Ireo loharano hafa
Fanahy Masina


Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra. Manana vatana fanahy Izy izay vatana tsy misy nofo sy taolana (jereo ny F&F 130:22). Matetika Izy dia antsoina hoe ny Fanahy, na ny Fanahy Masina, na ny Fanahin’Andriamanitra, na ny Fanahin’ny Tompo, na ny Mpampionona.

Anjara Asan’ny Fanahy Masina

Miara-miasa tanteraka amin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina, manatanteraka anjara asa maro mba hanampiana anao hiaina amim-pahamarinana ary handray ireo fitahian’ny filazantsara.

“Mijoro ho vavolombelona amin’ ny Ray sy ny Zanaka” Izy (2 Nefia 31:18) ary manambara sy mampianatra “ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5). Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy masina ihany no ahafahanao mahazo fijoroana ho vavolombelona azo antoka mikasika ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny fifandraisany amin’ny fanahinao dia mitondra zavatra azo antoka bebe kokoa noho izay mety ho fifandraisana hafa voarainao amin’ny alalan’ireo retsipamantaranao ara-boajanahary.

Rehefa miezaka ny hijanona eo amin’ilay lalana izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay ianao dia “hampiseho [anao] ny zavatra rehetra izay tokony hatao[nao]” ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 32:1–5). Afaka mitantana anao eo amin’ireo fanapahan-kevitrao Izy ary miaro anao amin’ireo loza ara-nofo sy ara-panahy.

Afaka mandray ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ho tombontsoanao sy ho tombontsoan’ireo izay tianao sy tompoinao ianao amin’ny alalany (jereo ny F&F 46:9–11).

Izy no Mpampionona (Jaona 14:26). Raha afaka mampangina ny zaza mitomany iray ny feo tonin’ny ray na reny iray, dia afaka mampitony ny tahotrao ny bitsiky ny Fanahy sy afaka mampihena ny fiahiahiana eo amin’ny fiainanao, ary mampionona anao rehefa ao anatin’ny alahelo ianao. Afaka mameno anao “amin’ ny fanantenana sy fitiavana tanteraka” ny Fanahy Masina ary “hampianatra anao ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana” (Môrônia 8:26; F&F 36:2).

Lasa masina ianao amin’ny alalan’ny heriny rehefa mibebaka, mandray ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ary mitoetra ho marina amin’ireo fanekempihavananao (jereo ny Môsià 5:1–6; 3 Nefia 27:20; Mosesy 6:64–68).

Izy no Fanahy Masin’ny Fampanantenana (jereo ny Efesiana 1:13; F&F 132:7, 18–19, 26). Noho izany dia manamafy Izy fa ireo ôrdônansin’ny fisoronana izay noraisinao sy ireo fanekempihavanana nataonao dia ankasitrahan’Andriamanitra. Izany fankasitrahana izany dia miankina amin’ny fitohizan’ny fahatokianao.

Ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Afaka mahatsapa ny hery mitariky ny Fanahy Masina ireo mpikatsaka ny fahamarinana amim-pahitsiana rehetra, izay mitondra azy ireo any amin’i Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany. Kanefa, ny fahafenoan’ireo fitahiana omena amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo dia natao ho an’ireo izay mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany sy mijanona ho mendrika.

Aorian’ny batisanao ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mametraka ny tanany eo ambony lohanao ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray na mihoatra izany ary, amin’ny alalan’ny ôrdônansy masin’ny fisoronana, dia raisiny ho mpikamban’ny Fiangonana ianao. Tafiditra ao anatin’io ôrdônansy io, izay antsoina hoe fandraisana ho mpikambana, ny fanomezana anao ny Fanahy Masina.

Tsy mitovy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny fanomezana ny Fanahy Masina. Alohan’ny batisanao dia afaka mahatsapa matetitetika ny hery mitariky ny Fanahy Masina ianao, ary amin’ny alalan’izany hery mitarika izany dia afaka mandray ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana ianao. Rehefa manana ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’izay ianao, dia manana ny zo hanana ilay mpikambana ao amin’Ny Andriamanitra ho namana lalandava raha toa ka mitandrina ireo didy.

Ny hoe mianoka tanteraka ao anatin’ny fananana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ahitana ny fandraisana fanambarana sy fampiononana, manompo sy mitahy ny hafa amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy, ary voadio amin’ny fahotana sy lasa mendrika ny hahazo fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy. Ireo fitahiana ireo dia miankina amin’ny fahamendrehanao. Tonga tsikelikely isaky ny mandeha izy ireo rehefa vonona ny handray azy ireo ianao. Rehefa mampifanaraka ny fiainanao amin’ny sitrapon’Andriamanitra ianao dia handray miandalana ny Fanahy Masina amin’ny fatrany bebe kokoa. Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa ny misterin’ny fanjakan’ Andriamanitra “dia tsy natao ho hita sy hotakarina afa-tsy amin’ ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina izay atolotr’Andriamanitra ho an’ ireo izay tia Azy ary manadio ny tenany eo anoloany” (jereo ny F&F 76:114–116).

Tsarovy fa “tsy mitoetra ao amin’ ny tempoly izay tsy masina ny Fanahin’ ny Tompo” (Helamàna 4:24). Na dia nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aza ianao dia tsy hitoetra ao aminao ny Fanahy raha tsy rehefa mitandrina ireo didy ianao. Hisitaka Izy rehefa manafintohina Azy ianao amin’ny alalan’ny fanimbazimbana, fahalotoana, tsy fankatoavana, fikomiana, na amin’ny fanaovana ota hafa. Ataovy izay hampadio anao. Fenoy hatsaram-panahy ny fiainanao mba hahafahanao ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava.