Ireo loharano hafa
Fahamarinan-toetra


Fahamarinan-toetra

Ny fanekem-pinoana faha-13 dia milaza hoe: “Mino isika fa tokony ho marina.” Ny dikan’ny hoe marin-toetra dia mahitsy fo, marina, ary tsy mandainga amin’ny fotoana rehetra.

Afaka manana fiadanan-tsaina sy manaja ny tenanao ianao rehefa marin-toetra amin’ny lafiny rehetra. Manorina toetra matanjaka ianao izay ahafahanao manompo an’Andriamanitra sy ny hafa. Olona azo itokiana ianao eo imason’Andriamanitra sy ireo manodidina anao.

Etsy andaniny, raha toa ka tsy marin-toetra ianao eo amin’ny fiteninao sy ny fihetsikao dia mandratra ny tenanao ary matetika mandratra ny hafa ihany koa. Raha toa ka mandainga, mangalatra, na mamitaka na tsy manatanteraka ny asa rehetra tokony hatao izay andraisanao karama ianao dia manary ny hajan’ny tenanao ianao. Manary ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao. Ho hitanao fa noravanao ny fifandraisanao tamin’ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny namanao ary tsy matoky anao intsony ny olona.

Matetika ny hoe marin-toetra dia mitaky herimpo sy fahafoizan-tena, indrindra rehefa miezaka ny mandresy lahatra anao hanamarina toetra tsy mendrika ny olon-kafa. Raha toa ka tafalatsaka ao anatin’ny toe-javatra toy izany ianao dia tsarovy fa ny fiadanana maharitra izay azo avy amin’ny fahamarinan-toetra dia sarobidy kokoa mihoatra noho ny fahatsapana ho maivamaivana mandritra ny fotoana fohy vokatry ny fanarahana ny maro an’isa.