izany dia midika hoe mikatsaka Azy vao maraina isan’andro, ary izany dia midika hoe mikatsaka ny fanampiany alohan’ny hahatongavan’ireo fitsapana eo amin’ny fiainantsika.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mahita fitsaharana ho an’ny fanahintsika isika rehefa mikatsaka fatratra ny Tompo?

  • Inona no maha-hafa ny mikatsaka fatratra ny Tompo mialoha ny fotoam-pahoriana toy izay ny mikatsaka Azy mandritra ny fotoam-pahoriana?

Asao ny mpianatra hanoratra ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eo amin’ny solaitrabe na manomana azy ireo amin’ny taratasy kely hozaraina :

  • Ahoana no fomba ahafahanareo mikatsaka fatratra ny Tompo alohan’ireo fitsapana izay mety ho tonga eo amin’ny fiainanareo any aoriana?

  • Inona no azonareo atao mba hikatsahana fatratra ny Tompo isan’andro?

  • Inona no azonareo atao mba hikatsahana fatratra ny Tompo amin’izao fotoana izao dieny mbola zatovo ianareo?

Rehefa avy nomena fotoana hanoratana ireo mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny eritreriny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55

Miantso an’i William W. Phelps ny Tompo mba hanampy tamin’ny fanoratana sy ny fanontana ireo bokin’ny Fiangonana

Angataho mialoha ny mpianatra iray mba hanoman-tena haneho talenta na fahaiza-manao rehefa tonga ao am-pianarana izy. Ataovy izay hahazoana antoka fa manasa ny Fanahy ny zavatra hasehon’ilay mpianatra. Na asao ny mpianatra hitanisa eo amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo talenta sy fahaiza-manao hitan’izy ireo teo amin’izy samy izy. Dia antsoy amin’ny anarany avy eo ny mpianatra iray ka apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no tsy mitovy amin’ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra hafa ao an-dakilasy ny talenta sy ny fahaiza-manao anananareo?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no nomena ireo talenta sy fahaiza-manao ireo ianareo?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny sasintenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55 mba hitady ny iray amin’ireo fahaiza-manao nananan’i William W. Phelps. Asaivo milaza ny zavatra hitany izy ireo.

Hazavao fa nividy Bokin’i Môrmôna iray i William W. Phelps afaka roa herinandro taorian’ny namoahana izany mba hamidy. Nitarika azy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana izany. Hoy izy taty aoriana hoe: “Na dia tsy natao batisa tato amin’ity Fiangonana ity aza ny vatako raha tsy tamin’ny … volana jona 1831 dia efa tao ny foko hatramin’ny fotoana nahafantarako ny votoatin’ny Bokin’i Môrmôna” (ao amin’ny Documents, boky 1: jona 1828–jona 1831, 337). Tamin’ny 14 jona 1831, fotoana fohy taorian’ny nahatongavan-dRahalahy Phelps tao Kirtland, dia naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55 ny Mpaminany Joseph Smith.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55:4 ary asao ny mpianatra rehetra hitady talenta iray hafa izay nananan’i William W. Phelps. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Dia asao avy eo ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55:5 ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny toerana niantsoana an-dRahalahy Phelps mba hanaovany ilay asa fanoratana sy fanontana boky. (Nanome torolalana azy handeha hiaraka amin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon hankany Missouri ny Tompo.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka mampiasa ny talentantsika sy ny fahaiza-manaontsika Andriamanitra mba hitahiana ireo zanany.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanareo an’ Andriamanitra nampiasa ny talenta sy ny fahaiza-manao nananan’ny olona mba hitahiana ireo zanany?

Asao ny mpianatra hieritreritra talenta na fahaiza-manao iray ananan’izy ireo sy ny fomba azon’izy ireo ampiasana izany fahaiza-manao izany mba hanampiana ny hafa sy hampandrosoana ny asan’ny Tompo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny hevi-baovao ananany.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny firesahana ireo fotopampianarana sy fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifidy fahamarinana iray ka hizara ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo sy ny zavatra tian’izy ireo hatao mba hampiharana izany feno kokoa eo amin’ny fiainany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55. Ireo anjara biriky nentin’i William W. Phelps tato amin’ny Fiangonana

I William W. Phelps no nanangana ny orinasa voalohany fanontana gazety ho an’ny Fiangonana tao Missouri. Namoaka ny gazety an-tsoratra voalohany an’ny Fiangonana izy, dia ny Evening and the Morning Star. Nanampy tamin’ny fanambarana sy ny fanomanana ary ny famoahana ireo fanambarana tao amin’ny Bokin’ny Lalàna izy tamin’ny taona 1833 ary ny fanontana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana tamin’ny taona 1835 taty aoriana. Nanampy tamin’ny fanomanana ny fihirana voalohany an’ny Fiangonana izy ary nanoratra ny tonon’ny hira maro ao amin’ny Fihirana, anisan’izany ny “Fanahin’ny ray,” izay nohiraina tamin’ny fanokanana ny tempolin’i Kirtland. Nanome 500 dôlara izy mba hanampiana tamin’ny famitana ny tempoly.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 55:6. Ireo anjara biriky nentin’i Joseph Coe tato amin’ny Fiangonana

I Joseph Coe, izay mpikambana tany am-piandohan’ny Fiangonana tao New York, dia tonga tao Kirtland tamin’ny taona 1831. Nandeha tany Missouri niaraka tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon izy ka nandao an’i Kirtland tamin’ny 19 jona 1831. Taty aoriana, rehefa tonga tao Kirtland indray, dia notendrena ho talen’ny fandraharahana an’ny Fiangonana izy. Nanara-maso ny fividianana tany izy tamin’ny taona 1833, tao anatin’izany ny tany fambolena sy fiompiana an’i Peter French izay nirefy 41,68 hektara, izay ho toerana hananganana ny Tempolin’i Kirtland. Nantsoina hanatrika ny filankevitra avo natao tao Kirtland izy tamin’ny volana febroary 1834. Tamin’ny volana jolay 1835 dia nanampy tamin’ny fividianana ireo faty maina Egyptiana sy ireo papiriosy izy, izay nahatonga an’i Joseph Smith ho afaka namoaka ny bokin’i Abrahama.