Ireo loharano hafa
Fahasambarana


Fahasambarana

Nampianatra ny mpaminany Lehia rehefa nijoro ho vavolombelona mikasika ireo “fikasan’Andriamanitra mandrakizay,” fa “Misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:15, 25).

Maniry ny hahitantsika fahasambarana marina sy maharitra ny Ray any an-danitra. Ny fahasambarantsika no endrik’ireo fitahiana rehetra nomeny antsika—ny fampianaran’ny filazantsara, ny didy, ny ôrdônansin’ny fisoronana, ny fifandraisan’ny fianakaviana, ny mpaminany, ny tempoly, ny hatsaran’ny fahariana, ary na hatramin’ireo fahafahana handalo fitsapana ihany koa aza. Ny drafiny ho an’ny famonjena antsika dia matetika antsoina hoe: “ny drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8). Nandefa ny Zanakalahy Malalany Izy mba hanatanteraka ny Sorompanavotana mba hahafahantsika ho sambatra eto amin’ity fiainana ity ary handray ny fahafenoan’ny fifaliana any amin’ny mandrakizay.

Maro ireo olona miezaka mikatsaka fahasambarana ary fahafaham-po lehibe ao anatin’ny fanaovan-javatra izay mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo. Mandà ilay hany loharano hahazoana fahasambarana marina izy ireo noho ny tsy firaharahiana ny drafitr’Andriamanitra ho azy ireo. Manaraka ny devoly izy ireo, izay “[mikatsaka] ny hahatonga ny olon-drehetra ho ory tahaka azy” (2 Nefia 2:27). Amin’ny farany dia hahafantatra ny fahamarinan’ny fampitandreman’i Almà ny zanany lahy Kôriantôna ihany izy ireo: “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana” (Almà 41:10).

Ny sasany indray dia mikatsaka ny hahazo fahafinaretana fotsiny eto amin’ny fiainana. Rehefa izay no tanjon’izy ireo voalohany dia mamela ny fahafinaretana mandalo handrebireby azy ireo tsy hahazo ilay fahasambarana maharitra izy ireo. Izy ireo ihany no manala ao amin’ny tenany ilay fifaliana maharitra avy amin’ny fivoarana ara-panahy, sy ny asa fanompoana ary ny asa mafy.

Eo am-pikatsahanao fahasambarana dia tsarovy fa ny hany fomba hahazoana fahasambarana marina dia ny fiainana ny filazantsara. Hahita fahasambarana feno fiadanana sy maharitra mandrakizay ianao rehefa miezaka mitandrina ireo didy, mivavaka hahazoana tanjaka, mibebaka amin’ny fahotanao, sy mandray anjara amin’ireo fiaraha-mientana mahasoa ary manao asa fanompoana manan-danja. Hianatra hahazo fahafinaretana ao anatin’ny fetra napetraky ny Ray any an-danitra be fitiavana ianao.

Hifindra amin’ny hafa izany fahasambarana tsapanao izany. Rehefa mijery anao ny hafa dia mety haniry ny hahafantatra ny loharanon’ny fifalianao. Dia afaka miaina izany fahasambarana izany koa izy ireo izay azo avy amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.