Seminera
Lesona 12: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10


Lesona 12

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10

Fampidirana

Taorian’ny fahaverezan’ireo takila 116 tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana dia tsy nanana ny hery handikana teny ny Mpaminany. Naverina tamin’i Joseph ireo takelaka sy ny Orima sy Tomima taorian’ny fotoana nanaovana vavaka sy fibebahana tamim-panetrentena. Nodidian’ny Tompo i Joseph mba tsy hamerina handika ilay ampahan’ireo takelaka nifanandrify tamin’ireo takila 116 very, ary nambarany ny tetik’i Satana hamongorana ny asan’ Andriamanitra. Dia nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba handika ireo takelaka kelin’i Nefia. Nohazavainy ihany koa ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna sy ny anjara asan’izany amin’ny fananganana ny Fiangonany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–4

Naverin’ny Tompo indray tamin’i Joseph ny fanomezam-pahasoavana handika teny

Angataho ny mpianatra mba hamerina vetivety ny zavatra nianarany avy tamin’ny lesona teo aloha momba ny fahaverezan’ireo takila 116 tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana (jereo nyF&F 3). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nalain’i Môrônia tamin’i Joseph Smith ireo takela-bolamena sy ny Orima sy Tomima noho ny fangatahana misesisesy nataon’ny Mpaminany mba hamelana an’i Martin Harris hitondra ireo pejy natao sora-tanana ka niteraka ny fahaverezan’ireo takila ireo.

Namerina ireo takelaka sy ny Orima sy Tomima i Môrônia taty aoriana. Nahazo ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10 i Joseph Smith fotoana vitsivitsy taorian’ny namerenana izany. Nanome torolalana an’i Joseph ny Tompo tato anatin’ity fanambarana ity mikasika ny zavatra hatao amin’ilay ampahan’ny takelaka izay nahazoana ilay dikanteny natao sora-tanana. (Jereo ny Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 133–36.)

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–2 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampahatsiahivin’ny Tompo an’i Joseph ny antony nanesorany taminy ny hery handikana teny sy ny zavatra nitranga vokatry ny fahadisoana nataony. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:3–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny toromarika nomen’ny Tompo rehefa nanomboka nandika teny indray i Joseph Smith. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nila notoroana hevitra mba tsy hiasa na handika mihoatra noho ny tanjaka ananany i Joseph Smith?

  • Ahoana no ahafahan’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:4 mitarika antsika eo am-panompoantsika ny Tompo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5–37

Mampitandrina momba ny drafitr’i Satana handringanana an’i Joseph Smith sy ny asan’ Andriamanitra ny Tompo

Mampisehoa fandrika iray (na manaova sarin’ izany eo amin’ny solaitrabe).

Sary
sarina fandri-boalavo
  • Ahoana no ahafahan’ny fitaovana toy ity maneho ny fikasan’i Satana amintsika?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5. Asao ny mpianatra hitady ny zavatra nandidian’ny Tompo ny Mpaminany mba hataon’i Joseph Smith handosirana an’i Satana.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io? (Mety hahita karazana fitsipika maro ny mpianatra, saingy ataovy izay hanantitranteranao fa rehefa mivavaka foana isika dia hanana hery handresena an’i Satana sy ireo izay manompo azy. Azonao atao ny manoratra izany fitsipika izany eny amin’ny solaitrabe .)

  • Ahoana ho fomba hanampian’ny vavaka antsika mba “handresy an’i Satana, sy … handositra … [ireo izay] manohana ny asany”?

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ohatra maneho ny fomba nanampian’ny vavaka azy ireo hanohitra ny fakam-panahin’i Satana. (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hizara zavatra mahakasika be loatra ny tenany manokana na tsiambaratelo.)

Hazavao fa nampitandrina an’i Joseph ny Tompo momba ny fandrika iray izay napetrak’i Satana mba handringanana ny Mpaminany sy ny asan’ Andriamanitra. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:8–19. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hamantatra ny drafitr’ireo olona ratsy fanahy izay nanana ilay dikanteny natao sora-tanana.

  • Inona no tetik’ireo olona ratsy fanahy izay nanana ilay dikanteny natao sora-tanana? (Mba hanaratsiana ny Mpaminany sy ny asan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanovana ireo teny tao amin’ilay dikanteny natao sora-tanana. Raha namerina nandika ireo takila i Joseph dia ho nolazain’izy ireo hoe tsy afaka nandika izany indroa mitovy izy ka dia tsy nanana fanomezam-pahasoavana noho izany.)

