Ireo loharano hafa
Fahadiovam-pitondrantena


Fahadiovam-pitondrantena

Ny fahadiovam-pitondrantena izay fahadiovana eo amin’ny fitondran-tena dia fepetra iray izay “zavatra mahafinaritra an’Andriamanitra” (Jakoba 2:7). Raha te-hadio ara-pitondrantena ianao dia tokony hadio ny eritreritrao, sy ny fiteninao ary ny fihetsikao. Tsy tokony hanao firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana ara-dalàna ianao. Rehefa manambady ianao dia tokony ho mahatoky tanteraka amin’ny vadinao.

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia zavatra tena tsara sy masina. Tendrin’Andriamanitra izany mba ho entina hihariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana ao anatin’ny fanambadiana.

Ankehitriny eto amin’izao tontolo izao dia tarihin’i Satana hino ny olona maro fa azo ekena ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Kanefa eo imason’Andriamanitra izany dia ota goavana tokoa. Fanararaotana ny fahefana nomeny antsika mba hanomezana aina izany. Nampianatra ny mpaminany Almà fa ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo dia lehibe kokoa mihoatra noho ireo fahotana hafa afa-tsy ny fandatsahan-drà sy ny fandavana ny Fanahy Masina (jereo ny Almà 39:3–5).

Indraindray ny olona dia miezaka ny mandresy lahatra ny tenany fa ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana dia azo ekena raha toa ka mifankatia ireo olona voakasik’izany. Tsy marina izany. Ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny famporisihana ny olona hafa hanao izany dia tsy endriky ny fanehoam-pitiavana. Ireo olona izay mifankatia dia tsy hanao mihitsy zavatra hitera-doza amin’ny fahasambarana sy filaminana eo amin’izy ireo ho takalon’ny fahafinaretan’ny tena manokana izay mandalo fotsiny.

Raha toa ny olona ka mifanampy tsara eo amin’ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondran-tena dia mitombo ny fitiavan’izy ireo sy ny fahatokiany ary ny fanoloran-tenany, izay hiteraka fahasambarana sy firaisan-kina bebe kokoa. Ny mifanohitra amin’izay indray no miseho amin’ny fifandraisana aorina eo amin’ny tsy fahadiovana ara-pitondrantena, izay vetivety dia rava. Ireo izay mirotsaka ao anatin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena dia matetika matahotra, mahatsapa ho meloka, ary menatra. Tsy ela dia soloin’ny alahelo, fahasarotam-piaro ary fankahalana ireo fahatsapan-javatra tsara izay nisy teo amin’ny fifandraisan’izy ireo.

Nomen’ny Raintsika any an-danitra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena isika mba hiarovana ny tenantsika. Zava-dehibe ny fankatoavana izany lalàna izany mba hahazoana fiadanana ho an’ny tena manokana sy tanjaka eo amin’ny toetra ary fahasambarana ao amin’ny tokantrano. Rehefa mitandrina ny ho madio ara-pitondrantena ianao dia tsy ho tratran’ny faharatrana ara-panahy sy ara-pihetseham-po izay mazàna mitranga noho ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny olona ivelan’ny fanambadiana. Hahatsapa mora foana ny fitarihana, ny tanjaka, ny fankaherezana sy ny fiarovana avy amin’ny Fanahy Masina ianao ary hahafeno fepetra takiana iray izay manan-danja amin’ny fandraisana ny fahazoan-dalana hiditra ny tempoly sy ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy ao amin’ny tempoly.

Fahotana eo amin’ny Fanaovana Firaisana ara-nofo

Manameloka ny tsy fahadiovam-pitondrantena eo amin’ny firaisana ara-nofo ny Tompo sy ireo Mpaminaniny. Ireo firaisana ara-nofo rehetra atao ivelan’ny fanambadiana dia mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary mampidi-doza ara-batana sy ara-panahy ho an’ireo izay manao izany.

Ny Didy Folo dia ahitana ilay didy hoe tsy tokony hijangajanga isika, izany hoe fanaovan’ny lehilahy manambady iray firaisana ara-nofo amin’ny olona iray hafa ankoatra ny vadiny na ny fanaovan’ny vehivavy iray manambady firaisana ara-nofo amin’ny olon-kafa ankoatra ny vadiny (jereo ny Eksodosy 20:14). Nilaza ny Apôstôly Paoly fa “ny sitrapon’Andriamanitra” dia ny “hifadia[ntsika] ny fijangajangana,” izany hoe ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny olona iray tsy manambady sy ny olona iray hafa na iza izy na iza (1 Tesaloniana 4:3). Nampitandrina tsy tapaka mikasika ireo fahotana ireo sy ny fomba ratsy hoe fanararaotana ara-nofo ireo mpaminanin’ny andro farany.

