Seminera
Lesona 105: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–42


Lesona 105

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–42

Fampidirana

Tamin’ny 16 sy 17 desambra 1833 dia nahazo fanambarana iray mikasika ireo Olomasina tany Missouri izay nandao ny tranony mba hitsoaka fanenjehana mahatsiravina ny Mpaminany Joseph Smith. Maro tamin’ireo Olomasina ireo no noterena handao ny fananan’izy ireo rehetra. Voaresaka ao anatin’ny lesona telo ato anatin’ity boky torolalana ity ilay fanambarana izay noraisin’ny Mpaminany sy voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101. Ity lesona faharoa ity dia ahitana ny famaritan’ny Tompo ny sasany amin’ireo fepetra amin’ny Arivotaona. Izany ihany koa dia ahitana teny fankaherezana sy torohevitra ho an’ny Olomasina.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–34

Manazava ny sasany amin’ireo fepetra amin’ny Arivotaona ny Tompo

Asaivo mitanisa ny sasany amin’ireo zava-mitranga amin’ny hoavy izay hiomanany ny mpianatra. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo zava-mitranga ireo. Anontanio ny mpianatra ny zavatra ataon’izy ireo mba hiomanana amin’izany zava-mitranga izany.

  • Nahoana ianareo no manao ezaka mba ho vita omana?

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 dia ahitana ireo toromarika amin’ny fiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny Arivotaona. Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–21 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny fampanantenan’ny Tompo mba hanangona ny Olomasina tao amin’ny tanàn’i Ziona tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri dia “nampiandrasana raha mbola hamasinina ho amin’ny fanomezana lehibe sy ireo andraikitra lehibe mifanaraka amin’izany. Mandritra izany fotoana izany dia miangona ao amin’ny lemaky ny Rocky Mountains (tendrombohi-bato) [sy any amin’ireo tsatòka manerana izao tontolo izao] ireo izay mahitsy fo. … Natsangana ny tempoly. … Mbola hatsangana amin’ny toerana voafidy anefa i Ziona” (James E. Talmage, The Articles of Faith, ed. faha-12 [1924], 353; jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual, ed. faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 240).

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:22–23 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady zavatra iray izay nolazain’ny Tompo tamin’ireo Olomasina mba hataony hiomanana amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  • Araka ny andininy 22 sy 23, dia inona no azontsika atao mba hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany? (Ny mpianatra dia tokony haneho fa afaka miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fiantsoana ny anarany, ny fiainana araka ireo fitsipiky ny filazantsara, ny fiarahana miangona, ary ny fijoroana amin’ireo toerana masina. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

  • Inona no dikan’ny hoe: “mijoroa eny amin’ny toerana masina” aminao? Oviana ianao no nahatsapa fa tamin’ny toerana masina iray?

  • Ahoana no manampy anao hiomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany ny fiangonana amin’ny toerana masina?

Mba hanomanana ireo mpianatra hahatakatra ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:24–34, dia hazavao fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia milaza ny fandringanana ireo olon-dratsy amin’ny fotoana hiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ireo toe-javatra hiainana eto an-tany mandritra ny Arivotaona. Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ireo mpiara-miasa tsiroaroa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:24–34, ka hitady ireo toe-javatra hiainana mandritra ny Arivotaona. Rehefa ampy ny fotoana nomena ny mpianatra dia asaivo manao tatitra ny zavatra hitany izy ireo. Asaivo manao lisitra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray.

  • Inona amin’ireo fepetra eny amin’ny solaitrabe no mahaliana anao indrindra ny hiaina izany? Nahoana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–38

Nanome toky ny Olomasina tany Missouri ny Tompo fa rehefa miaritra am-pinoana izy ireo dia handray anjara amin’ny voninahiny any aoriana any.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nanome ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101 ny Tompo dia niaina zava-tsarotra goavana ny Olomasina tany Missouri. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hamintina ny sasany amin’ireo fahasarotana nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona teo aloha.

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–38 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo fahamarinana nampianarin’ny Tompo sy ny torohevitra nomeny mba hankaherezana sy hampatanjahana ireo Olomasina tao anatin’ny fisedrany.

  • Inona ireo fahamarinana sy torohevitra ao amin’ny andininy 35–38 izay mety nitondra fankaherezana ho an’ireo Olomasina izay nijaly tany Missouri? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia anontanio azy ireo hoe amin’ny fomba manao ahoana no mety ho nitondran’ireo fahamarinana na torohevitra manokana tsirairay izay nolazain’izy ireo ireo fankaherezana ho an’ny Olomasina.)

  • Ahoana no hilazanao an’ilay fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny andininy 35 amin’ny teninao manokana? (Tokony hamaly amin’ny alalan’ny filazana teny toy izao manaraka izao ny mpianatra: Ireo izay miaritra fanenjehana noho ny anaran’ny Mpamonjy sy maharitra amim-pinoana dia handray anjara amin’ny voninahitr’ Andriamanitra. Azonao atao ny manoratra izany fahamarinana izany eny amin’ny solaitrabe.)

Hazavao fa ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy dia manaraka Azy foana, na dia enjehina noho ny finoany aza. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity izay notantarain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Mialoha ny hamakiany izany dia hazavao fa ilay tantara dia momba an’i Rafael Monroy sy i Vicente Morales, Olomasin’ny Andro Farany roa izay niaina tany Mexique tany amin’ny fiandohan’ny taona 1900. Nosamborin’ny andiana miaramila mahery setra izy ireo tamin’ny 1915. Anontanio ny mpianatra hoe nahatoky tamin’ny fomba ahoana ny Rahalahy Monroy sy ny Rahalahy Morales rehefa niaritra fanenjehana izy ireo.

Sary
Filoha James E. Faust

“Filohan’ny sampana kely tao San Marcos Mexique i Rafael Monroy ary i Vicente Morales no mpanolotsaina azy voalohany. … Nolazaina tamin’izy ireo fa tsy hovonoina izy ireo raha toa ka hanary ny fitaovam-piadiany sy hiala amin’ny fivavahana hafahafan’izy ireo. Nolazain’ny Rahalahy Monroy tamin’ireo mpisambotra azy fa tsy nanana fitaovam-piadiana izy ary navoakany moramora avy tao am-paosiny ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Niteny izy hoe: ‘Andriamatoa isany, ireto no hany fitaovam-piadiana entiko manaraka ahy; izany no fitaovam-piadian’ny fahamarinana hanohitra ny fahadisoana.’

“Rehefa tsy nisy fitaovam-piadiana hita dia nampijaliana tamin-kerisetra ireo rahalahy ireo mba hampitenenana azy ireo ny toerana nanafenana fitaovam-piadiana. Kanefa tsy nisy fitaovam-piadiana mihitsy. Nentin’ny mpiambina teo amin’ny sisin’ny tanàna kely iray izy ireo ka natsangan’ireo mpisambotra azy ireo teo akaikin’ny hazo lehibe iray nanoloana ny miaramila vonon-kitifitra. Nanolotra fahafahana ho azy ireo ilay miaramila tompon’andraikitra raha toa ka hanadino ny fivavahany izy ireo ary hiditra ao amin’ny [tafika], namaly anefa ny Rahalahy Monroy hoe: ‘Mamiko kokoa noho ny fiainako ny fivavahako ary tsy afaka hanadino izany aho.’

“Dia nolazaina tamin’izy ireo fa hotifirina izy ireo ka nanontaniana raha toa ka nanana fangatahana hatao izy. Nangataka mba havela hivavaka mialoha ny hamonoana azy ny Rahalahy Rafael. Teo anoloan’ireo mpitifitra teo no nandohalika izy ary nivavaka tamin’ Andriamanitra tamin’ny feo izay henon’ny rehetra mba hitahiana sy hiarovana ireo olon-tiany sy hikarakarana ilay sampana kely sahirana izay hanjary tsy hanana mpitarika. Rehefa vita ny vavaka nataony dia nampiasa ireo tenin’ny Mpamonjy izy rehefa teo ambony hazofijaliana ka nivavaka ho an’ireo mpamono azy hoe: ‘Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izy ataony.’ [Lioka 23:34.] Niaraka tamin’izay dia ntifitra ny Rahalahy Monroy sy ny Rahalahy Morales izany andiana miaramila izany” (“Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 21–22; miainga avy amin’ny Rey L. Pratt, “A Latter-day Martyr,” Improvement Era, jona 1918, 720–26).

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo fotoana izay nanenjehana azy ireo (nanihaniana na nanarabirabiana) noho ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

  • Rehefa enjehina noho ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana ianareo dia inona no azonareo atao mba hamaliana izany amim-pinoana?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39–42

Nanambara ny Tompo fa ny vahoakan’ny fanekempihavanany no siran’ny tany

Mba hanomanana ny mpianatra hahatakatra ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39–42, dia manehoa santionan-tsira roa: santionan-tsira madio sy santionan-tsira mifangaro amin’ny zavatra hafa, toy ny vovoka.

Sariho amin’ilay sira voalohany ny sain’ny mpianatra.

  • Inona avy no hampiasana ny sira? (Mety ho isan’ny valinteny ny hoe azo ampiasaina mba hanomezan-tsiro na hitehirizana ny sakafo, ary hanasitranana ireo fery toy ny fanalana mikraoba ny sira.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:39 ary angataho ny mpianatra mba hamantatra ny vahoaka izay nampitahain’ny Tompo tamin’ny sira.

  • Iza no lazain’ny Tompo fa “toy ny siran’ny tany”?

Hazavao fa ny teny hoe tsiro dia entina ilazana hanitra na kalitao miavaka.

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe tsiron’ny olona?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe tsiron’ny olona dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Carlos E. Asay ao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona Carlos E. Asay

“Rehefa nampiasa ny fiteny hoe ‘tsiron’ny olona’ ny Tompo dia niresaka momba ireo izay misolo-tena azy Izy. Ireo izay nibebaka no tiany hambara, ireo izay nodiovina tao amin’ny ranon’ny batisa ary ireo izay nanao fanekempihavanana hitondra eo amin’izy ireo ny anarany sy ny foto-keviny. Fa indrindra, niresaka momba ireo izay hizara ny herin’ny fisoronany amin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Niresaka momba ahy sy ianao Izy” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, mey 1980, 42).

  • Inona no ampianaran’ireo andian-teny hoe “siran’ny tany” sy “tsiron’ny olona” antsika momba ny andraikitsika amin’ny hafa?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra antsika dia manana andraikitra isika hanampy ny olona rehetra eto an-tany handray ny fitahiany (jereo ny Abrahama 2:8–11). Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno ity: Mba hanampiana ny olon’ny tany handray ireo fitahian’ Andriamanitra, isika dia tsy maintsy …

Asao hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:40–42 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hikaroka ireo fampitandremana sy fampanantenana nataon’ny Tompo.

Hazavao fa ny andininy 40 dia ahitana ilay andian-teny hoe “raha ny fanasin’ny tany no manary ny tsirony.” Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hevitr’izany andian-teny izany dia sariho ny sain’izy ireo amin’ilay karazana sira faharoa. Hazavao fa tsy manary ny tsirony ny sira rehefa mihaela. Manary ny tsirony izany rehefa mifangaro amin’ny singa hafa sy lotoin’izany.

  • Araka ny andininy 41, dia inona no mahatonga antsika hanary ny tsirontsika amin’ny maha-fanasin’ny tany antsika? (Fahotana.) Nahoana araka ny eritreritrareo no mahasarotra ny fanampiantsika ny hafa mba hahazo ireo fitahian’ Andriamanitra ny fahotantsika?

  • Ahoana no hilazanao amin’ny teninao manokana ny andininy 42? (Raha toa ka mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana izany fanontaniana izany dia hazavao fa ny olona iray izay manandratra ny tenany dia mirehareha, raha toa ka manetry tena eo anoloan’ny Tompo ny olona iray izay manetry ny tenany.)

  • Araka ireo fampitandremana sy fampanantenan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:40–42, ahoana no hamenoanareo ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe? (Fenoy ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe amin’ny fampiasana ny valintenin’ny mpianatra. Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Mba hanampiana ny vahoakan’ny tany hahazo ireo fitahian’ Andriamanitra dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika isika ka manetry tena.)

