Ireo loharano hafa
Ny Governemanta sy ny Lalàn’ny Tany


Ny Fitondram-panjakana sy ny Lalàn’ny Tany

Manambara “ny finoan’[ny Olomasin’ny Andro Farany] mikasika ny governemanta sy ireo lalàna amin’ ny ankapobeny” ny fizarana faha-134 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (F&F 134, sasintenin’ny fizarana). Ahitana ireto fanambarana manaraka ireto io fizarana io:

“Mino isika fa ireo governemanta dia napetrak’ Andriamanitra ho tombontsoan’ny olona; ary Izy dia hampamoaka ny olona amin’ ny ataony ao, na amin’ ny fanaovana lalàna na amin’ ny fampiharana izany, ho soa sy ho filaminan’ ny fiaraha-monina. …

“Mino isika fa ny olona tsirairay dia manana adidy hanohana sy hanoa ny fitondram-panjakana misy azy avy, raha mbola arovan’ ny lalàn’ ny fitondram-panjakana toy izany izy amin’ ny zony voajanahary tsy azo esorina; ary ny fiodinana sy ny fikomiana dia tsy mendrika ny olom-pirenena voaro toy izany ary tokony hofaizina araka izany; ary ny fitondram-panjakana rehetra dia manana zo hampihatra lalàna izay mifanentana indrindra, araka ny fandanjalanjany, amin’ ny fiantohana ny tombontsoam-bahoaka; kanefa ao amin’ ny fihazonana ihany koa ny fahalalahan’ ny fieritreretana ho masina.

“Mino isika fa ny olona tsirairay dia tokony hohajaina eo amin’ ny andraikiny, toraka izany koa ireo mpanapaka sy mpitsara izay napetraka ho fiarovana ny tsy manan-tsiny ary ho famaizana ny meloka; ary ny lalàna dia tokony hohajaina sy hankatoavin’ olombelona rehetra, fa raha tsy eo ny lalàna dia ho resin’ ny fikorontanana sy ny fampihorohoroana ny fiadanana sy ny firindrana; satria ny lalàn’ olombelona dia niniana natao mba handaminana ny tombon tsoantsika, na olona na firenena, eo amin’ ny olona samy olona; fa ny lalàn’ Andriamanitra kosa, izay manoritsoritra ireo fitsipika momba ny raharaha ara-panahy, dia ho an’ ny finoana sy ny fiderana, dia lalàna roa izay samy hamalian’ ny olona ny Mpanao azy” (F&F 134:1, 5–6).

Ny singa iray lehibe mampisaraka ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana dia ny andraikitry ny governemanta hanome fahalalahana ara-pivavahana. Manaiky izany fitsipika izany ireo mpaminanin’ny andro farany, araky ny voalaza ao amin’ny fanekem-pinoana faha-iraika ambin’ny folo, hoe: “Isika dia mitaky ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.” Mifampitohy amin’izany fisarahan’ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana izany ihany koa ny tsy fanohanan’ny Fiangonana antoko pôlitika na olona hilatsaka hofidiana. Tsy mamela ny fampiasana ny trano fiangonana na ireo fitaovany hanatanterahana tanjona ara-pôlitika ny Fiangonana. Tsy mandray anjara amin’ny pôlitika ny Fiangonana raha tsy hoe misy zavatra mikasika ny fahadiovam-pitondran-tena resahina, ary raha amin’izay toe-javatra izay dia hizara ny heviny matetika ny Fiangonana.

Na dia tsy momba ny atsy na ny aroa aza ny Fiangonana eo amin’ny sehatra ara-pôlitika dia mamporisika ireo mpikambana tsirairay ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana mba hirotsaka ao anatin’izany amin’ny maha-olom-pirenena azy ireo. Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany anao dia tokony ho takatrao ny toerana misy anao eo amin’ilay tany izay ipetrahanao. Ianaro ny tantara sy ny lova ary ny lalàn’ny tany. Raha toa ka manana fahafahana handatsam-bato sy handray anjara amin’ny raharaham-panjakana ianao dia mandraisa anjara amim-pahavitrihana hanohana sy hiaro ireo fitsipiky ny fahamarinana sy fahitsiana ary fahalalahana.