Fanampiana amin’ny fandalinana
9. Tempolin’i Kirtland


9. Tempolin’i Kirtland

Sary
sary 9

Tao Kirtland, Ohio, ny Tempolin’i Kirtland.

Ny zava-dehibe nitranga: Ny Tempolin’i Kirtland no tempoly voalohany naorina tamin’ity fotoampitantanana ity (F&F 88:119; 95). Tao amin’io tempoly io no nahitan’i Joseph Smith fahitana mikasika ny fanjakana selestialy (F&F 137). Natokana ny 27 martsa 1836 io tempoly io (F&F 109). Ny 3 aprily 1836 dia niseho ny Mpamonjy ary nanaiky ny tempoly ho toerana izay hanambarany ny teniny amin’ny vahoakany (F&F 110:1–10). Nanaraka io fisehoana io, dia namangy an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Mosesy, i Elià ary i Elia, ary nomen’izy rehetra azy ireo ny fanalahidy sasany izay an’ny fisoronana, sy ny fampahafantarana manan-danja (F&F 110:11–16). Nampiasaina ho an’ireo Olomasina nandritra ny roa taona io tempoly io, talohan’ny naha-voatery azy ireo handositra an’i Kirtland noho ny fanenjehana.