  • Inona no azontsika atao isan’andro izay hanampy antsika tsy ho voaloton’ny fahotana?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra mangina raha toa ka misy fahotana mandoto ny fiainan’izy ireo. Amporisiho izy ireo mba hibebaka amin’ireny fahotana ireny mba hahafahan’izy ireo ho tonga madio eo anoloan’ny Tompo ka hahafahany ho mahomby kokoa amin’ny fanampiana ny hafa hahazo ny fitahiany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:17–21. Fananganana ny tanànan’i Ziona

Niresaka momba ny fotoana iray izay handidian’ny Tompo ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanangana ny tanànan’i Ziona ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Tsy misy tokony hampisalasala na hampiahiahy ny mikasika ny fananganana an’i Ziona—na ilay Jerosalema Vaovao—amin’ny andro farany. Efa nanolotra izany fahafahana hanangana an’i Ziona izany ny Tompo indray mandeha, izay hivoahan’ny lalàna mankany amin’izao tontolo izao. Tsy nahomby izy ireo. Nahoana? Satria tsy niomana sy tsy mendrika izy ireo, tahaka ny toetra ny sasany amintsika izay manimba ny fanjakana. Rehefa miomana sy mendrika isika amin’ny maha-vahoaka antsika dia handidy antsika indray ny Tompo ary handroso ny asa—ara-potoana, mialoha ny Fiaviana Fanindroany, ary eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Fiangonana. Mandra-pahatongan’izany, na iza na iza amintsika dia tsy mila manao dingana mankamin’ny fanangonana any Missouri na fanomanana amin’ny fahazoana tany lova any. Aoka kosa isika hianatra ireo hevi-dehibe mifanaraka amin’izany ka hanao izay hahamendrika antsika amin’ny asan’ny Tompo na inona na inona apetrany amintsika amin’ny andro sy fotoana iainantsika. Misy zavatra maromaro hitranga anefa mialoha ny fananganana ny Fivondronan’i Jackson” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 586).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23–25. Ireo famantarana sy zava-mitranga manerana izao tontolo izao ka mifanaraka amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany

Mahita famantarana sy zava-mitranga telo izay mifanaraka amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23–25. Ato anatin’ireto fanambarana manaraka ireto dia manolotra fomba fijery amin’ny maha-mpaminany azy ireo momba ireo famantarana sy zavatra hitranga ireo ireo Apôstolin’ny andro farany:

1. “Hiara-hahita Azy ny nofo rehetra” (F&F 101:23). Hoy ny Loholona Orson Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fiaviana fanindroan’ny Zanak’ Andriamanitra dia karazan-javatra samy hafa tanteraka amin’izay nitranga teto ambonin’ny tany hatramin’izao, hiaraka amin’ny hery sy voninahitra lehibe, zavatra iray izay tsy ho vita amin’ny ampahany kely amin’ny tany … sy ho hitan’ny ankavitsiana ihany; fa ho zava-mitranga ho hitan’ny rehetra izany, hahita ny voninahitry ny Tompo avokoa ny nofo rehetra; rehefa haneho ny tenany fanindroany amin’ny maso rehetra Izy, fa tsy amin’ireo izay miaina ao amin’ny nofo amin’io fotoana io ihany, izay mety maty eto ambonin’ny tany, fa amin’ireo izay efa maty ihany koa … hahita Azy koa ireo amin’io fotoana io” (tao amin’ny Deseret News: Semi-Weekly, apr. 25, 1876, 1).

2. “Ny zavatra mety ho lo rehetra … dia ho levona” (F&F 101:24). Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny zavatra hitranga amin’ny fiantombohan’ny arivotaona dia hodorana ny tany (ilay tanimboaloboky ny Tompo). Ny zavatra mety ho lo rehetra dia ho levona (F. & F. 101:24); ny mpirehareha rehetra sy ireo izay manao ratsy dia hodorana toy ny vodivary (Mal. 4:1; F. & F. 29:9; 64:23–25; 133:63–64); horinganina ny mpanota (Isa. 13:9–14); ka hisy fisarahana tanteraka eo amin’ny olo-marina sy ny olon-dratsy. (F. & F. 63:54.) Ireo mendrika ny hiaina ao amin’ny tontolon’ny paradisa na terestrialy no hany afaka hahatanty izany andro izany” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 494).

