Ireo loharano hafa
Fitantanana ny Fiangonana


Fitantanana ny Fiangonana

I Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana. Ny tanjon’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hanampy ny olon-drehetra hanatona Azy (jereo ny Môrônia 10:32). Mba hanatontosana izany tanjona izany dia narafitra araka ny lamina nambaran’ny Tompo ny Fiangonana “ho fanatanterahana ny olona masina, … mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra” (Efesiana 4:12–13; jereo koa ny Efesiana 4:11). Mamintina ny lamin’ny Fiangonana ireto fanazavana manaraka eto ity.

Tokantrano sy Fianakaviana

Ny fianakaviana no rafitra fototra ao amin’ny Fiangonana, ary ny tokantrano no toerana manan-danja indrindra ianarana ny filazantsara. Tsy misy fikambanana hafa afaka manolo ny toeran’ny fianakaviana. Na dia mihamitombo aza ny Fiangonana, ny tanjony dia ny hanohana sy hanamafy orina ny fianakaviana sy ny olona tsirairay foana eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo mba hiaina ny filazantsara.

Fitantanana amin’ny Ankapobeny

Ny Tompo dia mitarika ny vahoakan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny Filohan’ny Fiangonana ankehitriny, izay tohanana ho mpaminany, mpahita ary mpanambara. Miahy ny Fiangonana manontolo ny Filohan’ny Fiangonana. Izy sy ireo mpanolotsainy, izay mpaminany, mpahita ary mpanambara ihany koa no mandrafitra ny Kôlejin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo koa dia mpaminany, mpahita ary mpanambara. Izy ireo, miaraka amin’ny Fiadidiana Voalohany no “vavolombelona manokan’ ny anaran’ i Kristy eran’ izao tontolo izao” (F&F 107:23). Manao asa eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany izy ireo “amin’ ny fanorenana ny fiangonana sy fitantanana ny raharahany rehetra any amin’ ny firenen-drehetra” (F&F 107:33). “[M]anokatra ny varavaran[’ny firenena] amin’ ny alalan’ ny fitoriana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy” izy ireo (F&F 107:35).

Nantsoina hitory ny filazantsara sy hanorina ny Fiangonana ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy. Miasa eo ambany fitarihan’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny fitarihan’ireo rahalahy fito izay antsoina hanompo ho Fiadidian’ny Fitopololahy izy ireo. Voatendry ho Manampahefana Ambony ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy ary azo antsoina hanompo na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao izy ireo.

Ny Episkôpà Mpiahy no fiadidian’ny Fisoronana Aharôna manerana ny Fiangonana manontolo. Ny Eveka Miahy sy ireo mpanolotsainy dia manompo eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany amin’ny fitantanana ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonana.

Ireo fikambanana toy ny Zatovolahy, Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy, Kilonga ary ny Sekoly Alahady dia samy manana ny fiadidiany daholo amin’ny ankapobeny mba hanome torolalana sy fitarihana.

Fitantanana eo anivon’ny Vondrom-paritra

Ny vondrom-paritra no fisarantsaraham-paritra lehibe indrindra eo amin’ny Fiangonana. Manome andraikitra ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Fiadidiana Voalohany mba hanara-maso mivantana ireo vondrom-paritra sasantsasany voatondro Fiangonana eo ambany fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Any amin’ny vondrom-paritra hafan’ny Fiangonana dia manome andraikitra ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra ny Fiadidiana Voalohany mba hiahy izany faritra izany. Ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra iray dia ahitana filoha, izay mazàna avy ao amin’ny Kôlejy Voalohany na Faharoa ao amin’ny Fitopololahy, sy mpanolotsaina roa, izay mety avy amin’ny Kôlejy hafa ao amin’ny Fitopololahy. Ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra dia miasa eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany, sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, ary ny Fiadidian’ny Fitopololahy.

Misy ireo rahalahy sasany izay tendrena ao amin’ny anjara fanompoan’ny Fitopololahy kanefa tsy manompo ho toy ny Manampahefana Ambony. Antsoina hoe Fitopololahy Manampahefan’ny Vondrom-paritra izy ireny, ary ao amin’ny kôlejy hafa ankoatry ny Kôlejy Voalohany na Faharoa ao amin’ny Fitopolahy izy ireny, arakaraky ny faritra. Voafetra amin’ireo faritra ankapobeny izay onenany ny faritra iadidian’ izy ireo. Misy Fitopololahy Manampahefan’ny Vondrom-paritra sasany manompo ao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra.

Fitantanana eo An-toerana

Paroasy sy Sampana.

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia notsinjaraina ho vondrona mpiangona izay mihaona matetika hampivoarana ny ara-panahy sy ny ara-tsosialy. Ireo vondrona mpiangona lehibe dia antsoina hoe paroasy. Ny paroasy tsirairay dia tarihin’ny eveka iray, izay ampian’ny mpanolotsaina roa.

