Fanampiana amin’ny fandalinana
8. Tranon’i John Johnson


8. Tranon’i John Johnson

Sary
sary 8

Tao Hiram, Ohio, no nisy ny Tranon’i John sy i Alice Johnson. Ao amin’ny rihana ambony io efitra io.

Ny zava-dehibe nitranga: Nonina tao amin’io trano io ny Mpaminany Joseph Smith sy i Emma vadiny. Nahazo ny fahitana mahatalanjona momba ireo ambaratongam-boninahitra teo anatrehan’ny olona maro hafa i Joseph sy i Sidney Rigdon ny 16 febroary 1832 (F&F 76). Niasa ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith (DJS) koa ny Mpaninany Joseph tao amin’io trano io. Ny alin’ny 24 martsa 1832, raha mbola nonina tao i Joseph sy i Emma, dia nisy mpihetraketraka nahitana ireo mpivadika sy ireo mpanohitra ny Môrmôna nikapoka mafy ary koa nanisy tara sy volomborona an’i Joseph sy i Sidney.