Fiainana Mandrakizay
    Footnotes

    Fiainana Mandrakizay

    Hoy ny Tompo hoe: “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny tsy fahafatesana dia ny miaina mandrakizay amin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty. Handray izany fanomezana izany ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fiainana mandrakizay, na fisandratana dia ny fandovana toerana iray ao amin’ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, ka hiaina eo anatrehan’Andriamanitra isika ao ary hitohy ho fianakaviana (jereo ny F&F 131:1–4). Toa ny tsy fahafatesana dia tanteraka koa izany fanomezana izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Kanefa mitaky ny “fankatoava[ntsika] ireo lalàna sy ôrdônansin’ ny filazantsara” izany (Fanekem-pinoana 1:3).

    Mijanona ao amin’ilay Lalana Mitondra any amin’ny Fiainana Mandrakizay

    Rehefa natao batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao dia niditra tamin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Nampianatra ny mpaminany Nefia hoe:

    “Ny vavahady izay tokony hidiranareo dia ny fibebahana sy ny batisa amin’ ny rano; ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ ny alalan’ ny afo sy ny Fanahy Masina.

    “Ary efa mby amin’ ny lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ ny fiainana mandrakizay ianareo amin’ izany; eny, efa niditra tamin’ ny vavahady; efa nanao araka ny didin’ ny Ray sy ny Zanaka; ary efa nandray ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona amin’ ny Ray sy ny Zanaka ho fanatanterahina ny fampanantenana izay efa nataony fa raha toa ianareo miditra amin’ ny lalana dia handray” (2 Nefia 31:17–18).

    Nanamafy i Nefia fa aorian’ny fidirana amin’ity “lalana ety sy tery” ity, dia tokony haharitra hatramin’ny farany amim-pinoana isika:

    “Rehefa nihazo ny lalana ety sy tery ianareo dia mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa vita ny zava-drehetra? Indro lazaiko anareo, Tsia; satria tsy ho tonga hatreo amin’ izay isianareo ianareo, raha tsy noho ny tenin’ i Kristy sy ny finoanareo Azy tsy voahozongozona ary ny fianteheranareo tanteraka amin’ ny fahamendrehan’ Ilay Mahery ka mahavonjy.

    “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:19–20).

    Ankehitriny rehefa vita batisa sy noraisina ho mpikambana ianao dia miankina amin’ireo fandraisanao ireo ôrdônansin’ny famonjena hafa ny ankamaroan’ny fivoaranao mankany amin’ny fiainana mandrakizay: ho an’ireo lehilahy, ny fanendrena ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka; ho an’ireo lehilahy sy vehivavy, ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ny famehezana ny fanambadiana. Rehefa mandray ireo ôrdônansy ireo ianao sy mitandrina ireo fanekempihavanana miaraka amin’izany dia miomana handova ilay ambaratonga avo indrindra ao amin’ny voninahitra selestialy.

    Azonao Tratrarina

    Rehefa misaintsaina ny fivoaranao eo amin’ilay “lalana ety sy tery” ianao, dia aoka hanana fahatokiana fa azonao tratrarina ny fiainana mandrakizay. Tian’ny Tompo hiverina any Aminy ianao, ary tsy hitaky velively zavatra izay tsy ho vitanao Izy. Ny didiny rehetra dia narafitra mba hitondrana fifaliana ho anao. Rehefa mampihatra ny finoanao sy manompo Azy amin’ny herinao rehetra ianao, dia manome anao tanjaka sy fomba ahafahanao manatanteraka ny zavatra andidiany anao Izy (jereo ny 1 Nefia 3:7). Tsarovy fa rehefa manolotra izay ezaka tsara indrindra avy aminao ianao sy mibebaka amin’ny fahotanao dia hanonitra ireo fahalemenao ary ny tsy fahamarinana, ny ratra, sy ny fanaintainana eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: “Fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23).