Fanampiana amin’ny fandalinana
13. Mansion House tao Nauvoo


13. Mansion House tao Nauvoo

Sary
sary 13

Nifindra nankao amin’ny Mansion House tao Nauvoo i Joseph Smith zanany sy ny fianakaviany ny volana aogositra 1843. Taty aoriana, dia notovanana ny ilany atsinanana tamin’ilay trano ka nahatratra 22 ny isan’ny efitra. Nanomboka ny volana janoary 1844, dia nalamin’i Ebenezer Robinson ho trano fandraisam-bahiny ny trano, ary nihazona efitra enina ho an’ny fianakaviany ny Mpaminany. Nampiasaina ho faibe misahana ny mponin’i Nauvoo ilay trano. Tao no nandraisan’ny Mpaminany ireo olo-manan-kaja ambony.

Ny zava-dehibe nitranga: Tamin’ny 27 jona 1844, dia notifirina sy novonoina tao Carthage, Illinois ny Mpaminany Joseph sy i Hyrum rahalahiny, ary nentina tao amin’io trano io ny mangatsiaka mba handrasana mialohan’ny fandevenana. Ao amin’ny tany kely misy ny fasam-pianakaviana, ampitan’ny Main Street izay andrefan’ny trano vatan-kazo tranainy nonenan’i Joseph fony izy tonga voalohany tao Nauvoo, no nalevina izy ireo. Nipetraka tao amin’ny Mansion House i Emma Smith hatramin’ny taona 1871. Nifindra tao amin’ny Nauvoo House izy rehefa izany ary maty tao tamin’ny taona 1879.