Ireo loharano hafa
Vavaka


Vavaka

Zanak’Andriamanitra ianao. Tia anao sy mahafantatra ny zavatra ilainao ny Rainao any an-danitra ary tiany hifandray Aminy amin’ny alalan’ny vavaka ianao. Mivavaha Aminy ary Aminy irery ihany. Nandidy ny Tompo Jesoa Kristy hoe: “Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ ny Ray amin’ ny anarako ianareo” (3 Nefia 18:19).

Rehefa mizatra manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ianao dia ho lasa hahafantatra Azy ary hanatona Azy akaikikaiky kokoa. Ny fanirianao dia ho lasa hitovy bebe tahaka ny Azy. Hahazo ireo fitahiana ho anao sy ho an’ireo hafa ianao izay efa vonona ny homeny raha toa ka mangataka amim-pinoana.

Ireo Fitsipiky ny Vavaka

Vonona hatrany ny hihaino sy hamaly ireo vavaka ataonao ny Rainao any an-danitra. Miankina aminao ny herin’ny vavaka ataonao. Rehefa miezaka ny mampiditra ny vavaka ao anatin’ny fiainanao ianao dia tsarovy ity torohevitra ity:

Ataovy manan-danja ny vavaka ataonao.

Nampitandrina ny mpaminany Môrmôna fa raha misy “mivavaka nefa tsy amin’ ny finiavan’ ny fo marina; … dia tsy mahasoa azy na amin’ inona na amin’ inona izany, fa tsy mandray ny toa azy Andriamanitra” (Môrônia 7:9). Mba hahatonga ny vavakao ho manan-danja dia tsy maintsy mivavaka amin-kitsimpo sy “amin’ ny herin’ ny fo manontolo” ianao (Môrônia 7:48). Mitandrema tsara mba tsy hanao “teny maro foana” rehefa mivavaka ianao (jereo ny Matio 6:7). Diniho tsara ny toe-tsainao sy ireo teny ampiasainao.

Mampiasa fiteny izay mampiseho fitiavana, sy fanajana, sy fanomezam-boninahitra ary mampiseho hoe mifanakaiky.

Ny fampiharana izany fitsipika izany dia hiovaova arakaraky ny fiteny izay ampiasanao. Raha mivavaka amin’ny teny Malagasy, ohatra ianao dia tokony hampiasa ny mpisolo tena voalaza ao amin’ny soratra masina rehefa miresaka amin’Andriamanitra—Ianao, Anao, fa tsy ireo mpisolo tena fampiasa mahazatra toy ny ialahy. Na inona na inona fiteny ampiasainao dia tsy miova ny fitsipika: Rehefa mivavaka ianao dia tokony hampiasa teny izay maneho araka ny tokony ho izy fifandraisana feno fitiavana sy fitsaohana amin’Andriamanitra. Mety hanana olana vitsivitsy ianao eo amin’ny fianarana ny fiteny ampiasaina amin’ny vavaka, kanefa ho hainao tsikelikely eo ihany izany rehefa mivavaka sy mamaky ny soratra masina ianao.

Manolora fisaorana ny Rainao any an-danitra lalandava.

Tokony “[hiaina] ao amin’ ny fanati-tsaotra isan’ andro [ianao], noho ny famindram-po maro sy ny fitahiana izay atolony [anao]” (Almà 34:38). Rehefa manokana fotoana hahatsiarovana ireo fitahiana voarainao ianao dia hahatakatra ny zavatra nataon’ny Ray any an-danitra ho anao. Manehoa fisaorana Azy.

Katsaho ny fitarihana sy ny herin’ny Ray any an-danitra amin’ny zavatra ataonao rehetra.

Nanoro hevitra ny zanakalahiny Helamàna i Almà hoe: “[Mitalahoa amin’]Andriamanitra ho an’ ny fivelomanao rehetra; eny, aoka ny ataonao rehetra mba ho an’ ny Tompo, ary na aiza na aiza alehanao, aoka mba ho ao amin’ ny Tompo izany; eny, aoka ny eritreritrao rehetra hafantoka amin’ ny Tompo; eny, aoka ny fitiavan’ ny fonao hapetraka amin’ ny Tompo mandrakizay. Milà hevitra amin’ ny Tompo amin’ ny ataonao rehetra dia hotarihiny ho amin’ ny tsara ianao; eny, rehefa mandry ianao amin’ ny alina, mandria ao amin’ ny Tompo, mba hahazoany miambina anao ao amin’ ny torimasonao; ary rehefa miarina ianao amin’ ny maraina, aoka ny fonao ho feno fisaorana an’ Andriamanitra; ary raha manao ireo zavatra ireo ianao, dia hasandratra ianao amin’ ny andro farany” (Almà 37:36–37; jereo koa ny Almà 34:17–26).

