Seminera
Lesona 84: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81


Lesona 84

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81

Fampidirana

Tamin’ny 8 Martsa 1832 dia niantso an’i Jesse Gause sy Sidney Rigdon ho mpanolotsain’i Joseph Smith ny Tompo. Herinandro taorian’izay, ny 15 Martsa 1832 dia nanome ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81 ny Tompo. Tao anatin’io fanambarana io dia nanoritsoritra ny anjara asan’ny mpanolotsain’ny Filohan’ny Fiangonana Izy ka nanasongadina ny fitahiana ho an’ireo izay mahatoky ao amin’ny asa fanompoany. Tsy nitoetra ho mahatoky i Jesse Gause ka niantso an’i Frederick G. Williams, izay voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81 ankehitriny ny anarany, ny Tompo mba haka ny toeran’ny Rahalahy Gause tao amin’ny Fiadidiana. Tamin’ny fotoana nandraisana ity fanambarana ity dia nantsoina hoe Fiadidian’ny Mpisorona Avo ny Filohan’ny Fiangonana sy ny mpanolotsainy. Nanomboka tamin’ny 1834 dia nantsoin’ny fanambarana hoe Fiadidiana Voalohany ny Filoha sy ny mpanolotsaina azy (jereo ny F&F 102:26–28).

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:1–7

Nanoritsoritra ny anjara asan’ny mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana:

Nahoana isika no omen’ny Tompo antso ao amin’ny Fiangonany?

Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ny antso?

Inona no mitranga raha misy olona iray misafidy ny tsy hanatanteraka amim-pahatokiana ny antsony?

Atombohy amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hamaly ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny manazava ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity fa na dia mety mahazo fitaomam-panahy hiantso ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana ho amin’ny toerana iray aza ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia miankina amin’ilay olona izay mandray ilay antso ny fanapahan-kevitra hanaiky sy hanatanteraka amim-pahatokiana izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ohatra mikasika ny olona iray izay nantsoin’ny Tompo nefa tsy nahatoky tamin’ny antsony.

  • Iza no nantsoin’ny Tompo ho mpanolotsain’i Joseph Smith tao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo tany am-boalohany?

  • Nahoana no nanary ny antsony i Jesse Gause?

Hazavao fa i Jesse Gause no nantsoina ho mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo tamin’ny volana Martsa 1832. Ny 1 Aogositra 1832 dia nandeha nanatanteraka asa fitoriana niaraka tamin’i Zebedee Coltrin izy. Nandritra io asa fitoriana io dia nitsidika ny vadiny Rahalahy Gause ka niezaka nandresy lahatra azy mikasika ny fahamarinana kanefa nandà ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana izy. Fotoana fohy taorian’izay dia lasa narary mafy Rahalahy Coltrin ka niverina tany Kirtland. Indrisy fa tsy nahavita ny asa fitoriany Rahalahy Gause ary tsy nijanona ho mahatoky tao amin’ny Fiangonana.

  • Araka ny voalazan’ny fampidirana ny fizarana dia iza no nantsoin’ny Tompo hanolo an’i Jesse Gause?

Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ity andian-teny manaraka ao amin’ny fampidirana ny fizarana ity: “Tokony horaisina ho toy ny dingana mankany amin’ ny fananganana ny Fiadidiana Voalohany araka ny fitsipika ilay fanambarana.” Hazavao fa ny Filohan’ny Fiangonana sy ny mpanolotsaina azy (ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo) dia tsy nantsoina hoe “ny Fiadidiana Voalohany” raha tsy tamin’ny taona 1834 (jereo ny F&F 102:26–28). Tsy tao anatin’ny indray mandeha no nanambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany ny firafitry ny Fiangonana iray manontolo. Fa arakaraka ny filàna sy arakaraka ny fahavononan’ny Olomasina ny handray izany no nanambarany ny ampahany samihafa tamin’ny fananganana izany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:1–2. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Frederick G. Williams momba ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 2 dia inona no hazonin’ny Fiadidiana? (Tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Ny Fiadidian’ny Fisoronana Avo no mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ireo teny sy andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fotopampianarana io dia ampahatsiahivo azy ireo fa ny “fanalahidin’ny fisoronana dia ilay fahefana izay nomen’ Andriamanitra an’ ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana hitarihana sy hifehezana ary hitantanana ny fampiasana ny Fisoronany eto ambonin’ny tany. Ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana dia tantanan’ ireo izay mihazona ireo fanalahidiny (jereo ny F&F 65:2; 81:2; 124:123). Ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana dia manana zo hiahy sy hitarika ny Fiangonana eo amin’ny sehatra iray iandraiketany.

“I Jesoa Kristy no mihazona ny fanalahidy rehetra ao amin’ny fisoronana mikasika ny Fiangonany. Nomeny ny Apôstôliny tsirairay ireo fanalahidy rehetra izay mahakasika ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany. Ny Apôstôly zokiolona indrindra izay mbola velona, dia ny Filohan’ny Fiangonana izany, no hany olombelona eto ambonin’ny tany mahazo lalana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra” (Boky Torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 2.1.1).

