Ireo loharano hafa
Fahotana


Fahotana

Manota isika rehefa mandika an-tsitrapo ireo didin’Andriamanitra. Manota koa isika rehefa tsy manao ny tsara nefa mahafantatra ny fahamarinana (jereo ny Jakoba 4:17).

Nilaza ny Tompo fa “tsy afaka hijery ny fahotana amin’ ny hamoram-po faran’ izay bitika indrindra” Izy (F&F 1:31). Ny vokatry ny fahotana dia ny fisitahan’ny Fanahy Masina ary, raha mikasika ny mandrakizay, dia ny tsy fahafahana hitoetra eo anatrehan’ny Ray any an-danitra, satria “ny zavatra tsy madio tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra” (1 Nefia 10:21).

Samy efa nandika ireo didy na tsy nanao izay tokony hatao araka ny fahamarinana fantatsika isika tsirairay. Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina [i Jesoa Kristy] ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:8–9). Afaka mibebaka sy mahazo famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.