Ireo loharano hafa
Fahariana


Fahariana

Nahary ny lanitra sy ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray any an-danitra i Jesoa Kristy (jereo ny Môsià 3:8; Mosesy 2:1). Fantatsika avy amin’ireo soratra masina nambara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith fa akora efa nisy no nampiasain’ny Tompo tao anatin’ny asan’ny Fahariana (jereo ny Abrahama 3:24). Tsy namorona ny tany “avy tamin’ny zavatra tsy nisy” akory Izy tahaka ny finoan’ny olona sasany.

Mampianatra koa ny soratra masina fa i Adama no “olona voalohany tamin’ ny olona rehetra” (Mosesy 1:34). Noharian’Andriamanitra araka ny endriny sy araky ny endrin’ny Zanany Lahitokana i Adama sy i Eva (jereo ny Mosesy 2:26–27).

Mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra ny Fahariana. Manome antsika tsirairay avy fahafahana ho tonga ety an-tany izany, izay handraisantsika vatana nofo sy taolana sy hampiasantsika ny fahafahantsika misafidy. Nandritra ny Filankevitry Ny Andriamanitra talohan’ny fiainana an-tany dia natao izao fanambarana manaraka izao: “Hidina isika fa misy toerana eny, ary haka amin’ ireto akora ireto isika dia hanao tany iray izay hahazoan’ ireto mitoetra; dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo” (Abrahama 3:24–25).

Fanahy zanak’Andriamanitra ianao ary nohariana araka ny Endriny ny vatanao. Mba hanehoana ny fankasitrahanao ireo fitahiana ireo dia afaka mikolokolo ny vatanao amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena sy ireo didy hafa mifandray amin’ny fahasalamana ara-panahy sy ara-batana ianao (jereo ny F&F 89; jereo koa ny 88:124). Afaka manaja ny olona hafa koa ianao amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy ireo.

Noho ianao mahazo tombontsoa avy amin’ireo zavatra kanton’ny fahariana rehetra ireo, dia afaka mikarakara ny tany sy miaro izany ho an’ireo taranaka ho avy ianao.