3. “Ny zavatra rehetra dia ho tonga vaovao” (F&F 101:25). Nanoratra momba izany maha-vaovao izany ny Loholona Parley P. Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Nampanantena lanitra vaovao iray sy ny tany vaovao iray ireo mpanoratra masina. Na amin’ny teny hafa dia hovaina, hodiovina, hatsaraina, hasandratra ary homem-boninahitra ny fomba fiasan’ny planeta, mitovy amin’ny fitsanganana amin’ny maty, izay hanadinoana ny haratsiana sy tsy fahatomombanana ara-batana rehetra” (Key to the Science of Theology, ed. faha-10 [1965], 61.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:29–31 Ny fahafatesana amin’ny Arivotaona

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa mandritra ny Arivotaona dia “tsy hisy fahafatesana ambara-pahantonga ny olona ho antitra. Tsy ho faty ny ankizy fa hiaina tahaka ny taonan’ny hazo. Nilaza i Isaia fa 100 taona izany [jereo ny Isaia 65:20–22]” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie [1954–66], 1:86–87).

Nanazava ihany koa ny Filoha Smith fa ho fiovana mandry fahizay ny fahafatesana mandritra ny Arivotaona:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Rehefa tonga i Kristy dia hampavitrihana sy hakarina mba hitsena Azy ireo Olomasina eto ambonin’ny tany. Tsy midika izany hoe ireo izay miaina amin’izany fotoana izany dia ovaina ka handalo ny fitsanganana amin’ny maty fa tsy maintsy mijanona eto ambonin’ny tany ny olona mety maty ambara-pahatapitry ny arivo taona. Hisy fiovana anefa amin’ireo izay mitoetra eto ambonin’ny tany; hampavitrihana izy ireo mba tsy hofehezin’ny fahafatesana mandra-pahantonga azy ireo ho antitra. Ho faty ny olona rehefa zato taona, ka hiova tampoka handray ny toetra tsy mety maty. Tsy hisy fanamboarana fasana mandritra izany arivo taona izany” (The Way to Perfection [1931], 298–99).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:35–38. Miaritra fanenjehana noho ny anaran’i Kristy

Ny Mpaminany Joseph Smith dia namporisika ny Olomasina mba hampiasa finoana rehefa niaritra ny fisedrany izy ireo:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Izahay dia mieritreritra momba ny vahoaka iray izay nanaiky tanteraka fomba fivavahana iray izay tsy malaza, ary ny fahatokiana na fankatoavana izany dia nitondra fanenjehana miverimberina teo amin’izy ireo. Vahoaka iray izay niaritra hanoanana sy tsy fananana fitafiana, loza sy fahantrana be noho ny fitiavany an’ Andriamanitra sy ny fifikirana amin’ny tanjony. Vahoaka iray izay tsy maintsy nisaona ny fahafatesana mialoha loatra an’ny ray aman-dreny, vady ary zanaka, noho ny fivavahany. Vahoaka iray izay nisafidy ny fahafatesana mihoatra ny fanandevozana sy ny fihatsaram-belatsihy, ary nihazona amim-panajana ny toetrany ka nijoro mafy sy maharitra amin’ireo fotoam-pisedrana lalina ny fanahin’ny olona. Tomoera tsara, ry Olomasin’ Andriamanitra, mahareta kely, fa ho lasana ny oram-baratry ny fiainana, ka hahazo valisoa avy amin’ilay Andriamanitra izay tompoinareo ianareo, izay hankasitraka araka ny tokony ho izy ny filofosana sy ny fahorianareo noho ny amin’i Kristy sy ny Filazantsarany. Hotsaroan’ny taranakareo ny anaranareo amin’ny maha-Olomasin’ Andriamanitra sy olona manan-kasina anareo” (ao amin’ny History of the Church, 4:337).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:40. “Antsoina izy ireo ho tsiron’ny olona”

Nampianatra ny Loholona Carlos E. Asay hoe:

Sary
Loholona Carlos E. Asay

“Ny olona malaza iray eran-tany izay mpikaroka momba ny simia dia nilaza tamiko fa tsy tonga matsatso ny sira na efa ela be aza. Ny fifangaroana sy ny fifindran’ny loto aminy no mahavery ny tsirony. …

“Mandositra miala amin’ny olona ny hanitra sy ny hatsarana rehefa voaloton’ny eritreritra maloto ny sainy, rehefa simbainy amin’ny fitenenana izay tsy marina ny vavany, ary rehefa mampiasa amin’ny tsy tokony ho izy ny heriny izy amin’ny fanaovana asa ratsy” (“Salt of the Earth: Savor of Men and Saviors of Men,” Ensign, mey 1980, 42).