  • Manome fahafahana ny Fiadidiana Voalohany hanao inona ireo fanalahidin’ny fisoronana? (Mitarika ny asan’ny Tompo eto ambonin’ny tany.)

Asehoy ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany amperin’asa na sary tsirairain’ny mpikambana ao aminy. Anontanio ireo mpianatra raha afaka milaza ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity lohateny manaraka ity: Mpanolotsaina iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Sary
Fiadidiana Voalohany
  • Araka ny fahatakaranao azy, inona ireo adidy sy andraikitra sahanin’ny mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:3. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny toromarika izay nomen’ny Tompo an’i Frederick G. Williams mikasika ny antsony amin’ny maha-mpanolotsaina azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3, dia inona no tokony nataon’i Frederick G. Williams amin’ny maha-mpanolotsaina azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany? (Manasà ankizy iray hanoratra ny valinteny eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay lohateny. Azonao atao ny manazava fa ny mpanolotsaina ao amin’ny fiadidiana iray dia manohana sy mampatanjaka ny filoha.)

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe nasaina ho “mahatoky amin’ny torohevitra” amin’ny filoha ny mpanolotsaina?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny dikan’ny hoe mahatoky amin’ny torohevitra dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity. Angataho ny mpianatra hihaino ny fomba tokony hanaovan’ny mpanolotsaina ao amin’ny fiadidiana iray filankevitra miaraka amin’ny filoha.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“[Ny mpanolotsaina] dia mpanampy ny filohany. …

“Amin’ny maha-mpanampy azy dia tsy filoha ny mpanolotsaina. Tsy miantsoroka andraikitra sy tsy mandeha alohan’ny filoha izy.

“Afaka manambara malalaka izay ao an-tsainy mikasika ny olana rehetra tonga eo anatrehan’ny fiadidiana ny mpanolotsaina tsirairay avy mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana. Kanefa, zon’ny filoha ny manapa-kevitra, ary adidin’ny mpanolotsaina ny manohana azy amin’izany fanapahan-kevitra izany. Lasa fanapahan-kevitr’izy ireo ny fanapahan-keviny, na inona na inona hevitr’izy ireo tany aloha” (“In … Counsellors There Is Safety,”Ensign, nôv. 1990, 49).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Hinckley, ahoana no tokony ifanakalozan’ny mpanolotsaina hevitra amin’ny filoha?

  • Ahoana no mety hanampiana ny olona iray izay manompo ho mpanolotsaina ao amin’ny fiadidiana iray ao amin’ny Fiangonana rehefa takany ny fomba hahatongavany ho mahatoky amin’ny torohevitra?

Asaivo mieritreritra fotoana izay nanompoany (na nahitany ny hafa nanompo) tao amin’ny fiadidiana tao amin’ny Fiangonana ireo mpianatra. (Azonao atao ny manazava fa miasa toy ny fiadidian’ny paroasy ny episkopà iray.) Asao izy ireo handinika ny zavatra nataony na nataon’ny hafa ka nanomezana fanohanana mahomby tao amin’ny fiadidiana ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana na ny kilasin’ny Zatovovavy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny amin’ny rehetra.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:4, sady hitady ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i Frederick G. Williams raha toa ka mahatoky amin’ny fanatanterahana ny antsony izy. Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “mampitombo ny voninahitr’ilay Tomponao” ao anatin’ity sahan-kevitra ity dia milaza an-kolaka ny hoe afaka manampy ny olona hanaja sy hitsaoka ny Tompo isika rehefa mahatoky amin’ny fanatanterahana ny antsontsika.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4 dia inona no azontsika atao rehefa mahatoky amin’ny fanatanterahana ny antsontsika isika? (Na dia mety amin’ny fomba hafa aza no hilazan’ny mpianatra ny valinteniny dia tokony hahitana taratra ity fitsipika manaraka ity izany: Afaka manao soa lehibe amin’ny hafa sy mampitombo ny voninahitr’ Andriamanitra isika raha mahatoky amin’ny fanatanterahana ny antsontsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io ka ny tenin’ny mpianatra ihany no ampiasao.

  • Ahoana no mety hanampiana antsika hanao soa lehibe amin’ny olon-kafa rehefa manatanteraka amim-pahatokiana ny antsontsika ao amin’ny Fiangonana isika?

  • Ahoana no mety hampitomboana ny voninahitr’ Andriamanitra rehefa manatanteraka amim-pahatokiana ny antsontsika ao amin’ny Fiangonana isika?

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana iray izay nahitany olona iray nanao soa lehibe tamin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ny antsony. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fanamarihany amin’ny rehetra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ny torohevitra fanampiny izay nomen’ny Tompo an’i Frederick G. Williams.