Ampiakaro ambony ilay fitaovana enti-mamandrika izay nasehonao teo aloha (na asehoy ilay sary eo amin’ny solaitrabe). Hazavao fa ny Tompo dia miresaka momba ny hery ananan’i Satana eo amin’ireo olon-dratsy izay nahazo ireo takila 116 tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana sy ny fomba anatanterahan’i Satana ireo tanjona ratsiny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29. Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy. Asaivo mamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29 ny mpinamana tsirairay, hitady ireo andininy izay mampianatra momba ireo tanjon’i Satana. Asaivo mamaky ireo andininy ireo ihany ny mpianatra hafa, hitady ireo tetikady ampiasain’i Satana mba hanatontosana ny tanjony. Rehefa ampy ny fotoana nanaovany izany dia asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra hitan’izy ireo niaraka tamin’ireo namany niara-niasa taminy.

  • Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny tanjon’i Satana? (Mety hahita fitsipika samihafa ny mpianatra kanefa ataovy izay hamantarany izao fahamarinana manaraka izao: Maniry ny hanimba ny asan’ny Tompo sy ny fanahintsika i Satana. Azaonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny andininy 22–23 ary 27.)

  • Araka ny zavatra novakianao tao amin’ireo andininy ireo, ahoana no fomba hikatsahan’i Satana ny fandravana ny asan’ny Tompo sy ny fanahintsika?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe izany fahamarinana izany dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao ireo mpinamana tsiroaroa mba hifanakalo hevitra momba ny valintenin’izy ireo.

  • Inona no porofo hitanao fa mampiasa famitahana, fahatezerana , fandokandokafana, ary fandaingana i Satana mba handringanana ny asan’ny Tompo sy ny fanahintsika?

  • Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ny fanirian’i Satana amin’ny fialana sy fitsoahana ny fandrika apetrany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba haka minitra vitsivitsy hanoratra ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina momba ireo fomba fanaon’ny fahavalo izay voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29 ka efa tsapa na hitan’izy ireo. Angataho ihany koa izy ireo mba hanoratra momba ny zavatra azon’izy ireo atao mba hialana na hitsoahana ny fandrik’i Satana.

Rehefa nahazo fotoana ampy tsara hanoratana izany ny mpianatra dia fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana10:30–37 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandidy an’i Joseph tsy hamerina handika ilay ampahan’ny takelaka nahazoana ireo takila 116 izay voadika ny Tompo noho ny tetik’ireo olon-dratsy mba handringana ny asan’ Andriamanitra sy ny lazan’i Joseph Smith.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–45

Nandidy an’i Joseph Smith mba handika ireo takelaka kelin’i Nefia ny Tompo

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–42. Angataho ny mpianatra mba hitady ny zavatra nodidian’ny Tompo mba hadikan’i Joseph teo amin’ny toeran’ny fandikana indray ilay ampahan’ireo takelaka izay nandikana ireo takila 116 very.

  • Inona no nodidian’ny Tompo mba hadikan’i Joseph? Nahoana?

Ampio ny mpianatra mba hahatakatra ny fomba niomanan’ny Tompo tamin’ny fahaverezan’ireo takila 116 natao sora-tanana. Hazavao fa nahitana ny fandikana ny bokin’i Lehia, izay famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehiben’i Nefia, ilay antontan-taratasy very. Notaomin’ny Fanahy i Môrmôna mba hametraka miaraka ireo takelaka kelin’i Nefia tamin’ny rakitsorany noho ny “fikasana hendry” izay tsy takany tamin’izany fotoana izany (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:3–7). Saika nahafaoka ny fotoan’ny bokin’i Lehia ireo takelaka kelin’i Nefia. Nodidin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba handika ireo boky avy tamin’ireo takelaka kelin’i Nefia taorian’ny fahaverezan’ireo takila 116.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:43 ka hitady fahamarinana manan-danja iray izay tian’ny Tompo ho takatr’i Joseph Smith. (Eo am-pizaran’ny mpianatra ny heviny dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Lehibe noho ny hafetsen’ny devoly ny fahendren’ Andriamanitra. Azonao hazavaina fa ny hafetsena dia milaza ny fampiasana fandrika mba hamitahana ny olona.)

  • Ahoana no hanehoan’ny drafitry ny Tompo mba hanoloana ireo sora-tanana very izany fahamarinana izany?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:44–45, hitady ny porofon’ilay fahamarinana ao amin’ny andininy 43.

  • Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:44–45, nahoana ireo takelaka kelin’i Nefia no manan-danja bebe kokoa noho ireo izay very niaraka tamin’ireo takila 116 natao sora-tanana?

  • Manampy anao mba hahatoky Azy bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa nanomana fomba iray hanonerana ireo takila 116natao sora-tanana very Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:46–70

Manazava ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna sy ny anjara asan’izany ao amin’ny fanorenana ny Fiangonany ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:46–61 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nijoro ho vavolombelona ny Tompo ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa namaly ny vavaky ny Nefita Izy tamin’ny alalan’ny fitehirizana sy famoahana ny Bokin’i Môrmôna amin’izao androntsika izao.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:62–63. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, hitady ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hoentin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny mazava.

  • Inona no hoentin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny mazava? (Ireo lafiny marina amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.)

