Fanampiana amin’ny fandalinana
18. Tempolin’i Salt Lake


18. Tempolin’i Salt Lake

Sary
sary 18

Ny Tempolin’i Salt Lake raha jerena avy any amin’ny faritra avatra atsinanana. Andro vitsivitsy talohan’ny nidiran’ny andiana Olomasina mpisava lalana voalohany ny Lohasahan’i Salt Lake, dia nikapoka ny tany tamin’ny tehiny ny Filoha Brigham Young ary niteny hoe: “Eto no hanorenantsika ny tempolin’ny Andriamanitsika.” Ny 14 febroary 1853 no natao ny fihadiana tany voalohany. Ny 6 aprily 1853 no napetraka ny vatofehizoro. Vita sy notokanana ny tempoly rehefa afaka efapolo taona, ny 6 aprily 1893. Mivory ao isan-kerinandro ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo amin’ny fitantanana sy fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Ny zava-dehibe nitranga: Tao no nandrotsahan’ny Tompo tamin’ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo Manampahefana Ambony hafa ny fanahin’ny fanambarana, ka isan’izany ny Filazana Ôfisialy 2. Vao haingana kokoa, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roa ambin’ny folo no niara-nankatò sy namoaka ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao.” Nitahy ny fiainan’ny olona an-tapitrisany ireo ôrdônansin’ny tempoly izay notanterahina ho an’ny velona sy ny maty.