Seminera
Lesona 46: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41


Lesona 46

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41

Fampidirana

Tamin’ny desambra 1830 dia nandidy ny Olomasina ny Tompo mba handeha tany Ohio, izay toerana handraisan’izy ireo ny lalàny (jereo ny F&F 37:3; 38:32). I Leman Copley, izay mpikamban’ny Fiangonana tao Ohio, dia nanolotena mba hanome “trano sy vatsy” (sasin-tenin’ny fizarana, F&F 41) an’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary ireo fianakavian’izy ireo. I Joseph Smith dia nahazo ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41tamin’ny 4 febroary 1831, fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tao Ohio. Ato amin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanome toromarika ho an’ny Mpaminany sy ireo mpitarika hafa tato amin’ny Fiangonana mba hivavaka hahazoana ny lalàny. Ankoatra izany dia nolazainy mazava tsara ny toerana tokony hipetrahan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ary niantso an’i Edward Partridge Izy mba ho eveka voalohany tato amin’ny Fiangonana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1–6

Mampianatra ny Tompo fa hankatò ny didiny ireo mpianatra marina

Asao ny mpianatra hieritreritra ny dikan’ny hoe finaritra na mahita fifaliana amin’ny fanaovana zavatra iray.

  • Inona no zavatra mahafinaritra anareo na ankafizinareo ny manao azy?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny zavatra mahafinaritra ny Tompo ny manao azy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:1. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra izay mahafinaritra ny Tompo ny manao azy.

  • Inona ny zavatra nolazain’ny Tompo fa mahafinaritra Azy ny manao ilay izy? (Mitahy ny olony “amin’ny lehibe indrindra amin’ny fitahiana rehetra.”)

Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno manaraka ity: Mahafinaritra ny Tompo ny mitahy antsika rehefa …

  • Araka ny voalazan’ny andininy 1, dia inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisana ireo fitahiana irian’ny Tompo omena antsika? (Azonao atao ny manazava fa ny hoe mihaino sy mandre dia midika hoe mankatò. Fenoy amin’ny alalan’ny fampiasana ny valinteny avy amin’ny mpianatra ilay fitsipika eo amin’ny solaitrabe: Mahafinaritra ny Tompo ny mitahy antsika rehefa mihaino sy mankatò Azy isika. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika ireo teny sy andian-teny ao amin’ny soratra masin’izy ireo izay mampianatra io fitsipika io.)

Asaivo saintsainin’ny mpianatra raha toa izy ireo ka efa nahatsapa fifaliana avy amin’ny fanaovana zavatra iray ho an’ny olona iray hafa. Asao ny mpianatra iray na roa hizara ny zavatra efa niainany.

  • Midika inona aminareo ny mahafantatra fa finaritra mitahy anareo ny Tompo noho ny fankatoavanareo Azy?

Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa nandidy ny Olomasina hiangona tao Ohio ny Tompo. Nanatanteraka izany tamin’ny fahafoizana zavatra maro ny Olomasina sasany izay nifindra tany Ohio. Nivarotra ny taniny tamin’ny vidiny ambany dia ambany izy ireo, na nandao fotsiny tamin’izao ireo tranony sy fananany tsy lafo ka nandeha tany Ohio tamim-pankatoavana ilay didy nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Mpaminaniny.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka ity, izay mikasika an’i Lucy Mack Smith (renin’ny Mpaminany Joseph Smith) sy ny vondrona iray misy mpikambana maromaro tao amin’ny Fiangonana izay notarihiny nankany Ohio. Asaivo mihaino ohatra iray mikasika ny fomba nitahian’ny Tompo ny Olomasina ny mpianatra rehefa nankatò ny didiny handeha tany Ohio izy ireo:

Nitarika vondrona iray nahitana mpikamban’ny Fiangonana miisa 80 avy any Fayette, New York, nankany Ohio i Lucy Mack Smith. Rehefa nandeha sambo tao amin’ny lakandranon’i Cayuga sy i Seneca nankany Buffalo, New York izy ireo dia nampahatsiahivin’i Lucy an’ireo Olomasina fa nanao ilay dia noho ny didin’ny Tompo izy ireo, tahaka an’i Lehia fahiny rehefa nandao an’i Jerosalema. Nananatra an’ireo Olomasina izy fa raha mahatoky izy ireo dia “afaka manantena ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra noho izany antony izany ihany koa” (jereo ny History of Joseph Smith by His Mother, navoakan’i Preston Nibley [1958], 195–96; Histoire de l’église dans la plénitude des temps, manuel de l’étudiant, ed. faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 91).