  • Araka ny andininy 63, ahoana no hampiasan’ny Tompo ireo lafiny marina amin’ny fotopampianarany mba handresena ny asan’i Satana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampanantenana namaranan’ny Tompo izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:67, 69–70. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ireo andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo araka ny zavatra nianarany androany. Asao ny mpianatra mba hizara ireo andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo sy ny anton’izany. Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:45. “Mitondra fahalalana bebe kokoa momba ny filazantsarako”

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa mihoatra ny fanonerana ny fahaverezan’ireo takila 116 tamin’ilay dikanteny natao sora-tanana ny “fikasana hendrin’ny” Tompo (jereo ny 1 Nefia 9:5; Tenin’i Môrmôna 1:7) tamin’ny nandidiany mba hanoratra sy hitahiry ireo takelaka kelin’i Nefia:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mino aho fa misy fikasana hendry kokoa noho izany [fanonerana ny fahaverezan’ireo takila 116], na, raha ny marina kokoa, fikasana hendry ao amin’ izany. Ny fomba hahafantarana ny fanolorana fikasana hendry kokoa toy izany dia ao amin’ny andininy 45 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10. Rehefa nananatra an’i Joseph mikasika ny ambaratongam-pandikana teny sy fampidirana ilay boky avy tao amin’ireo takelaka kely izay nanjary ho fiantombohan’ny fandikana ireo takelaka lehibe voafintina ny Tompo dia niteny hoe: ‘Indro, misy zavatra maro voasokitra [eo] amin’ny takelaka kelin’i Nefia, izay mitondra fahalalana bebe kokoa momba ny filazantsarako’ (nampiana fanamafisana).

“Koa, mazava fa, izany dia tsy zavatra iray izay nomena anao na natao ho anao ho valin’ny zavatra iray izay nomenao na nataonao ho an’ny olon-kafa tao amin’ny fampandrosoana ny famaranana ny famokarana ny Bokin’i Môrmôna. Tsy resaka ady varotra izany—omenao takila 116 natao sora-tanana aho dia omeko takila 142 amin’ny lahatsoratra natao printy ianao. Tsia! Nahazo betsaka noho ny nariantsika isika. Ary fantatra hatrany am-piandohana fa izany no ho fisehony. Natao ho an’ny fikasana hendry izany. Tsy fantatsika mazava hoe inona no tsy fantatsika tao amin’ireo takila 116, saingy fantatsika fa ny zavatra azontsika teo amin’ireo takelaka kely dia ireo fanambarana an’ny tena manokana nataon’ny vavolombelona telo lehibe, telo amin’ireo feon’ny Fotopampianarana lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no ilay Kristy. …

“Maniry mafy isika mba hanana ireo tenivavolombelona mazava sy sarobidy rehetra izay nesorina tao amin’ny rakitsoratry ny Baiboly. Kanefa amin’ny maha-mpamaky ny Bokin’i Môrmôna antsika dia manana an’i Nefia sy Jakôba ary Isaia isika farafahakeliny mba hiresaka amintsika mivantana momba ny Mpamonjy talohan’ny nahaterahany amin’ny maha-vavolombelona nahita-maso azy ireo. Mpandray fanambarana mahatalanjona izy ireo mikasika ny fiainany sy ny asa fanompoany ary mikasika ny fifandraisan’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana amin’ny Zanak’Isiraely, fahiny sy maoderina. …

“Mieritreritra aho hoe tena mampientanentana raha toa ka haverina ireo takila 116 natao sora-tanana indray andro any, kanefa raha aterina ao amin’ny biraoko izany rahampitso, dia tsy hatakaloko na oviana na oviana amin’ireo boky tao amin’ireo takelaka kelin’i Nefia, noho ny ‘fahalalana bebe kokoa’ nomena tamin’ny alalan’ireo mpaminany mpiambina lehibe izay mijoro eo amin’ny vavahadin’ilay boky. Koa teneno ny mpianatrareo mba hitsahatra amin’ny fitarainana ka hamaky anisan’izany ny Isaia” (“A Standard unto My People” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra eo anivon’ny DFF, 9 Aog. 1994], 7–9, LDS.org).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–45. Ny Bokin’i Lehia

Sary
Mpaminany Joseph Smith

I Joseph Smith, ao amin’ny sasin-tenin’ny Bokin’i Môrmôna navoaka voalohany, dia namaritra ny loharano izay nandikana ireo takila 116 natao sora-tanana: “Izaho Joseph Smith dia nandika, tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra, ary nampanoratra takila enina ambin’ny folo amby zato, izay nalaiko avy tao amin’ny Bokin’i Lehia, izay tantara nofintinana avy tao amin’ireo takelak’i Lehia, tamin’ny alalan’ny tanan’i Môrmôna; ary io tantara voalaza io dia nangalarin’olona sy nafenina tamiko izany fitantarana izany na dia teo aza ny ezaka lehibe araka izay izay faran’ny mba hakana izany indray” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 63).