Ireo loharano hafa
Fiovam-po


Fiovam-po

“Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana,” hoy ny nambaran’ny Apôstôly Paoly, “fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana” (Romana 8:6; jereo koa ny 2 Nefia 9:39). Ao anatin’izao toetry ny fahalavoana misy antsika izao dia matetika isika no tratran’ny fakam-panahy, ary indraindray isika dia manaiky “ny sitrapon’ ny nofo sy ilay ratsy izay ao anatiny” (2 Nefia 2:29; jereo koa ny “Fahalavoana,” pejy 40–44 ao amin’ity boky ity). Mba hahafahana mandray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay dia mila “[m]ihevitra araky ny fanahy” isika ary mandresy ireo faniriana ratsy. Mila miova isika. Raha faritana mazava kokoa dia ilaina ovaina isika na mila miova fo, amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny herin’ny Fanahy Masina. Izany dingana izany dia antsoina hoe fiovam-po.

Ny fiovam-po dia ahitana ny fiovana eo amin’ny fitondrantena, kanefa mbola mihoatra ny fitondrantena izany. Fiovan’ilay tena toetrantsika mihitsy izany. Fiovana lehibe tokoa izany hany ka nantsoin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny hoe fahaterahana indray izany sy fiovam-po ary batisan’ny afo. Niteny ny Tompo hoe:

“Aza gaga fa ny olombelona rehetra, eny, na lahy na vavy, ny firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra, dia tsy maintsy ateraka indray; eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ ilay toetra manaram-batana sy lavo, ho amin’ ny toetry ny fahamarinana, rehefa navotan’ Andriamanitra ka tonga zanany lahy sy vavy;

“Ary dia toy izany no mahatonga azy ho olom-baovao; ary raha tsy manao izany izy, dia tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra mihitsy” (Môsià 27:25–26).

Ireo Dingan’ny Fiovam-po

Ny fiovam-po dia misy dingana arahina fa tsy zava-miseho tampoka. Lasa miova fo ianao vokatry ny ezaka tsara nataonao teo amin’ny fanarahana ny Mpamonjy. Izany ezaka izany dia ahitana ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana amin’ny fahotana, ny firotsahana amin’ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany amim-pinoana.

Na dia fahagagana sy fiovan’ny fiainana tokoa aza ny fiovam-po dia fahagagana miseho mangina ihany izany. Tsy mitondra fiovam-po ireo fitsidihan’ny anjely sy ireo trangan-javatra mampitolagaga hafa. Na i Almà aza, izay nahita anjely, dia tsy niova fo raha tsy taorian’ny “nifad[iany] hanina sy nivava[hany] andro maro” mba hahazoany vavolombelon’ny fahamarinana (Almà 5:46). Ary i Paoly, izay nahita ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty, dia nampianatra fa “tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ny Fanahy Masina” (1 Korintiana 12:3).

Mety efa miova fo ianao ankehitriny ary tsy tsapanao izany satria ny fiovam-po dia dingana miasa mangina sy mitohy. Mety ho toy ireo Lamanita ianao izay, “tamin’ ny fotoana niovany fo [tamin’i Kristy], dia natao batisa tamin’ ny afo sy ny Fanahy Masina izy, ary tsy fantany izany” (3 Nefia 9:20). Ireo ezaka tsy tapaka ataonao amin’ny fampiharana ny finoana sy fanarahana ny Mpamonjy dia hitarika anao any amin’ny fiovam-po lehibebe kokoa.

Toetran’ireo Olona Izay Niova Fo

Manome famaritana ny olona izay niova fo ao amin’ny Tompo ny Bokin’i Môrmôna:

Maniry ny hanao ny tsara izy ireo.

Nanambara ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Ny Fanahin’ ny Tompo Tsitoha, … izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am-ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môsià 5:2). Niresaka mikasika an’ireo olona izay “tsy afaka ny hihevitra ny fahotana afa-tsy amin’ ny rikoriko” i Almà (Almà 13:12).

