Ireo loharano hafa
Hazo fijaliana


Hazo fijaliana

Ampiasaina any amin’ireo fiangonana Kristiana maro ny hazo fijaliana mba ho tandindon’ny Fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ary ho fanehoana amin-kitsimpo ny finoana. Amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mahatsiaro amim-panajana ny fijalian’ny Mpamonjy koa isika. Kanefa noho ny fahaveloman’ny Mpamonjy dia tsy mampiasa izany tandindon’ny fahafatesany izany isika ho toy ny tandindon’ny finoantsika.

Ny fiainanao no tokony haneho ny finoanao. Tsarovy fa tamin’ny nanaovana batisa anao sy nandraisana mpikambana anao dia nanao fanekempihavanana ny hitondra eo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy ianao. Rehefa mandinika anao ireo olona manodidina anao dia tokony ho afaka ny hahatsapa ny fitiavanao ny Mpamonjy sy ny Asany izy ireo.

Ny hany mpikamban’ny Fiangonana izay mitondra ny tandindon’ny hazo fijaliana dia ireo mpitondra fivavahan’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay manao izany eo amin’ny fanamiana miaramilany mba hampisehoana fa mpitondra fivavahana Kristiana izy ireo.