Ireo loharano hafa
Ziona


Ziona

Ahitana andalan-tsoratra masina maro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay handidian’ny Tompo ireo Olomasina “[hikatsaka] ny hampijoro sy hampiorina ny foto-kevitr’ i Ziona” (F&F 6:6; jereo koa ny F&F 11:6; 12:6; 14:6).

Manana dikany maro ny teny hoe: Ziona ao amin’ny soratra masina. Ny famaritana ankapoben’izany teny izany dia hoe“ny madio am-po” (F&F 97:21). Matetika ampiasaina hilazana ireo vahoakan’ny Tompo na ny Fiangonana sy ny tsatòkany i Ziona (jereo ny F&F 82:14).

Tany am-piandohan’ity fotoampitantanana ity dia namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo mpitarika ny Fiangonana mba hanorina an’i Ziona amin’ny alalan’ny fifindrana monina any amin’ny faritra iray ho atao ivotoerana. Ankehitriny ireo mpitarika antsika dia mamporisika antsika hanorina an’i Ziona eo amin’izay toerana misy antsika. Asaina mba hijanona any amin’ny tany fiaviany ireo mpikamban’ny Fiangonana ary hanampy amin’ny fanorenana ny Fiangonana any. Maro ireo tempoly naorina mba hahafahan’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly.

Mety mamaritra toerana manokana koa ny teny hoe Ziona, arak’izao manaraka izao: