Ireo loharano hafa
Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ity boky ity dia natao ho fitaovana ampiarahana amin’ny fandalinanao ny soratra masina sy ireo fampianaran’ny mpaminanin’ny andro farany. Manentana anao izahay mba hampiasa azy rehefa mandalina sy mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara. Ampiasao ho toy ny loharanon-kevitra izany rehefa manomana lahateny sy mampianatra kilasy ianao ary rehefa mamaly fanontaniana mikasika ny Fiangonana.

Rehefa mianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ianao dia hitombo ny fahatakaranao ny drafitra mandrakizain’ny Ray any an-danitra. Afaka manao safidy tsara ianao, miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ary mahita fifaliana eo amin’ny fiainana miaraka amin’izany fahatakarana izany ho fototra iorenan’ny fiainanao. Hihamatanjaka ny fijoroana ho vavolombelonao. Hiorina mafy ao amin’ny finoana ianao.

Mahatsiaro manokana anareo zatovolahy sy zatovovavy, sy tanora tokan-tena ary olona vao niova fo izahay. Mampanantena anareo izahay fa amin’ny alalan’ny fanaovana tsy tapaka ny vavaka ataon’ny tena manokana sy fandalinana ny soratra masina ary ireo fotopampianaran’ny filazantsara dia ho vonona ianareo hanohitra ireo fisarihan’ny ratsy izay mety hamitaka sy hanimba anareo.

Enga anie ity boky ity hanamafy ny ezaka ataonareo hanatona akaiky ny Mpamonjy sy hanaraka ny ohatra nasehony.

Ny Fiadidiana Voalohany

Ireo Lohahevitry ny Filazantsara

Nalahatra araky ny Abidia