Ireo loharano hafa
Soratra Masina


Soratra Masina

Rehefa manoratra na miteny amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ireo lehilahin’Andriamanitra dia “ho soratra masina, ho sitrapon’ ny Tompo, ho sain’ ny Tompo, ho tenin’ ny Tompo, ho feon’ ny Tompo, dia ny herin’ Andriamanitra ho famonjena” ny tenin’izy ireo (F&F 68:4). Ireo soratra masina ôfisialin’ny Fiangonana, izay matetika antsoina hoe soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana dia ahitana ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Voafaritra ao amin’ny pejy 200–204 ireo boky soratra masina ireo.

Ny Maha-zava-dehibe ny Fandalinana ny Soratra Masina Isan’andro

Ny tanjona voalohan’ny soratra masina dia ny mijoro ho vavolombelona mikasika an’i Kristy, manampy antsika hanatona Azy sy handray ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jaona 5:39; 20:31; 1 Nefia 6:4; Môsià 13:33–35). Nijoro ho vavolombelona ny mpaminany Môrmôna hoe:

“Fa izay rehetra manaiky dia mahazo mihazona ny tenin’ Andriamanitra, izay mailaka sy mahery, izay hampisaratsaraka ny hafetsena rehetra sy ny fandrika ary ny famitahan’ ny devoly sy hitarika ny olon’ i Kristy amin’ ny lalana ety sy tery mamakivaky ny tevan’ ny fahoriana maharitra mandrakizay, izay voaomana hitelina ny olon-dratsy—

“Ary hametraka ny fanahiny, eny, ny fanahiny tsy mety maty eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mba hiara-mitoetra amin’ i Abrahama sy i Isaka ary miaraka amin’ i Jakoba sy miaraka amin’ ny razantsika masina rehetra, ka tsy hivoaka any ivelany intsony” (Helamàna 3:29–30).

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanoro hevitra antsika handalina ny soratra masina isan’andro, ilay fandalinana ataon’ny tena manokana izany sy ilay atao miaraka amin’ny fianakaviana. Namporisika antsika izy ireo, tahaka ny namporisihan’i Nefia ireo rahalahiny, mba hampihatra amin’ny tenantsika ny soratra masina, hikaroka fomba izay azo ampiharana ireo tantara masina eo amin’ny fiainantsika ankehitriny (jereo ny 1 Nefia 19:23–24). Mamporisika antsika “[handinika] ny Soratra Masina” (Jaona 5:39) sy “[hivoky] amin’ ny tenin’ i Kristy” izy ireo (2 Nefia 32:3).

Hahazo tombontsoa lehibe amin’ny fanarahana ity torohevitra ity ianao. Manampy anao ho mora handray ny bitsiky ny Fanahy Masina ny fandalinana soratra masina amim-pahamatorana sy isan’andro. Manorina ny finoanao izany, mampatanjaka anao amin’ny fanoherana ny fakam-panahy ary manampy anao hanatona akaikikaiky kokoa ny Rainao any an-danitra sy ny Zanakalahy Malalany.

Manaova drafitra ho an’ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Manokana fotoana isan’andro handalinana ny soratra masina. Mandritra izany fotoana izany dia mamakia tsara ary aoka ianao hihaino izay bitsiky ny Fanahy. Angataho ny Rainao any an-danitra mba hanampy anao hahafantatra ny zavatra tiany hianaranao sy hataonao.

Tohizo ny famakiana ny soratra masina mandritra ny androm-piainanao manontolo, indrindra ny Bokin’i Môrmôna. Hiverina hahita ireo zava-tsoan’ny soratra masina foana ianao, hahita dikany vaovao sy fomba fampiharana vaovao azy ireo rehefa mandalina azy ireo mandritra ireo dingana samihafa eo amin’ny fiainanao.

Raha toa ianao ka manambady dia manokàna fotoana isan’andro hamakiana ny soratra masina amin’ny maha-fianakaviana. Mety ho sarotra izany ezaka izany kanefa hitondra vokatra mahafinaritra sy haharitra mandrakizay. Mandrafeta eo ambany fitarihan’ny Fanahy lamim-pamakiana ny soratra masina izay mifanaraka amin’izay ilain’ny fianakaviana. Aza matahotra mamaky ny soratra masina amin’ireo ankizy madinika. Manana hery hikasika ny fo na dia ny an’ireo mbola bitika aza ireo teny avy ao amin’ireo rakitsoratra masina ireo.

Ny Baiboly

Misy fizarana roa ny Baiboly: ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Testamenta Taloha dia rakitsoratra masina mitahiry ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakan’ny fifanekeny tany amin’ny Tany Masina. Ahitana ny fampianaran’ireo mpaminany toa an’i Mosesy, i Josoa, i Isaia, i Jeremia, ary i Daniela izany. Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra ny fahaterahan’ny Mpamonjy, ny asa fanompoany teto an-tany ary ny Sorompanavotany. Mifarana amin’ny asa fanompoan’ny mpianatry ny Mpamonjy izany.

Natonta tamin’ny endriny samihafa ny Baiboly satria naverina nadika im-betsaka. Amin’ny teny Anglisy dia ny Baiboly nataon’ny Mpanjaka James no soratra masina eken’ny Fiangonana.

Ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaja ny Baiboly sy ireo fampianarany masina isika. Afaka mandray tanjaka sy fankaherezana avy amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly mikasika ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany isika.

Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy

Tonga tamin’ity fotoampitantanana ity araky ny sitrapon’ny Tompo ny Bokin’i Môrmôna. Rakitsoratra mirakitra ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ireo vahoaka izay niaina tany Amerika fahiny izany. Nataon’ ireo mpaminanin’ny Tompo sokitra teo amin’ny takela-bolamena ireo rakitsoratra tany am-piandohana. Nanambara ny Tompo fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra “ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (F&F 20:9; jereo koa ny F&F 42:12).

Tamin’ny 22 Septambra 1827, ny anjely antsoina hoe Môrônia—izay mpaminany farany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna—dia nanolotra ireo rakitsoratra ireo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nandika ny rakitsoratra tamin’ny teny Anglisy tamin’ny alalan’ny fanomezana sy herin’Andriamanitra ny Mpaminany Joseph. Nanomboka tamin’izay dia nadika tamin’ny fiteny maro samihafa ny Bokin’i Môrmôna.

Ny tanjona voalohan’ny Bokin’i Môrmôna dia ny handresy lahatra ny olon-drehetra “fa i Jesoa no Kristy, ilay Andriamanitra mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra” (pejin-dohatenin’ ny Bokin’i Môrmôna). Mampianatra izany fa “ny olona rehetra dia tsy maintsy manatona Azy, fa raha tsy izany dia tsy azo vonjena izy” (1 Nefia 13:40). Nilaza i Joseph Smith fa ny Bokin’i Môrmôna dia “vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

Ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona iray hafa an’ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ny Baiboly. Izany dia namerina tamin’ny laoniny koa ireo fahamarinana “tsotra sy sarobidy” izay very tao amin’ny Baiboly tamin’ny alalan’ireo fahadisoana nandritra ny fandikana na izay “nesorina” mba hanaovana izay “[hamiliana] ny lala-mahitsin’ ny Tompo” (jereo ny 1 Nefia 13:24–27, 38–41). Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna “dia hitambatra hanaporofoana ny mahadiso ny fotopampianarana sandoka sy hampitsaharana ny fifandirana ary hampiorenana fandriampahalemana” (2 Nefia 3:12).

Any amin’ny faramparan’ny Bokin’i Môrmôna, ny mpampinany Môrônia dia mampianatra antsika ny fomba ahafantarantsika fa marina ny boky: “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4; jereo koa ny Môrônia 10:3 ary ny Môrônia 10:5).

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Mitahiry ireo fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ahitana ireo fanambarana vitsivitsy nomena ireo mpaminany hafan’ny andro farany koa izany. Tena miavaka ity bokin-tsoratra masina ity satria tsy mba fandikana ireo rakitsoratra fahiny. Fitambaran’ireo fanambarana nomen’ny Tompo an’ireo Mpaminaniny nofinidiny amin’izao andro farany izao izany.

Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia “fototry ny Fiangonana amin’ izao andro farany izao, sy tombontsoan’ izao tontolo izao izay maneho fa ny fanalahidin’ ireo misterin’ ny fanjakan’ ny Mpamonjy antsika dia ankinina indray amin’ olombelona” (sasin-tenin’ny fizaran’ny F&F 70).

Ny Voahangy Lafo Vidy

Ny Voahangy Lafo Vidy dia mitahiry ny bokin’i Môsesy, ny Bokin’i Abrahama ary ny fandikana avy amin’ny fanentanam-panahy ny toko faha-24 ao amin’ny Matio izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith, ary zavatra sasany nosoratan’ny Mpaminany Joseph.

Ny bokin’i Mosesy dia sombiny kely avy amin’ny dikan-tenin’ny Baiboly izay nataon’i Joseph Smith avy amin’ny fanentanam-panahy. Feno kokoa izany rakitsoratr’i Mosesy izany izay hita any amin’ny fanombohan’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Testamenta Taloha. Ahitana fotopampianarana sy fampianarana maro izany izay very tao amin’ny Baiboly ary manome fampahalalana fanampiny mikasika ny drafitry ny famonjena, ny fahariana ny tany ary ny fifandraisan’ny Tompo tamin’i Adama sy i Enoka.

Ny bokin’i Abrahama dia dikan-tenin’ireo rakitsoratra fahiny teo amin’ny papirosy izay lasa fananan’ny Fiangonana tamin’ny 1835. Nandika ireo rakitsoratra ireo tamin’ny alalan’ny fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith. Izany dia mitahiry ireo fahamarinana mikasika ny Filankevitra tany An-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny fahariana ny tany, ny toetoetran’Andriamanitra ary ny fisoronana.

Manampy ny fahalalantsika mikasika ireo fampianaran’ny Mpamonjy momba ny Fiaviany Fanindroany ny Joseph Smith—Matio.

Ny zavatra nosoratan’i Joseph Smith ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy dia ahitana ny:

  • Joseph Smith—Tantara, izay sombintsombiny tamin’ny tantaran’ny Fiangonana izay notantarain’ny Mpaminany. Fitantarana ireo zava-nitranga izay nitondra tany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana izany, ka ao anatin’izany ny Fahitana Voalohany, ireo fitsidihan’i Môrônia ny Mpaminany Joseph, ny fahazoana ireo takela-bolamena ary ny famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.

  • Ny Fanekem-pinoana, izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith ho fanambarana fototra mikasika ireo finoana sy fotopampianarana.