Ireo loharano hafa
Jesoa Kristy


Jesoa Kristy

Tamin’ny 1 Janoary 2000, dia namoaka ity fanambarana manaraka ity ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ilay fanambarana mitondra ny lohateny hoe: “Ilay Kristy Velona,” dia mijoro ho vavolombelona mikasika ny Tompo Jesoa Kristy ary mamintina ny Maha-Izy Azy sy ny iraka masina nampanaovina Azy:

“Ho fankalazantsika ny fahatsiarovana ny nahaterahan’ i Jesoa Kristy roa arivo taona lasa izay, dia manolotra ny tenivavolombelonay izahay ny amin’ ny fisian’ ny fiainany tsy manam-paharoa sy ny zava-tsoa tsy misy fetran’ ny Sorompanavotany lehibe. Tsy nisy olona hafa nanana akony teo amin’ ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany.

“Izy ilay Jehovah lehibe ao amin’ ny Testamenta Taloha, ilay Mesia ao amin’ ny Testamenta Vaovao. Izy no Mpamorona ny tany teo ambany fitarihan’ ny Rainy. ‘Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza’ (Jaona 1:3). Na dia tsy nanam-pahotana aza Izy dia natao batisa mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. ‘Nandehandeha nanao soa’ Izy (Asan’ny Apôstôly 10:38), nefa dia natao tsinontsinona noho izany. Ny filazantsarany dia hafatra mitory fiadanana sy hatsaram-panahy. Niantso ny olon-drehetra Izy mba hanaraka ny ohatra nomeny. Nandeha tamin’ ny lalamben’i Palestina Izy, nanasitrana ny marary, nampahiratra ny jamba, ary nampitsangana ny maty. Nampianatra ny fahamarinan’ny mandrakizay Izy, ny fisian’ ny fiainantsika talohan’ izao fiainana izao, ny tanjon’ ny fiainantsika eto an-tany, ary ny zavatra afaka tanterahin’ ireo zanaka lahy sy zanakavavin’Andriamanitra amin’ ny fiainana hoavy.

“Nanao ny fandraisana ny Fanasan’ ny Tompo Izy ho fahatsiarovana ny sorompanavotany lehibe. Nosamborina Izy ary nohelohina tamin’ ny fiampangana tsy marina, nohelohina mba hahafaly ireo fokonolona, ary nohelohina ho faty teo ambony hazo fijaliana tany Kalvary. Natolony ny ainy mba ho sorona noho ny fahotan’ ny zanak’ olombelona rehetra Fanomezana lehibe no nataony ho an’ izay rehetra niaina na mbola hiaina eto an-tany

“Mijoro ho vavolombelona amim-panajana izahay, fa ny fiainany, izay ivon’ ny tantaran’ny olombelona rehetra, dia sady tsy nanomboka tao Betlehema no tsy nifarana tao Kalvary. Izy no Voalohan-teraky ny Ray, ilay Zanakalahy tokana tao amin’ ny nofo, ilay Mpamonjy izao tontolo izao.

“Nitsangana tamin’ ny maty Izy mba ‘ho santatr’ izay efa nodimandry’ (1 Korintiana 15:20). Amin’ ny maha-Tompo efa nitsangana tamin’ ny maty Azy, dia namangy ireo olon-tiany teo amin’ ny fiainany Izy. Nanompo sy niasa tany amin’ ireo ‘ondriny very’ (Jaona 10:16) tany Amerika taloha koa Izy. Tao amin’ izao tontolo iainantsika izao, dia niseho tamin’ ilay zazalahy atao hoe Joseph Smith Izy sy ny Rainy, mba hampiditra amin’ ilay ‘andro voatendry hanangonana ny zavatra rehetra’ (Efesiana 1:10).

“Toy izao no nanoratan’ ny mpaminany Joseph mikasika ilay Kristy Velona: ‘Ny masony tahaka ny lelafo, ny volon-dohany fotsy tahaka ny oram-panala, ny tarehiny mamirapiratra mihoatra noho ny famiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ ny rano be, dia ny feon’ i Jehovah milaza hoe:

“‘Izaho no Voalohany sy Farany; Izaho no ilay velona, Izaho ilay novonoina; Izaho no solo vava anareo eo anatrehan’ ny Ray’ (F&F 110:3–4).

“Toy izao ihany koa no nambaran’ ny mpaminany momba Azy: Ary ankehitriny, aorian’ ireo tenivavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!

“‘Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra; ary renay ny feo manambara fa Izy no Zanaka Lahitokan’ ny Ray—

“‘Fa tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’Andriamanitra” (F&F 76:22–24).

“Ambaranay amim-panajana fa ny Fisoronany sy ny Fiangonany dia naorina indray eto ambonin’ ny tany—’natsangana teo amin’ny fanorenan’ ny apôstôly sy ny mpaminany, Jesoa Kristy no fehizoro indrindra’ (Efesiana 2:20).

“Mijoro ho vavolombelona izahay fa mbola hiverina eto an-tany Izy indray andro any. ‘Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany’ (Isaia 40:5). Hanapaka amin’ ny maha-Mpanjakan’ ny mpanjaka sy hanjaka amin’ ny maha-Tompon’ ny tompo Azy Izy, ary handohalika ny lohalika rehetra ary ny lela rehetra hidera Azy. Isika tsirairay dia mbola hijoro hotsaraina eo anatrehany araka ny asa sy ny fanirian’ ny fontsika.

“Mijoro ho vavolombelona izahay, amin’ ny maha-apôstôly voatendriny anay—Fa i Jesoa no ilay Kristy Velona, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra tsy mety maty intsony. Izy ilay Mpanjaka lehibe Emanoela izay mijoro eo an-tanan-kavanan’ Andriamanitra Rainy ankehitriny. Izy no fahazavana, fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao. Ny fampianarany no lalana mitondra mankany amin’ ny fiadanana eo amin’ izao fiainana izao sy mankany amin’ ny fiainana mandrakizay amin’ ny fiainana ho avy. Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy manam-paharoa ny Zanany” (Ensign, Apr. 2000, 2–3).