Ireo loharano hafa
Fahamarinana


Fahamarinana

Ny fahamarinana na ny hitsiny dia ilay lalàna tsy miova izay mitondra ny vokatr’ireo asa natao. Noho ny lalàn’ny fahamarinana dia mandray ireo fitahiana ianao rehefa mankatò ireo didin’Andriamanitra (jereo ny F&F 130:21–22). Ny lalàn’ny fahamarinana koa dia mitaky ny fanefana sazy amin’ireo fahotana tsirairay nataonao. Izany dia mitaky ilay hoe tsy misy zavatra tsy madio afaka hiara-hitoetra amin’Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 10:21).

Rehefa nanatanteraka ny Sorompanavotana ny Mpamonjy dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika. Izy no “nahefa ny fitakian’ny lalàna” (2 Nefia 2:7) satria nanaiky nanefa ilay sazy izay takian’ny lalàna ho an’ireo otantsika Izy. Rehefa nanao izany izy dia “nanefa ny fitakian’ny fahamarinana” ary naneho famindram-po tamin’ny olona tsirairay izay mibebaka sy manaraka Azy (jereo ny Môsià 15:9; Almà 34:14–16). Tsy handalo izany fanasaziana izany ianao raha toa ka mibebaka satria efa nanonitra ny saran’ny otanao Izy (jereo ny F&F 19:15–20).