Rehefa tonga tao Buffalo izy ireo dia nahita fa rakotry ny vaingan-dranomandry ilay seranana, izay nanakana ny fahatongavana sy ny fiaingan’ireo sambo. “Taorian’ny andro maromaro niainana tebiteby tao Buffalo dia ankizy maro no narary ary noana sy kivy ny maro tamin’ireo olona tao anatin’ilay andiany. Nividy tapakila hahazoana toerana teo amin’ny tokontanin-tsambo izy ireo, nampakatra ny entany tao an-tsambo, ary nahazo fialofana vonjy maika ho an’ny zaza amam-behivavy mandra-pahatongan’ny ampitso marainan’io vao mangiran-dratsy. Rehefa niverina tao anatin’ny sambo izy ireo dia nandresy lahatra an’ireo andian’olona mbola nimonomonona i Lucy mba hangataka amin’ny Tompo hamaky ilay vaingan-dranomandry nandrakotra ilay seranana, izay nirefy 6,10 m ny halaliny” (Church History in the Fulness of Times Student Manual,92).

Nanentana ny vondrona nisy azy hanam-pinoana an’ Andriamanitra i Lucy ary nampanantena fa raha miray amin’ny vavaka izy ireo ka mangataka an’ Andriamanitra hamaky ilay vaingan-dranomandry izay nandrakotra ilay seranana dia ho tò izany. Namariparitra ny zavatra nitranga taorian’izay i Lucy: “Tamin’izay fotoana izay dia nisy feon-javatra re toy ny fidoboky ny kotroka. Nihiaka ilay kapiteny hoe: ‘Samia mamonjy ny andraikiny daholo ny lehilahy rehetra.’ Nizara roa ilay vongan-dranomandry ka namela lalana hany antonona ilay sambo, ary tena tery izany ka rehefa nandalo teo ilay sambo dia simba tamin’ny fifandonana ireo sinin’ilay sofinkodia. … Zara raha afaka teo amin’ilay lalana izahay dia niverina nikatona indray ilay vongan-dranomandry” (jereo ny History of Joseph Smith by His Mother, 197–205).

  • Ahoana no nanehoan’ireo Olomasina ireo finoana ny Tompo tao anatin’io toe-javatra sarotra io? Ahoana no hanehoan’io toe-javatra io fa mahafantatra ny fisiantsika ny Tompo ary hanampy antsika handresy ireo olana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:2–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo torolalana nomen’ny Tompo an’ireo loholona tao amin’ny Fiangonana.

  • Nodidian’ny Tompo hanao inona ireo loholona tao amin’ny Fiangonana? (Nodidiany hiara-hivory izy ireo mba hifanaiky amin’ny teniny, hivavaka amim-pinoana, handray ny lalàny, ary hijery raha tandreman’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny lalàny.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 3, dia inona no tanjon’ilay lalàna nasaina noraisin’ireo loholona?

  • Mety ho tamin’ny fomba ahoana no naha-fitahiana ho an’ireo Olomasina tao Ohio ny fandraisana ny didin’ny Tompo?

Hazavao fa ilay “lalàna” resahin’ny Tompo dia ilay lalàna voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42, ilay lalàn’ny Tompo ho an’ny Fiangonana. Hazavao amin’ireo mpianatra fa hianatra io lalàna io amin’ny antsipiriany izy ireo ao amin’ireo lesona vitsivitsy manaraka.