Tsarovy ireo zavatra ilain’ny hafa rehefa mivavaka ianao.

Manolora vavaka “ho an’ ny fiadana[nao], ary koa ho an’ ny fiadanan’ ireo izay manodidina [anao]” (Almà 34:27). Mangataha amin’ny Rainao any an-danitra mba hitahy sy hanampy ireo izay mila fanampiana. Mangataha Aminy mba hanome aingam-panahy sy tanjaka ho an’ny Filohan’ny Fiangonana, ho an’ireo Manampahefana Ambony hafa, ary ho an’ireo mpitariky ny Fiangonana eo an-toerana. Mivavaha ho an’izay zava-mahasoan’ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo namana. Mivavaha ho an’ireo mpitondra fanjakana. Mangataha amin’ny Tompo mba hanentana ny fanahin’ireo mpitory ny filazantsara sy ireo olona ampianariny ary mba hiaro azy ireo koa.

Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantaranao izay zavatra tokony ho ampidirina ao anatin’ny vavakao.

Afaka mampianatra anao hivavaka sy hitarika anao ao anatin’ny zavatra izay tokony hoteneninao ny Fanahy Masina (jereo ny Romana 8:26; 2 Nefia 32:8). Afaka manampy anao hivavaka “araka ny sitrapon’ Andriamanitra” Izy (F&F 46:30).

Rehefa manao fangatahana amin’ny alalan’ny vavaka ianao dia ataovy izay rehetra azonao atao mba hahazoana antoka fa ho azonao izany.

Mitaky anao hanao zavatra bebe kokoa noho ny fangatahana fitahiana fotsiny Aminy ny Ray any an-danitra. Rehefa handray fanapahan-kevitra manan-danja ianao dia matetika Izy mitaky ny “handini[hanao] izany ao an-tsainao” alohan’ny hanomezany anao ny valiny (jereo ny F&F 9:7–8). Ny vavaka fangatahanao fitarihana dia ho tanteraka rehefa miezaka ny mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina ianao. Ny vavaka ataonao ho an’izay mahasoa anao sy ho an’izay mahasoa ny hafa dia tsy hanan-kery raha toa ka “manosi-bohon-tanana ny mahantra sy ny mitanjaka [ianao], ary tsy mamangy ny marary sy ny ory, ary tsy mizara amin’ ny fanana[nao] nefa manana [ianao], ho an’ ireo izay mila izany” (Almà 34:28).

Raha toa ka manoloana zava-manahirana ianao dia faly ny Ray any an-danitra rehefa mandohalika ianao ary mangataka fanampiana dia mitsangana avy eo ary mandeha miasa. Hanampy anao ao anatin’ireo zavatra tsara rehetra kasaina hatao Izy kanefa mahalana Izay vao hanao zavatra ho anao izay vitan’ny tenanao ny manao azy.

Vavaka Ataon’ny Tena Manokana

Tao amin’ny Toriteny tao An-tendrombohirta dia nanoro hevitra i Jesoa Kristy hoe: “Midira ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” (Matio 6:6). Lafiny iray manan-danja eo amin’ny fivoaranao ara-panahy ny vavaka ataon’ny tena manokana sy mitokana.

Farafahakeliny isa-maraina sy isan-kariva dia mitadiava toerana izay tsy misy zavatra manelingelina. Mandohaliha amim-panetren-tena ary miresaha amin’ny Rainao any an-danitra. Manaova ezaka miavaka indraindray mba hivavaka amin’ny feo mafy na dia mila mivavaka amim-pahanginana aza ianao indraindray (jereo ny F&F 19:28; 20:51).

Tsarovy fa ny vavaka dia resaka ifanaovan’olon-droa. Rehefa mamarana ny vavaka ataonao ianao dia maka fotoana hijanonana kely ary hihainoana. Indraindray ny Ray any an-danitra dia hanoro hevitra, na hitarika na hampionona anao rehefa eo am-pandohalihana ianao.

Aza mieritreritra velively hoe tsy mendrika ny hivavaka ianao. Izany hevitra izany dia avy amin’i Satana, izay te-handresy lahatra anao fa tsy tokony hivavaka ianao (jereo ny 2 Nefia 32:8). Raha tsy te-hivavaka ianao dia mivavaha mandrapahatsapanao fa te-hivavaka ianao.

