Fanampiana amin’ny fandalinana
10. Adama-ondia-Amàna


10. Adama-ondia-Amàna

Sary
sary 10

Mitodika mianatsimo mamakivaky ny lohasaha Adama-ondia-Amàna ny lohasaha mangina sy meva hita ao avaratra andrefan’i Missouri, tsy lavitra ny faritr’i Gallatin.

Ny zava-dehibe nitranga: Telo taona talohan’ny nahafatesan’i Adama, dia nantsoiny ireo taranany marina hankao amin’io lohasaha io, ary natolony azy ireo ny tsodranony farany (F&F 107:53–56). Toerana nipetrahan’ny Olomasin’ny Andro Farany miisa 500 ka hatramin’ny 1000 i Adama-ondia-Amàna tamin’ny taona 1838. Nilaozan’ny Olomasina io toerana io rehefa voaroaka avy tao Missouri izy ireo. Hiangona indray ao amin’io lohasaha io i Adama sy ny taranany marina, izay ahitana Olomasina avy amin’ny fotoampitantanana rehetra, mialoha ny fiavian’i Kristy fanindroany amin’ny voninahitra, mba hifankahita amin’ny Mpamonjy (Dan. 7:9–10, 13–14; F&F 27; 107:53–57; 116).