Ireo loharano hafa
Fampianarana Isan-tokantrano


Fampianarana ny Filazantsara

Nanambara ny Tompo hoe: “Ary omeko anareo ny didy mba hifampianaranareo ny fotopampianaran’ ny fanjakana. Mampianara amin’ ny fahazotoana tokoa dia homba anareo ny fahasoavako, mba hahazoana mampianatra anareo misimisy kokoa ny amin’ ny foto-pisainana, ny amin’ ny fitsipika, ny amin’ ny fotopampianarana, ny amin’ ny lalàn’ ny filazantsara, ny amin’ ny zava-drehetra izay mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra izay ilaina ho takatrareo” (F&F 88:77–78).

Manome andraikitra masina antsika ny Tompo rehefa nanome izany didy izany. Mitarika antsika hanana fahafahana tsy tambo isaina hanao asa fanompoana manan-danja koa izany. Vitsy ireo zavatra iainana izay azo oharina amin’ny fifaliana azo avy amin’ny fanampiana ireo hafa hianatra sy hiaina ny filazantsara.

Ity didy hampianatra ity dia miantefa aminao, na dia tsy manana antso ôfisialy ho mpampianatra aza ianao. Manana fahafahana hampianatra ianao amin’ny maha-olona ao amin’ny fianakaviana anao, amin’ny maha-mpampianatra isan-tokantrano na mpamangy isan-tokantrano anao, ary amin’ny maha-mpiara-miasa sy mpifanolobodirindrina ary namana mihitsy anao. Indraindray dia mampianatra amin’ny alalan’ireo teny izay efa nomaninao holazaina ianao. Indraindray afaka manararaotra ireo fotoana fohy sy tsy voaomana ianao izay ahafahanao mizara ny fahamarinan’ny filazantsara. Fa ny ankamaroan’ny fotoana dia mampianatra amin’ny alalan’ny ohatra ianao.

Mampianatra toy ny Fomba Nampianaran’ny Mpamonjy

Araho ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ao anatin’ny ezaka ataonao mba hampianatra ny filazantsara. Halalino ireo tantaran’ny asa fanompoany teto an-tany ary mitadiava fomba mba hampianarana tahaka ny nampianarany. Nampiseho fitiavana sy fiahiana avy amin’ny fo tamin’ireo izay notompoiny Izy. Nankahery ireo olona tsirairay Izy, tamin’ny fampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara tamin’ny fomba iray izay hanampy azy ireo amin’ny zavatra ilainy manokana avy. Namoha tao anatin’ireo sasany ny faniriana hahatakatra sy hiaina ny filazantsara Izy. Misy fotoana nametrahany fanontaniana izay hanampy ireo olona hampihatra ny zavatra nampianariny azy ireo. Nampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara izay mitondra famonjena Izy, ary nanampy ireo nihaino Azy hahatakatra ny zavatra nilain’izy ireo ho fantatra, sy hatao ary ny toetra tokony hananan’izy ireo mba hahafahan’izy ireo hahazo ilay fanomezana ny fiainana mandrakizay.

Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy ianao dia hampivoatra sy hanome hery ny hafa ny fampianaranao, ary hanamafy orina ny finoany sy hanome azy ireo fahatokian-tena hiatrehana ireo fanambin’ny fiainana. Hamporisika azy ireo hahafoy ny fahotana sy hankatò ireo didy izany. Hanampy azy ireo hanatona an’i Kristy sy hitoetra ao amin’ny Fitiavany izany.

Fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy

Nilaza ny Tompo hoe: “Ary homena anareo ny Fanahy amin’ ny fivavaky ny finoana; ary raha tsy mandray ny Fanahy ianareo dia tsy hampianatra” (F&F 42:14). Ny Fanahy, na ny Fanahy Masina dia mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra. Ny tanjona irain’ny Fanahy dia ny “haneho ny fahamarinan’ny … zava-drehetra” (Môrônia 10:4–5). Amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy ihany no ahafahan’ny fampianarana ny filazantsara ho lasa mitondra hery sy manentana ny fanahy.

Ianao dia nomena tombontsoa mba ho mpampianatra ny filazantsara ka amin’ny alalanao, izay fitaovana no ahafahan’ny Fanahy Masina mampianatra, mijoro ho vavolombelona, mampionona ary manentana ny fanahy. Nampianatra ny mpaminany Nefia hoe: “Fa rehefa miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny olona iray, ny herin’ ny Fanahy Masina dia mitondra izany hankany am-pon’ ny zanak’ olombelona” (2 Nefia 33:1).

Raha toa ka miomana ara-panahy ianao dia hanampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hataonao sy holazainao amin’ny fampianaranao ny Fanahy Masina. Ianao dia afaka miomana amin’ny alalan’ny fivavahana matetika, fandalinana ny soratra masina, fiainana ny filazantsara ary ny fananana fanetren-tena.

Ireo Fomba Fampianarana

Hahomby kokoa ny fampianaranao rehefa mampiasa fomba fampianarana sahaza maro samihafa ianao. Ohatra, afaka mizara tantara sy ohatra ianao mba hihazonana ny fifantohan-tsain’ny olona ary mba hampisehoana ny fomba fihatran’ ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro. Afaka mampiasa sary sy zavatra azo tsapain-tanana ianao mba hanamafisana ny fahatakaran’ny hafa ny tantara ao amin’ny soratra masina sy ireo fitsipiky ny filazantsara. Amin’ny alalan’ny hira dia afaka ny hanasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy afaka haneho ny fihetseham-po izay sarotra avoaka amin’ny fomba hafa ianao sy ireo izay ampianarinao. Afaka mametraka fanontaniana izay mamporisika fandalinana sy fifanakalozan-kevitra manan-danja ianao ary mitarika any amin’ny fizarana ireo zavatra niainan’ny tena manokana amin’ny fomba araka ny tokony ho izy. Afaka manampy ireo mpianatra hampifantoka ny sainy ianao amin’ny alalan’ny fanaovana asa tsotra.

Rehefa mikasa ny hampiasa fomba fampianarana iray ianao dia apetraho amin’ny tenanao aloha ireto fanontaniana manaraka ireto: Moa ve hanasa ny fitarihan’ny Fanahy ity fomba ity? Mifanentana amin’ny fahamasinan’ireo fitsipika izay ampianariko ve izany? Hankahery sy hanamafy orina ireo olona ampianariko ve izany?

Tsarovy fa misolo tena ny Tompo ianao amin’ny maha-mpampianatra ny filazantsara anao. Ataovy azo antoka tsara fa ny zavatra rehetra ataonao sy teneninao dia feno fanajana sy araky ny Sitrapony.

Mba hahitanao ireo torohevitra fanampiny mikasika ny fampianarana ny filazantsara dia azonao jerena ny L’Enseignement, Pas de Plus Grand Appel (36123); ny Boky Torolalana ho an’ny Fampianarana (34595); ary ny “L’enseignement de l’Evangile,” fizarana 5.5 ao amin’ny Manuel 2: Administration de l’Église (08702).