  • Araka ny zavatra nolazain’ny Tompo an’i Frederick G. Williams tao amin’ny andininy 5, dia inona no azontsika ianarana mikasika ny hoe tokony ho mahatoky amin’ny fanatanterahana ny antsontsika na tokony ho mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonana isika?

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe “mamonjy ny osa, mampiakatra ny tanana izay miraviravy ary mampatanjaka ny lohalika malemy”?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Marvin J. Ashton avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asaivo mihaino ny hevi-baovao mikasika ny hevitr’ireo andian-teny ireo ny mpianatra.

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

“Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5 dia azo adika ho toy ny famporisihan’ny Tompo an’i Frederick G. Williams hampatanjaka ny osa (“vonjeo ny osa”), hanome famporisihana ireo izay trotraka na kivy (“akaro ny tanana izay miraviravy”), ary hanome herim-po sy tanjaka ho an’ireo manana lohalika malemy sy fo feno tahotra” (“Strengthen the Feeble Knees,” Ensign, nôv. 1991, 70).

  • Inona ireo fomba sasantsasany izay azontsika atao mba “hamonjena ny osa, hampiakarana ny tanana izay miraviravy ary hampatanjahana ny lohalika malemy”? (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Oviana ianao no nankaherezina na natanjahan’ny olona iray?

Omeo fanamby ireo mpianatra mba hisafidy iray amin’ireo lisitry ny valinteny eny amin’ny solaitrabe ka hitady fahafahana hanampy ireo manodidina azy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:6–7. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny vakiteny sady hitady ny fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Frederick G. Williams raha toa ka mahatoky hatramin’ny farany izy. Asaivo manao tatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fanatanterahana ny antsontsika sy ny fanampiana ireo manodidina antsika mba hahatonga azy ireo ho mendrika ny fiainana mandrakizay ihany koa.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:1. Mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany

Nanazava ny anjara asan’ny mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny Filoha Harold B. Lee:

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Rehefa nieritreritra ny anjara asan’ny Filoha Tanner sy ny an’ny tenako amin’ny maha-mpanolotsaina [an’ny Filoha Joseph Fielding Smith] anay aho dia nieritreritra ny toe-java-niseho teo amin’ny fiainan’i Mosesy, ary tamin’izany fotoana izany dia nitovy tahaka ny amin’izao fotoana izao ny fahavalon’ny fiangonana. Nandrahona ny handresy sy hamongotra ary hampitsahatra ny asan’ny fiangonana izy ireo. Rehefa nipetraka teo an-tampon’ny havoana i Mosesy ka nanangana ny tehin’ny fahefany, na ny fanalahidin’ny fisoronany dia nahery teo anatrehan’ny fahavalony i Isiraely. Kanefa rehefa nandeha ny andro dia nihamavesatra ny tanany ka nanomboka nitambotsotra izany.

“Koa nihazona ny tanany [i Arona sy Hora] mba tsy ho vizana izany ka hilatsaka ilay tehina. Ho tohanana izy mba tsy handresen’ny fahavalon’ny fiangonana ny olomasin’ Andriamanitra Avo Indrindra. (Jereo ny Eksod. 17:8–12.)

“Heveriko fa izany no anjara asa tsy maintsy sahanin’ny Filoha Tanner sy ny tenako. Mety ho trotraka ny tanan’ny Filoha Smith. Mety hitambotsotra izany indraindray noho ny havesaran’ny andraikiny. Kanefa rehefa manohana ny tanany izahay ka mitarika eo ambanin’ny fitarihany, sy eo anilany dia tsy haharesy anareo sy an’i Isiraely ny vavahadin’ ny helo” (tao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1970, 153).

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana Aprily 1994 dia niaiky ny Filoha Gordon B. Hinckley, izay nanompo ho toy ny Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany fotoana izany, fa ny Filoha Ezra Taft Benson, ny Filohan’ny Fiangonana tamin’izany, dia “nijaly fatratra noho ny fahanterana sy ny aretina ka tsy afaka nanatanteraka ny andraikitra lehibe nifanandrify tamin’ny anjara fanompoany masina.” Nanazava avy eo ny Filoha Hinckley hoe:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Rehefa marary na tsy afaka miasa tanteraka ny Filoha amin’ny fanatontosana ny andraikitry ny anjara fanompoany dia ny Mpanolotsaina azy miisa roa no mandrafitra ny Kôlejin’ny Fiadidiana Voalohany. Manohy ny asa andavanandron’ny Fiadidiana izy ireo. Amin’ny toe-javatra manokana, raha sanatria ka tsy misy afa-tsy iray ihany no afaka miasa dia afaka hiasa araka ny fahefan’ny anjara fanompoan’ny Fiadidiana araka izay voasoritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 102, andininy 10–11 izy” (“God Is at the Helm,” Ensign, mey 1994, 54).