Fanampiana amin’ny fandalinana
14. Tranombarotra Biriky Mena an’i Joseph Smith zanany


14. Tranombarotra Biriky Mena an’i Joseph Smith zanany

Sary
sary 14

Ity tranombarotra sy biraon’i Joseph Smith zanany naorina indray ity dia hita ao Nauvoo, Illinois. Iray amin’ireo trano nanan-danja indrindra tamin’ny Fiangonana nandritra ny vanim-potoan’i Nauvoo io trano io. Tsy vitan’ny nampiasaina ho foibem-barotra fotsiny izany, fa koa lasa foibe misahana ny fiaraha-mientana ara-piarahamonina, ara-toekarena, ara-pôlitika ary ara-pivavahana. Nanana birao tao amin’ny rihana ambony i Joseph Smith.

Ny zava-dehibe nitranga: Talohan’ny nahavitan’ny tempoly, dia nampiasaina ho efitranon’ny ôrdônansy ny rihana ambony amin’ny tranombarotra, ka tao no nanatanterahana ny fanafiana masina feno voalohany. Nandamina ny vehivavin’ny Fiangonana ho Fikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph ny 17 martsa 1842.