Ireo loharano hafa
Didy Folo


Didy Folo

Fitsipiky ny filazantsara mandrakizay izay ilaina amin’ny fisandratantsika ny Didy Folo. Nambaran’ny Tompo fahiny tamin’i Mosesy izy ireo (jereo ny Eksodosy 20:1–17), ary namerina nilaza izany indray Izy tao amin’ireo fanambarana amin’ny andro farany (jereo ny F&F 42:18–29; 59:5–13; 63:61–62). Ampahany manan-danja eo amin’ny filazantsara ny Didy Folo. Mitarika manokatra ny lalana mankany amin’ny fankatoavana ireo fitsipika hafan’ny filazantsara ny fankatoavana ireo didy ireo.

Ity fitanisana manaraka ny Didy Folo ity dia ahitana fanazavana fohifohy momba ny fomba hitohizan’izany mba hiantefan’izany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny:

  1. “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” (Eksodosy 20:3). Tokony hanao “ny zava-drehetra amin’ ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’Andriamanitra” isika (F&F 82:19). Tokony ho tia ny Tompo amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny herintsika rehetra isika (jereo ny Deoteronomia 6:5; F&F 59:5).

  2. “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao” (Eksodosy 20:4). Manameloka ny fitsaohana ireo sampy ny Tompo ao amin’ity didy ity. Mety hisy endriny maro samihafa ny fanompoana sampy. Mety tsy miankohoka eo amin’ny sary sokitra na sary mivongana ny olona sasany fa kosa manolo ilay Andriamanitra velona amin’ny sampy hafa toy ny vola, fananana, hevitra na laza. Eo amin’ny fiainany dia “ny hareny no andriamaniny”—andriamanitra iray izay “ho fongana miaraka aminy” (2 Nefia 9:30).

  3. “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao” (Eksodosy 20:7). Mba hahazoana fanazavana mikasika ity didy ity dia jereo ny “Fanimbazimbana,” pejy 109.

  4. “Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8). Mba hahazoana fanazavana mikasika ity didy ity dia jereo ny “Sabata” pejy 195–96.

  5. “Manajà ny rainao sy ny reninao” (Eksodosy 20:12). Mijanona ho manan-kery hatrany ity didy ity na dia efa lehibe aza isika. Tokony hitady ireo fomba hanehoana fanajana ny ray aman-drenintsika hatrany isika.

  6. “Aza mamono olona” (Eksodosy 20:13). Mba hahazoana fanazavana mikasika ny fomba iantefan’ity didy ity amin’ireo izay voantso handeha an’ady dia jereo ny “Ady,” pejy 3–4.

  7. “Aza mijangajanga” (Eksodosy 20:14). Ao amin’ny fanambarana amin’ny andro farany dia tsy vitan’ny manameloka ny fijangajangana fotsiny ny Tompo fa ireo “zavatra toy izany” koa (F&F 59:6). Fandikana ny didy fahafito daholo ny fanitsakitsaham-bady, ny firaisana ara-nofo eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ary ireo fahotana hafa eo amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Mba hahazoana fanazavana fanampiny dia jereo ny “Fahadiovam-pitondrantena,” pejy 28–34.

  8. “Aza mangalatra” (Eksodosy 20:15). Endriky ny tsy fahamarinan-toetra ny halatra. Mba hahazoana fanazavana mikasika ny fahamarinan-toetra, dia jereo ny pejy 47.

  9. “Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao” (Eksodosy 20:16). Endrika iray hafa amin’ny tsy fahamarinan-toetra koa ny vavolombelona mandainga. Mba hahazoana fanazavana mikasika ny fahamarinan-toetra, dia jereo ny pejy 47.

  10. “Aza mitsiriritra” (Eksodosy 20:17). Manimba ny fanahy ny fitsiriritana ny zavatra izay an’ny hafa. Afaka manimba ny eritreritsika sy mampitoetra antsika ao anatin’ny tsy fahasambarana sy tsy fahafaham-po lalandava izany. Matetika dia mitarika any amin’ny fahotana hafa sy ny fitrosana lava izany.

Na dia mitanisa ireo zavatra tsy tokony ho ataontsika aza ireo Didy Folo dia maneho koa ireo tokony ho ataontsika izany. Namintina ireo Didy Folo tamin’ny fitsipika roa ny Tompo—fitiavana ny Tompo sy fitiavana ireo namana:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:37–39).