3. Ny Faritr’i New York, Pennsylvania, ary Ohio any Etazonia
Ava.
Toronto
Farihy Ontario
Rochester
Farihy Huron
Lakandrano Erie
Palmyra
Mendon
Buffalo
Fayette
Manchester
South Bainbridge
Perrysburg
Freedom
Farihy Finger
Colesville
New York
Tranon’i Joseph Knight rainy
Farihy Erie
Kanada
Tranon’i Joseph Smith zanany
Etazonia
Thompson
Renirano Susquehanna
Harmony
Cleveland
Kirtland
Pennsylvania
Ohio
Amherst
Orange
Hiram
Kilaometatra
0 50 100 150 200
A B D E F G H I
1 2 3 4
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
-
South Bainbridge Tao no nivady i Joseph Smith zanany sy i Emma Hale ny 18 janoary 1827 (jereo JS—T 1:57).
-
Colesville Tao an-tranon’i Joseph Knight rainy, tao an-tanànan’i Colesville, no natsangana ny sampana voalohany tao amin’ny Fiangonana tamin’ny taona 1830.
-
Tranon’i Joseph Smith zanany tao Harmony Tao no namitana ny ankamaroan’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Teo amin’ny moron’ny Renirano Susquehanna no namerenana indray ny fisoronana ny taona 1829 (jereo F&F 13; 128:20; JS—T 1:71–72).
-
Fayette Tao no nahitan’ireo Vavolombelona Telo ny anjely Môrônia sy ny takelaka volamena (F&F 17). Vita tao tamin’ny volana jona 1829 ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Naorina tao ny Fiangonana ny 6 aprily 1830 (jereo F&F 20–21).
-
Mendon Isan’ny toerana voalohany nonenan’i Brigham Young sy i Heber C. Kimball.
-
Kirtland Nijanona tao ireo misiônera avy any Kirtland izay nirahina hankany amin’ny Lamànita tamin’ny taona 1830, ka nanao batisa an’i Sidney Rigdon sy ireo hafa tao amin’ny faritr’i Kirtland. Foiben’ny Fiangonana izany ny taona 1831 ka hatramin’ny taona 1838. Naorina tao Kirtland ny tempoly voalohany amin’izao fotoampitantanana izao ary notokanana ny 27 martsa 1836 (jereo F&F 109).
-
Lakandrano Erie Ireo sampana telon’ny Fiangonana tao New York (Colesville, Fayette, sy Manchester) dia nifindra tao Kirtland, Ohio, nandalo ny Lakandrano Erie sy ny Farihy Erie, ny volana aprily sy mey 1831.
-
Hiram Nonina tao i Joseph sy i Emma nanomboka ny volana septambra 1831 ka hatramin’ny volana septambra 1832. Niasa ny Baiboly, dikan-tenin’i Joseph Smith (DJS) i Joseph sy i Sidney Rigdon. Noraisina tao ireto fanambarana ireto: F&F 1, 65–71; 73; 76–77; 79–81; 99; 133.
-
Amherst Notohanana ho Filohan’ny Fisoronana Avo i Joseph Smith ny 25 janoary 1832 (jereo F&F 75).
-
Toronto Fonenan’i John Taylor, Filoha fahatelon’ny Fiangonana sy i Mary Fielding Smith, vadin’i Hyrum Smith.