Ireo loharano hafa
Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany


Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Rehefa niakatra ho any an-danitra i Jesoa Kristy taorian’ny famaranany ny asa fanompoany teto an-tany dia nanambara tamin’ny Apôstôliny ny anjely roa hoe: “Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asan’ny Apôstôly 1:11). Rehefa hiverina indray ny Mpamonjy dia ho tonga amin-kery sy amim-boninahitra haka ny tany ho lasa Fanjakany. Hanamarika ny fiantombohan’ny Arivotaona ny Fiaviany Fanindroany.

Fotoana hampitahotra sy hampitoloko ireo ratsy fanahy ny Fiaviana Fanindroany, kanefa kosa ho andro feno fiadanana sy fandresena ho an’ireo marina izany. Nanambara ny Tompo hoe:

“Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dàlana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.

“Ary homena ho azy ny tany ho lova; ary hihamaro sy hihamahery ireo, ary ny zanany dia hitombo tsy manam-pahotana ho amin’ ny famonjena.

“Fa ny Tompo no ho eo afovoany, ary ny voninahiny no ho eo aminy, ary Izy no ho mpanjakany sy mpanome lalàna azy” (F&F 45:57–59).

Tsy nampahafantatra marina ny fotoana hiverenany indray ny Tompo: “Tsy misy olona mahafantatra ny ora sy ny andro, na dia ny anjely any an-danitra aza, sady tsy hahafantatra ireo raha tsy efa avy Izy” (F&F 49:7). Kanefa nanambara tamin’ireo mpaminaniny ireo zavatra hitranga sy ny famantarana izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany Izy. Isan’ireo zavatra hitranga sy famantarana naminaniana ny:

Aza miahiahy ny amin’ny fotoana tena hahatongavan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Fa kosa miainà araky ny tokony ho izy mba ho vonona na rahoviana na rahoviana Izy no ho avy. Rehefa mandinika ireo loza miseho amin’izao andro farany izao ianao dia tsarovy fa tsy tokony hatahotra ny Fiaviana Fanindroany na ireo famantarana miseho alohan’izany ireo olo-marina. Miantefa aminao ny tenin’ny Mpamonjy ho an’ireo Apôstôliny: “Aza matahotra, fa rehefa hitranga ireo zavatra ireo, dia hahafantatra ianareo fa ho tanteraka ny fampanantenana izay efa natao taminareo” (F&F 45:35).