Mba hanomanana ireo mpianatra hahita fahamarinana iray manan-danja ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5, dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: Mpino sy Mpianatra.

  • Inona no mampitovy ny hevitr’ireo teny roa ireo? Inona no mety maha samy hafa azy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ireo mpianany.

  • Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no toetoetra iray mampiavaka an’ireo mpianatry ny Mpamonjy? (Azonao atao ny milaza amin’ireo mpianatra mba hanisy marika ireo teny na andian-teny mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Ny mpianatr’i Jesoa Kristy ireo mpianany ka mankatò izany.)

  • Nahoana no zava-dehibe izany hoe mitandrina marina ny didy ireo mpianatr’i Jesoa Kristy fa tsy mahafantatra izany fotsiny?

Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra io fitsipika io, dia asao izy ireo hamerina hijery samirery ireo fitsipika ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez forts. Asao izy ireo hifidy fitsipika iray ka hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra tian’izy ireo hatao mba hiaina tsara kokoa izany fitsipika izany. (Omeo antoka ny mpianatra fa asa ataon’ny tena manokana ity ary tsy ho angatahina hizara ny valinteniny amin’ny hafa izy ireo.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:7–8

Manome toromarika an’ireo Olomasina hanorina trano azon’ny Mpaminany hipetrahana sy handikana teny ny Tompo

Fintino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:7–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome toromarika an’ireo Olomasina ny Tompo mba hanome trano izay ahafahan’ny Mpaminany sy ny fianakaviany mipetraka ary ahafahan’i Joseph manohy ny asany amin’ny fandikana ny Baiboly. Nanome toromarika fohy ho an’i Sidney Rigdon koa ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:9–12

Niantso an’i Edward Partridge mba ho eveka voalohany ao amin’ny Fiangonana ny Tompo

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa mila eveka ny paroasin’izy ireo. Asaivo mamaky samirery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:9–10 ny mpianatra mba hitady ny zavatra tafiditra ao anatin’ny fiantsoana eveka iray.

  • Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no tafiditra ao anatin’ny fiantsoana eveka vaovao iray? (Antsoin’ Andriamanitra ny eveka, tohanan’ny feon’ny mpikambana ary atokan’ny mpihazona fahefana mifanentana amin’izany. Azaonao atao ny manoratra izany fotopampianarana izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ny manazava fa ireo evekan’ny paroasy amin’izao fotoana izao dia tsy didiana mba handany ny fotoany “amin’ny asan’ny fiangonana,” tahaka ny niantsoan’ny Tompo an’i Edward Partridge mba ho ataony.)

  • Inona no dikan’izany hoe “hatokan’ny feon’ny fiangonana”? (Midika izany fa nampanantena ny fanampiany ireo mpikamban’ny Fiangonana, na nanohana, ilay olona izay nantsoin’ Andriamanitra.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo toetra nananan’i Edward Partridge ka hanampy azy tamin’ny antsony.

  • Inona avy ireo toetra nananan’i Edward Partridge ka mety nanampy azy tamin’ny antsony? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa ny dikan’ny hoe misy fitaka dia mpamitaka na mpihatsaravelatsihy. Noho izany, ny dikan’ny hoe “tsy misy fitaka” dia marin-toetra sy mahitsy fo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:12. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny mba hitady ny fampitandremana izay nomen’ny Tompo any amin’ny fiafaran’ity fanambarana ity.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mitandrina ny fomba hiheverana ny tenin’ny Mpamonjy? (Azonao atao ny manazava fa didy mba hiaro ny soratra masina izany ho an’i Joseph Smith sy ireo hafa.) Inona no ifandraisan’izany amin’ny zavatra nianarantsika mikasika ireo mpianatr’i Jesoa Kristy?

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Isan’andro isika dia manapa-kevitra mikasika ny hoe hatraiza no maha-mpianatra antsika” (“My Servant Joseph,” Ensign, mey 1992, 39).

Asao ny mpianatra hizara ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana nianaran’izy ireo tato amin’ity lesona ity manampy azy ireo ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Tonga tao Kirtland i Joseph Smith

Tamin’ny faran’ny volana janoary 1831 dia niala tao New York i Joseph sy i Emma Smith mba hanao dia sahabo ho 483 km tamin’ny alalan’ny fiaran-dranomandry nankany Kirtland, Ohio. Rehefa tonga tao Kirtland i Joseph sy i Emma dia nijanona teo anoloan’ny tranombarotra Gilbert Whitney Store:

“Niditra tampoka avy any tao amin’ilay tranombarotra i [Joseph] ka nandeha teny amin’ny toerana nitsanganan’ireo mpiara-miasa zanaky ny tompon’ny tranombarotra. ‘Newel K. Whitney! Ianao ilay lehilahy!’ hoy izy nihiaka, nanolotra ny tanany tamim-panajana toy ireny efa olona nifankahafantatra sy nifankazatra ela ireny. ‘Manana tombony ianao raha mihoatra ahy’ hoy i [Newel K. Whitney] namaly, raha nandray ho azy ilay tanana natolotra azy izy, ‘Tsy afaka niantso anao amin’ny anaranao tahaka ny nataonao tamiko aho.’ ‘Izaho no Joseph ilay Mpaminany,’ hoy ilay vahiny sady nitsiky. ‘Nivavaka ianao mba hahatongavako eto, ankehitriny, inona no tianao hataoko?’” (History of the Church, 1:145–46).

Nanazava i Joseph fa nahazo fahitana iray izy teo aloha izay nahitany an’i Newel nivavaka mba hahatongavany tany Kirtland. Nandray an’i Joseph sy i Emma Smith tamin-katsaram-panahy ny fianakaviana Whitney, ka dia niara-nipetraka tamin’izy ireo tao anatin’ny fotoana fohy i Joseph sy i Emma. (Jereo ny History of the Church,1:146; jereo koa ny Histoire de l’église dans la plénitude des temps, manuel de l’étudiant,boky natonta faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 90–91.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:11. “Ny fony dia madio”

Ny fahavononan’i Edward Partridge “hamela ny fivarotany” (F&F 41:9) sy handany ny fotoany tamin’ny fananganana ny Fiangonana dia voamarina ato amin’ity tantara manaraka ity:

“Nampahatsiahy ny zanakavavin’i Partridge taty aoriana fa taorian’ny nanomezana io fanambarana io dia nivarotra ny fananany ny rainy ary ‘tsy nahazo afa-tsy vola kely’ avy amin’ireo fifanarahana. Nampiany hoe: ‘Nandray fanapahan-kevitra ny hanaraka ny fivavahana môrmôna ny raiko, ka ny fanaovany sorona ny fananany dia nahatonga an’ireo namany teto amin’izao tontolo izao nihevitra azy ho adala. Tsy hitan’izy ireo izay zavatra ao anatin’ny fivavahana iray ka hahatonga ny lehilahy iray hamela ny eritreritra rehetra araka izao tontolo izao noho izany’” (Documents, boky 1: jolay 1828–jona 1831, vol. 1 of the Documents series of The Joseph Smith Papers [2013], 244).

Nandeha tany New York i Edward Partridge sy i Sidney Rigdon mba hihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. “Araka ny nolazain’i Philo Dibble dia nandeha nisolo tena ireo olona hafa ihany koa i Partridge. Nilaza tamin’i [Philo Dibble] ny mpiara-monina iray hoe: ‘Naniraka lehilahy iray nankany York State izahay mba hamantatra ny fahamarinan’ity asa ity, ary izy dia lehilahy izay tsy handainga mihitsy.’ [Dibble, “Philo Dibble’s Narrative,” p. 77.]” (Histoire de l’église dans la plénitude des temps, manuel de l’étudiant, boky natonta faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 82). Namaritra an’i Edward ho toy ny “ohatry ny fitiavam-bavaka sy iray amin’ireo lehilahy tsaran’ny Tompo” i Joseph (ao amin’ny History of the Church,1:128).