Ireo loharano hafa
Fanantenana


Fanantenana

Ny dikan’ny teny hoe fanantenana indraindray dia tsy takatra tsara. Ao anatin’ny fiteny ampiasaintsika andavanandro dia matetika mifono zavatra tsy azo antoka ilay teny. Ohatra, afaka miteny isika hoe manantena fiovana eo amin’ny toetr’andro na manantena fa hisy namana iray hitsidika. Ao anatin’ny fiteny ampiasain’ny filazantsara anefa, dia midika zavatra azo antoka, tsy voahozongozona ary velona ny fanantenana. Ireo mpaminany dia miresaka momba ny fananana “fanantenana mafy orina” (Almà 34:41) sy “fanantenana velona” (1 Petera 1:3). Nampianatra ny mpaminany Môrônia hoe: “Koa, na zovy na zovy no mino an’ Andriamanitra dia mahazo manantena amim-pahatokiana tokoa tontolo iray tsara kokoa, eny, dia toerana eo an-tanan’ ankavanan’ Andriamanitra dia fanantenana izay avy amin’ ny finoana, mipetraka ho vatofantsika ho an’ ny fanahin’ ny olona, izay hahatonga azy ho azo antoka sy hifototra, hahefa be mandrakariva amin’ ny asa tsara ary ho voatarika hankalaza an’ Andriamanitra” (Etera 12:4).

Matoky ny fampanantenan’Andriamanitra isika rehefa manana fanantenana. Manana fahatokiana anaty isika fa rehefa manao “ny asan’ny fahamarinana,” dia “handray ny valisoa[ntsika], hatramin’ny fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo hoavy” (F&F 59:23). Nampianatra i Môrmôna fa ny fanantenana toy izany dia azo avy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: “Ary inona no hantenainareo? Indro, lazaiko aminareo fa hanana fanantenana ianareo amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy sy ny herin’ ny fitsanganany amin’ ny maty mba hatsangana ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana” (Môrônia 7:41).

Rehefa miezaka ny miaina ny filazantsara ianao dia mitombo ny fahafahanao “[hitombo] amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina” (Romana 15:13). Mitombo ny fanantenanao rehefa mivavaka sy mikatsaka ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ianao. Nanome toky ny mpanjaka Lamanita iray ny misiônera antsoina hoe Aharôna, tao amin’ny Bokin’i Môrmôna, “Raha mibebaka amin’ ny fahotanao rehetra ianao ary miankohoka eo anoloan’ Andriamanitra sy miantso ny anarany amim-pinoana sady mino fa ianao dia handray, amin’ izany dia handray ny fanantenana izay irinao ianao” (Almà 22:16). Mahazo fanantenana koa ianao rehefa mandalina ny soratra masina sy manaraka ny fampianarany. Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana ny amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina” (Romana 15:4).

Ny fitsipiky ny fanantenana dia mivelatra hatrany amin’ny mandrakizay, kanefa afaka manohana anao koa izany ao anatin’ireo olan’ny fiainana miseho isan’andro. “Sambatra” hoy ny Mpahay Salamo, “ireo izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny” (Salamo 146:5). Afaka mahazo fifaliana ianao eto amin’ny fiainana miaraka amin’ny fanantenana. Afaka “[manana] faharetana kosa sy [hizaka] ireo fahoriana ireo amin’ ny fanantenana mafy orina fa hiala sasatra amin’ ny fahoria[nao] rehetra [ianao] indray andro any” (Almà 34:41). Afaka “mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20).