Ireo loharano hafa
Fisoronana Aharôna


Fisoronana Aharôna

Teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny Mpaminany Joseph Smith dia nahita mikasika ny batisa ho amin’ny famelan-keloka. Tamin’ny 15 Mey 1829, dia nandeha tany an’ala izy sy ny mpitantsorany Oliver Cowdery mba hangataka fanazavana amin’ny Tompo mikasika ny batisa. Rehefa nivavaka izy ireo dia “nisy iraky ny lanitra iray nidina teo amin’ny rahona mamirapiratra iray.” Izany iraky ny lanitra izany dia i Jaona Mpanao Batisa, ilay mpaminany nanao batisa an’i Jesoa Kristy taonjato maro tany aloha tany. Nametraka ny tanany teo amin’i Joseph sy teo amin’i Oliver i Jaona Mpanao Batisa, izay efa nitsangana tamin’ny maty, ary nanome azy ireo tsirairay ny Fisoronana Aharôna, izay nesorina teto an-tany nandritra ny Apôstazia Lehibe. Afaka nifanao batisa i Joseph sy i Oliver tamin’ny alalan’io fahefana io. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72.)

Ankehitriny ato am-piangonana dia mandray ny Fisoronana Aharôna ireo lehilahy mpikamban’ny Fiangonana mendrika manomboka eo amin’ny faha-12 taonany. Manana fahafahana maro handray anjara amin’ireo ôrdônansy masin’ny fisoronana izy ireo sy hanao asa fanompoana. Rehefa manatanteraka amim-pahamendrehana ny adidiny izy ireo dia manao izany amin’ny anaran’ny Tompo mba hanampiana ireo hafa handray ny fitahian’ny filazantsara.

Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Aharôna dia ny eveka, mpisorona, mpampianatra ary ny diakona. Mizara ny Fanasan’ny Tompo ireo diakona rehefa nahazo alalana tamin’ny mpitarika ny fisoronana mpiahy (mazàna ny eveka na ny filohan’ny sampana). Manampy ny eveka na ny filohan’ny sampana hiambina ny mpikamban’ny Fiangonana izy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana sy fanampiana amin’ny zavatra ara-nofo toy ny fanangonana ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina. Afaka manatanteraka ny adidy rehetran’ny diakona ireo mpampianatra ary manana fahafahana hafa hanompoana ihany koa. Manomana ny mofo sy ny rano ho an’ny Fanasan’ny Tompo izy ireo ary manompo toy ny mpampianatra isan-tokantrano. Afaka manatanteraka ny adidy rehetran’ny diakona sy ny mpampianatra ireo mpisorona. Rehefa nahazo alalana tamin’ny mpitariky ny fisoronana mpiahy izy ireo, dia afaka koa manamasina ny Fanasan’ny Tompo, manao batisa, manendry ireo hafa ao amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona, mpampianatra ary diakona.

Ny Fisoronana Aharôna dia “fanampin’ilay ambony na ny Fisoronana Melkizedeka” (F&F 107:14). Izany dia antsoina matetika hoe fisoronana fiomanana. Rehefa manao ny adidiny ao amin’ny Fisoronana Aharôna ny mpihazona ny fisoronana iray dia manomana ny fandraisany ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fandraisany ny fitahiana avy amin’ny tempoly ary manomana ny fandehanany hanao asa fitoriana amin’ny fotoana maharitra, ho vady sy ray be fitiavana ary hanohy hanompo ny Tompo mandritra ny fiainany.