5. Ny Faritr’i Missouri, Illinois, ary Iowa any Etazonia
Ava.
Winter Quarters
Council Bluffs (Kanesville)
Tendrombohitra Pisgah
Iowa
Renirano Platte
Nauvoo
Garden Grove
Ramus
Montrose
Faritanin’ny Indiana
Renirano Missouri
Renirano Grand
Carthage
Renirano Chariton
Springfield
Quincy
Adama-ondia-Amàna
Renirano Mississippi
Illinois
Gallatin
Shoal Creek
Fitotoambarin’i Hawn
Renirano Fishing
Far West
DeWitt
Missouri
Liberty
Richmond
McIlwaine’s Bend
Fort Leavenworth
Independence
Renirano Missouri
St. Louis
Fivondronan’i Jackson
Kilaometatra
0 50 100 150 200
A B D E F G H I
1 2 3 4
1
2
3
4
5
6
7
8
9
-
Independence Nambara ho ny ivon-toeran’i Ziona (jereo F&F 57:3). Natokana tao ny 3 aogositra 1831 ny toerana iray ho an’ny tempoly. Noroahina avy tao Jackson County ny Olomasina tamin’ny taona 1833.
-
Renirano Fishing Nandeha avy any Kirtland, Ohio, nankany Missouri i Joseph Smith sy ny Tobin’i Ziona tamin’ny taona 1834 mba hamerina ireo Olomasin’ny Fivondronan’i Jackson tamin’ny taniny. Teo amin’ny moron’io renirano io no nanambarana ny F&F 105.
-
Far West Io no fiorenam-ponenana Môrmôna lehibe indrindra tao Missouri. Natokana tao amin’io toerana io ny toerana iray ho an’ny tempoly (jereo F&F 115). Tao tamin’ny 8 jolay 1838 no nandraisain’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifilolo ny antso avy amin’ny Tompo hanao asa fitoriana any amin’ireo nosy Anglisy (jereo F&F 118).
-
Adama-ondia-Amàna Ny Tompo dia nanambara io toerana ao Missouri ambony io ho ny toerana izay hisian’ny fivoriana lehibe rehefa avy i Jesoa Kristy hihaona amin’i Adama sy ireo taranany marina (jereo F&F 78:15; 107:53–57; 116).
-
Fonjan’i Liberty Nogadraina tsy ara-drariny tao i Joseph Smith sy ireo hafa ny volana desambra 1838 ka hatramin’ny volana aprily 1839. Niantso ny Tompo mba hahazo fitarihana i Joseph tao anatin’ireo fotoan-tsarotra nolalovan’ny Fiangonana, ary nahazo ny F&F 121–123.
-
Nauvoo Io toerana miorina eo amin’ny Renirano Mississippi io no toerana nivorian’ny Olomasina ny taona 1839 ka hatramin’ny taona 1846. Naorina tao ny tempoly, ary natomboka ireo ôrdônansy toy ny batisa ho an’ny maty, ny fanafiana masina, ary ny famehezana ny mpivady. Tao no nananganana ny Fikambanana Ifanampiana ny taona 1842. Isan’ny fanambarana noraisina tao ny F&F 124–129.
-
Carthage Tao no namonoana ho maritiora ny Mpaminany Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny ny 27 jona 1844 (jereo F&F 135).
-
Winter Quarters Toerana lehibe indrindra nipetrahan’ny Olomasina nandritra ny fotoana fohy (1846–1848) raha teny an-dalana ho any amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Natsangana ny tobin’i Isiraely ho an’ny dia miankandrefana (jereo F&F 136).
-
Council Bluffs (Kanesville) Notohanana tao ny Fiadidiana Voalohany ny 27 desambra 1847, ary i Brigham Young no Filoha.