Ireo vondrona mpiangona kely dia antsoina hoe sampana. Ny sampana tsirairay dia tarihin’ny filohan’ny sampana iray, izay ampian’ny mpanolotsaina roa. Azo aorina ny sampana iray rehefa misy farafahakeliny fianakaviana roa mpikambana mipetraka eo amin’ny faritra iray ary ny iray amin’ireo mpikambana dia mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika na mpisorona mendrika ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Ny fiadidian’ny tsatòka, misiôna na distrika no manorina sy manara-maso ny sampana. Afaka miakatra ho lasa paroasy ny sampana raha toa ka tafiditra ao amin’ny faritry ny tsatòka iray izany.

Mandrakotra faritra iray manokana ny paroasy na sampana tsirairay. Mitondra anjara biriky ao amin’ny asan’ny Tompo ireo fikambanana samihafa ao amin’ny paroasy na sampana: ireo vondron’ny mpisorona avo; ireo kôlejin’ny loholona; ny Fikambanana Ifanampiana, ho an’ireo vehivavy 18 taona no ho miakatra; ireo Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, ho an’ny zatovolahy 12 taona ka hatramin’ny 17 taona; ny fandaharan’asan’ny Zatovovavy, ho an’ireo zatovovavy 12 taona ka hatramin’ny 17 taona; ny Kilonga, ho an’ireo ankizy madinika 18 volana ka hatramin’ny 11 taona; ary ny Sekoly Alahady, ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra manomboka ny 12 taona no ho miakatra. Ireo fikambanana tsirairay ireo dia manatanteraka andraikitra manan-danja eo amin’ny fampianarana ny filazantsara, fanaovana asa fanompoana, ary fanohanana ireo ray aman-dreny ao anatin’ilay adidiny masina mba hanampy ireo ankizy hiova fo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo fikambanana ireo koa dia miara-miasa mba hanampiana ireo mpikambana hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Tsatòka, Misiôna, ary Distrika.

Ny ankamaroan’ny faritra izay nanorenana ny Fiangonana dia zaraina ho tsatòka. Ny teny hoe tsatòka dia avy tamin’ny mpaminany Isaia, izay naminany fa ny Fiangonana amin’ny andro farany dia ho toy ny lay, izay hazonin’ny tsatòka mafy tsara (jereo ny Isaia 33:20; 54:2). Matetika dia misy paroasy sy sampana 5 ka hatramin’ny 12 ao amin’ny tsatòka iray. Ny tsatòka tsirairay dia tarihin’ny filohan’ny tsatòka iray, izay ampian’ny mpanolotsaina roa. Manao tatitra sy mandray torolalana avy any amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy na ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra ireo filohan’ny tsatòka.

Ny misiôna dia vondrona iray ao amin’ny Fiangonana izay araky ny mahazatra dia misahana faritra lehibe kokoa noho izay sahanin’ny tsatòka iray. Ny misiôna tsirairay dia eo ambany fiahian’ny filohan’ny misiôna iray, izay ampian’ny mpanolotsaina roa. Manao tatitra mivantana amin’ireo Manampahefana Ambony ireo filohan’ny misiôna.

Toy ny maha-paroasy amin’ny endriny kelikely kokoa ny sampana, dia tsatòka amin’ny endriny kelikely kokoa ny distrika. Aorina ny distrika rehefa misy sampana maromaro hita eo amin’ny faritra iray, ka mora ny fifandraisana ary tsy manahirana ny fandehanana mamonjy ny fivorian’ny distrika. Antsoina hiahy izany ny filohan’ny distrika iray, miaraka amin’ny fanampian’ny mpanolotsaina roa. Manao tatitra amin’ny filohan’ny misiôna ny filohan’ny distrika. Afaka miova ho lasa tsatòka ny distrika.

Fandaharan’asa ho an’ireo Mpikambana Tokan-tena.

Maro ireo mpikamban’ny Fiangonana no tsy nanambady mihitsy na efa nisara-panambadiana na mananotena. Voasokajy ao anatin’ny vondrona anankiroa ireo mpikambana ireo: tanora tokan-tena (18 taona ka hatramin’ny 30 taona) ary ny olon-dehibe tsy manambady (31 taona no ho miakatra).

Tsy misy ny fandaharan’asa iray manokana maneran-tany ho an’ ireo tanora tokan-tena sy olon-dehibe tsy manambady. Fa kosa rehefa misy maromaro ny isan’ireo mpikambana tokan-tena mipetraka eo amin’ny faritra iray dia amporisihina ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana mba hiantso solontenan’ny mpikambana tokan-tena, izay miasa eo ambanin’ny fitarihan’izy ireo. Ireo solontenan’ny mpikambana tokan-tena ireo dia mamolavola fiaraha-mientana toy ny fandihizana, fanaovana asa fanompoana ary takariva amorom-patana. Ireo fiaraha-mientana ireo dia manome fahafahana ireo mpikambana tokan-tena hihaona sy hifanome hery. Amporisihina koa ireo mpikambana tokan-tena mba hihaona matetika amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana, mba hiresaka mikasika ny zavatra ilainy sy azony atao hahazoana mitombo ara-panahy sy manao asa fanompoana.