Tsy mikomy tamin’ny Tompo izy ireo.

Niresaka mikasika ilay vondron’olona Lamanita izay ratsy fanahy sy lian-dra i Môrmôna nefa “niova fo ho an’ny Tompo” (Almà 23:6). Nanova ny anarany ho Antia-Nefia-Lehia ireo vahoaka ireo ary “tonga vahoaka marina izy; napetrany ny fiadian’ ny fikomiany ka tsy niady intsony tamin’ Andriamanitra izy no sady tsy nanohitra na iza na iza tamin’ ny rahalahiny” (Almà 23:7).

Mizara ny filazantsara izy ireo.

Nanolo-tena hitory ny filazantsara i Enôsa, i Almà Zokiny, i Almà Zandriny, ireo zanakalahin’i Môsià, ary i Amioleka sy i Zezrôma taorian’ny niovany fo ho an’ny Tompo (jereo ny Enôsa 1:26; Môsià 18:1; 27:32–37; Almà 10:1–12; 15:12).

Heniky ny fitiavana izy ireo.

Taorian’ny nitsidihan’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty ny vahoaka tany Amerika, “dia niova fo ho an’ ny Tompo avokoa ny vahoaka eran’ ny lafiny rehetra teo amin’ ny tany, na Nefita na Lamanita, ary tsy nisy fifandirana na fifanjihirana teo anivony, ary ny olona tsirairay dia nifampitondra araka ny hitsiny tokoa teo amin’ izy samy izy. …

“Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy fifandirana teo amin’ ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ ny vahoaka.

“Ary tsy nisy fialonana, na adiady, na tabataba, na fijangajangana, na fandaingana, na vonoan’ olona, na izay mety ho fomban’ ny fahalotoam-pitondratena; ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ ny vahoaka rehetra izay noharian’ ny tànan’ Andriamanitra.

“Tsy nisy mpandroba, na mpamono olona, tsy nisy koa Lamanita, na izay mety ho fombafomban’ ny -ita; fa izy kosa dia iray, zanak’ i Kristy ary mpandovan’ ny fanjakan’ Andriamanitra” (4 Nefia 1:2, 15–17).

Fiezahana Hiova Fo Bebe Kokoa

Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiovam-ponao manokana ianao. Tsy misy olona afaka ny hiova fo eo amin’ny toeranao, ary tsy misy afaka ny hanery anao hiova fo. Na izany aza dia afaka manampy anao amin’ny dingan’ny fiovam-po ireo olon-kafa. Mianara avy amin’ny ohatra tsara asehon’ny olona ao amin’ny fianakaviana, ireo mpitarika ny Fiangonana sy mpampianatra, ary ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny soratra masina.

Hitombo ny fahafahanao hiaina fiovam-po mahery vaika rehefa miezaka ny hanaraka ny ohatra tonga lafatry ny Mpamonjy ianao. Halalino ny soratra masina, mivavaha amim-pinoana, tandrovy ireo didy ary katsaho ny fananana ny Fanahy Masina ho namana lalandava. Eo am-panohizanao ny dingan’ny fiovam-ponao dia handray “fifaliana lehibe izaitsizy” ianao tahaka ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina rehefa “nahatonga fiovana mahery vaika … tao am-pon[’izy ireo]” ny Fanahy (jereo ny Môsià 5:2, 4). Ho afaka ny hanaraka ny torohevitry ny Mpanjaka Benjamina ianao, dia ny hoe: “tsy ho azo hozongozonina, hahefa be mandrakariva amin’ ny asa tsara mba hahazoan’ i Kristy, Ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha mamehy anareo ho Azy, hahazoana mitondra anareo any an-danitra ka hahazoanareo ny famonjena maharitra mandrakizay sy ny fiainana mandrakizay” (Môsià 5:15).