Fahotana lehibe ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lehilahy na eo amin’ny samy vehivavy, toy ireo karazana fandikana hafa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Mifanohitra amin’ireo tanjon’ny fananahana eo amin’ny olombelona izany (jereo ny Romana 1:24–32). Manimba ny fifandraisana feno fitiavana izany ary manakana ny olona tsy handray ny fitahiana izay hita eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana sy ao amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara.

Ny tsy fanaovana fotsiny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana dia tsy ampy eo anatrehan’ny fenitry ny fahadiovam-pitondrantena nataon’ny Tompo ho an’ny tena manokana. Mitaky fenitra ambony ara-pitondrantena eo amin’ny mpianany ny Tompo, ka ao anatin’izany ny fahatokiana tanteraka amin’ny vady na eo amin’ny eritreritra na amin’ny fitondrantena. Nilaza Izy tamin’ny Toriteny nataony teo An-tendrombohitra hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: “Aza mijangajanga”: Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady” (Matio 5:27–28). Amin’izao andro farany izao Izy dia nilaza hoe: “Tsy … hanitsakitsa-bady, … na hanao zavatra toy izany [ianao]” (F&F 59:6). Ary naveriny namafisina ilay fitsipika izay nampianariny nandritra ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Fa ny lehilahy izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy, na raha misy manitsakitsa-bady ao am-pony, dia tsy hanana ny Fanahy izy fa handa ny finoana ary hatahotra” (F&F 63:16). Mihatra amin’ny olona rehetra izany fampitandremana izany, na manambady izy na mpitovo.

Raha toa ianao ka nanota teo amin’ny lafiny fanaovana firaisana ara-nofo dia miresaha amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao mba hahafahany manampy anao handalo ny dingan’ny fibebahana (jereo ny “Fibebahana,” pejy 130–35).

Raha toa ianao ka sahirana eo anatrehan’ireo fakam-panahin’ny firaisana ara-nofo, ka ao anatin’izany ny fahatsapana ho voasarika amin’ny lehilahy raha lehilahy ianao ary amin’ny vehivavy raha vehivavy ianao dia aza manaiky ho tafarotsaka ao anatin’ireo fakam-panahy ireo. Manàna fahatokiana fa afaka misafidy ny hisoroka ny fihetsika toy izany ianao. Afaka mahazo ny fanampian’ny Tompo ianao raha toa ka mivavaka mba hahazo tanjaka ary miasa mba handresena ilay olana. Tafiditra ao anatin’izany dingana izany koa ny tokony hangatahanao torohevitra avy amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao. Hanampy anao izy.

Ny Fitandremana ny Lalàn’ny Fahadiovam-pitondrantena

Na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho herin’ny fakam-panahy dia hanampy anao ny Tompo hanohitra azy ireny raha toa ka misafidy ny hanaraka Azy ianao. Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany” (1 Korintiana 10:13). Ireto torohevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao handresy ireo fakam-panahy mitranga matetika sy miharihary eto amin’izao tontolo izao ankehitriny:

Manapaha hevitra manomboka androany ny ho madio fitondrantena.

Indray mandeha ihany ianao no mila mandray izany fanapahan-kevitra izany. Raiso manomboka androany ilay fanapahan-kevitra, alohan’ny hahatongavan’ny fakam-panahy, ary ataovy mafy orina miaraka amin’ny fanoloran-tena lalina ny fanapahan-kevitrao ka tsy ho azo hozongozonina velively. Manapaha hevitra manomboka androany fa ianao dia tsy hanao zavatra any ivelan’ny fanambadiana izay mamoha fihetseham-po mahery vaika izay tsy tokony haseho raha tsy ao anatin’ny fanambadiana irery ihany. Aza mamoha ireo fihetseham-po ireo ao amin’ny vatan’ny olona iray hafa na ao amin’ny vatanao. Manapaha hevitra manomboka androany fa ho vady mahatoky tanteraka ianao ho an’ilay vadinao.

Fehezo ny eritreritrao.

Tsy misy olona hahavita fahotana ara-piraisana ara-nofo tampotampoka eo. Ireo fihetsika maneho tsy fahadiovam-pitondrantena dia manomboka hatrany amin’ny eritreritra maloto. Raha mamela ny eritreritrao hifantoka amin’ny zavatra vetaveta ianao dia efa nanao ny dingana voalohany mankany amin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena sahady. Alaviro eo no ho eo ihany ireo toe-javatra izay mety hitarika any amin’ny ota. Mivavaha hahazo tanjaka foana hanoherana ny fakam-panahy ary fehezo ny eritreritrao. Ampidiro ao anatin’ny vavaka ataonao isan’andro izany.

Alaviro ny pôrnôgrafia.

Aza mijery, na mamaky na mihaino zavatra izay maneho na mamaritra ny vatan’olombelona na mamaritra ny fihetsika eo eo am-panaovana firaisana ara-nofo, amin’ny fomba izay mety hamoha ny filana te-hanao firaisana ara-nofo. Mampiankin-doha sy manimba ireo fitaovana ahitana ny pôrnôgrafia. Afaka manala tanteraka ny fanajanao ny tenanao sy ireo fahatsapana ny hakanton’ny fiainana izany. Afaka manimba anao tanteraka sy mitarika anao hanana eritreritra maloto sy fitondrantena mifono herisetra izany.

Raha toa ianao ka mpitovo na miaraka amin’ny olona iray, hajao hatrany ny olona izay miaraka aminao.

Aza raisina ho toy ny zavatra iray izay ampiasaina mba hahazoana fahafinaretana ara-piraisana ara-nofo izy. Mandrafeta amim-pitandremana zavatra atao izay tsara sy mahasoa mba hahafahanao sy ny olona miaraka aminao tsy hitokantokana nefa tsy misy atao. Mijanòna any amin’ireo toerana azo antoka izay ahafahanao mifehy mora foana ny tenanao. Aza mandray anjara amin’ny resaka na ny hetsika izay mamoha ireo fahatsapana filana te-hanao firaisana ara-nofo. Aza mifanoroka amim-pirehetampo fatratra, na mandry eo ambonin’ny olona iray hafa, na mikasika ny faritra manokana sy masina eo amin’ny vatan’ny olona iray hafa na miakanjo izy na tsia. Aza avela hisy olona hanao izany aminao.

Raha manambady ianao dia aoka ianao ho mahatoky amin’ny vadinao eo amin’ny eritreritrao sy ny fiteninao ary ny fihetsikao.

Nilaza ny Tompo hoe: “Ianao dia ho tia ny andefimandrinao amin’ ny fonao manontolo, ka hifikitra aminy fa tsy amin’ ny olona hafa. Ary izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia handà ny finoana ka tsy hanana ny Fanahy; ary raha tsy mibebaka izy dia horoahina hiala” (F&F 42:22–23). Aza maneho velively fihetsika amin’ny olona iray izay ahitana taratra fa te-hiaraka aminy ianao satria te-hanao firaisana ara-nofo aminy. Ialao arak’izay azo atao ny mijanona irery miaraka amin’ny lehilahy iray raha vehivavy ianao na miaraka amin’ny vehivavy iray raha lehilahy ianao. Manontania tena raha toa ka ho faly aminao ny vadinao raha toa ka fantany ny teny sy ny fihetsika ataonao. Tsarovy ny torohevitry ny Apôstôly Paoly mba “[hi]fady ny fanao ratsy rehetra” (1 Tesaloniana 5:22). Tsy hahazo laka ny fakam-panahy rehefa manalavitra toe-javatra toy izany ianao.

Famelan-keloka ho an’ireo Mibebaka

Ny fihetsika tsara indrindra dia ny fahadiovana ara-pitondrantena tanteraka. Tsy mety ny hoe manota ara-piraisana ara-nofo ianao ka mieritreritra hoe hibebaka tsotra fotsiny rehefa any aoriana. Fahotana koa izany toe-tsaina izany, izay mampiseho tsy fanajana ny Tompo sy ireo fanekempihavanana nataonao Taminy. Na dia izany aza, raha toa ianao ka nahavita fahotana ara-piraisana ara-nofo, dia manolotra famelan-keloka ho anao ny Tompo raha mibebaka ianao.

Sarotra ny fibebahana, saingy azo atao. Afaka ny ho madio indray ianao (jereo ny Isaia 1:18). Azo soloina amin’ilay fiadanana tena tsara avy amin’ny famelan-keloka ny fahakiviana vokatry ny ota. Mba hianarana izay tokony hataonao rehefa mibebaka dia jereo ao amin’ny “Fibebahana,” pejy 130–35).

Miasà ho an’ilay andro izay hahamendrika anao hiditra ny tempoly, araky ny fitarihan’ny tenin’ny Salamo hoe:

“Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina?

“Izay madio tanana sy mahitsy fo” (Salamo 24:3–4).