Nandidy ny Mpamonjy hoe: “Mivavaha mandrakariva mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy; eny, mba hahazoanao mandresy an’ i Satana ary mba hahazoanao mandositra ny tanan’ ireo mpanompon’ i Satana, izay manohana ny asany” (F&F 10:5). Na dia tsy afaka ny hoe handohalika foana aza ianao rehefa manolotra vavaka manokana, dia afaka mamela ny fonao “ho feno, mitodika Amin[‘Andriamanitra] lalandava” ianao (Almà 34:27; jereo koa ny 3 Nefia 20:1). Afaka mihazona fahatsapana fitiavana ny Rainao any an-danitra sy ny Zanany Malalany ianao mandritra ny andro tsirairay. Afaka maneho amim-pahanginana fankasitrahana ny Rainao ianao ary mangataka Azy mba hanome hery anao ao anatin’ireo andraikitrao. Raha sendra ny fakam-panahy na loza manambana ara-batana ianao dia afaka mangataka amim-pahanginana ny fanampiany.

Vavaky ny Mpianakavy

Ankoatry ny fandidiana antsika hivavaka any amin’ny toerana mitokana dia namporisika antsika hivavaka hiaraka amin’ny fianakaviantsika ny Mpamonjy. Hoy Izy hoe: “Mivavaha amin’ ny Ray ao amin’ ny fianakavianareo amin’ ny anarako mandrakariva mba hitahiana ny vadinareo sy ny zanakareo” (3 Nefia 18:21).

Raha manambady ianao dia ataovy lafin-javatra tsy miova ao anatin’ny fiainam-pianakavianao ny vavaky ny mpianakavy. Miaraha mandohalika amim-panetren-tena isa-maraina sy isan-kariva. Omeo fahafahana matetika hanao ny vavaka ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Miaraha maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana nomen’ny Ray any an-danitra anareo. Miaraha ao anatin’ny finoana mangataka ireo fitahiana ilainareo sy mivavaka ho an’ny hafa.

Hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra sy hifanatona kokoa ianao sy ny olona ao amin’ny fianakavianao amin’ny alalan’ny vavaky ny mpianakavy tsy tapaka. Hianatra hifampiresaka amin’ny Rainy any an-danitra ny zanakao. Ho vonona tsara kokoa hifanompo sy hanohitra ny fakam-panahy ianareo rehetra. Ho toerana hitoeran’ny hery ara-panahy ny tokantranao, ho fialofana amin’ireo fisarihan-dratsin’izao tontolo izao.

Vavaka Ampahibemaso

Ho angatahana hanao vavaka ampahibemaso ianao indraindray, izay mety mandritra ny fivoriana any am-piangonana na fotoam-pianarana iray. Rehefa manana izany tombontsoa izany ianao dia tsarovy fa mifampiresaka amin’ny Ray any an-danitra ianao fa tsy manao fitorian-teny eo anatrehan’ny daholobe. Aza miraharaha izay mety ho eritreretin’ny hafa mikasika ny zavatra teneninao. Manolora fotsiny vavaka tsotra, avy amin’ny fo.

Fandraisana ny Valin’ny Vavaka

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo: Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana” (Matio 7:7–8). Hoy Izy tamin’ireo Nefita hoe: “Ary na inona na inona hangatahinareo ny Ray amin’ ny anarako, ka rariny, rehefa mino ianareo fa handray, dia indro homena anareo izany” (3 Nefia 18:20).

Mandre ny vavaka ataonao ny Ray any an-danitra. Mety tsy hamaly foana amin’ny fomba antenainao Izy, kanefa mamaly amin’ny—Fotoany sy araky ny Sitrapony. Mety hanao hoe tsia Izy indraindray satria fantany ny mahasoa anao, na dia amin-kitsimpo aza ny fangatahanao.

Miseho amin’ny fomba maro ireo valim-bavaka. Tonga amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina izy ireo matetika (jereo ny “Fanambarana,” pejy 89–96). Mety ho tonga ao anatin’ireo toe-javatra iainanao eo amin’ny fiainanao izany na amin’ny alalan’ny fihetsika feno hatsaram-panahy ataon’ireo manodidina anao. Hahafantatra mazava kokoa ny famindram-pony sy ny valiny feno fahendrena nomeny momba ny fangatahanao ianao rehefa manohy manatona akaiky kokoa ny Rainao any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka. Ho hitanao fa Izy dia “aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” (Salamo 46:1).