Ireo loharano hafa
Famantarana


Famantarana

Ny famantarana dia zava-mitranga na zavatra iainana izay mampiseho ny herin’Andriamanitra. Miseho amin’ny fomba mahagaga izy ireo matetika. Manamarika na milaza zavatra hitranga goavana izy ireo, toy ny fahaterahan’ny Mpamonjy, fahafatesany ary ny Fiaviany Fanindroany. Mampahatsiahy antsika ireo fanekempihavanana nataon’ny Tompo niaraka tamintsika izy ireo. Mety mijoro ho vavolombelona momba ny antso masina iray ireo famantarana na mampiseho ny tsy faneken’ny Tompo ihany koa.

Misy ireo olona milaza fa hino an’Andriamanitra na ny Asany izy ireo raha toa ka afaka mahazo famantarana. Kanefa nilaza ny Tompo hoe: “Tsy avy amin’ ny famantarana ny finoana, fa ny famantarana no manaraka ireo izay mino” (F&F 63:9). Ny famantarana toy izany dia omena ireo mahatoky sy mpankatò mba hampatanjaka azy ireo ao amin’ny finoany.