Fanampiana amin’ny fandalinana
12. Fonjan’i Liberty


12. Fonjan’i Liberty

Sary
sary 12

Fonja tao Liberty, Missouri teo amin’ny 1878 teo ho eo. Notanana am-ponja tsy ara-drariny tao amin’ny rindriny matevina nahatratra 1,2 metatra i Joseph Smith sy ireo rahalahy dimy hafa, nanomboka ny 1 desambra 1838 ka hatramin’ny 6 aprily 1839. (I Sidney Rigdon no nafahana tamin’ny faran’ny volana febroary). Nahiboka tao amin’ny rihana ambany na ny efi-trano maizin’ilay trano izy ireo ary natory teo ambonin’ny vato mangatsiaka namelarana mololo, miaraka amin’ny jiro kely sy fiarovana zara raha misy amin’ny ririnina mangatsiaka.

Ny zava-dehibe nitranga: Nahazo ny valin’ny vavaka nataony ny Mpaninany Joseph raha nitalaho ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany an’arivony izay noroahina avy tao Missouri, ka nosoratany tao amin’ny taratasy ho an’ireo Olomasina nifindra monina izany (F&F 121–123).