Ireo loharano hafa
Fiadanana


Fiadanana

Maro ireo olona no mandray ny fiadanana ho toy ny tsy fisian’ny ady. Kanefa dia afaka mahatsapa fiadanana isika na dia mandritra ny fotoana isian’ny ady aza ary afaka tsy manana fiadanana koa isika na dia tsy misy ady lehibe aza. Tsy ampy hitondrana fiadanana ao am-ponao ny tsy fisian’ny fifandirana tsotra fotsiny. Ny fiadanana dia tonga avy amin’ny filazantsara—amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fiasan’ny Fanahy Masina, ary ny fahamarinan-toetrantsika manokana, sy ny fibebahana amin-kitsimpo, ary ny fahazotoana amin’ny asa fanompoana.

Na dia ao anatin’ny korontana aza ny tontolo manodidina anao dia afaka mandray ny fitahian’ny fananana fiadanana anaty ianao. Hiaraka aminao hatrany izany fitahiana izany rehefa miezaka mifikitra amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny filazantsara ianao ary rehefa mahatsiaro ianao fa tia sy miahy anao ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ankoatra ny fahatsapan’ny tenanao fa manana fiadanana dia azonao atao koa izay ahatsapan’ny fianakavianao sy ny fiaraha-monina misy anao ary izao tontolo izao fiadanana. Miasa ho an’ny fiadanana ianao rehefa mitandrina ny didy, manao asa fanompoana, mikarakara ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo mpifanolobodirindrina, ary mizara ny filazantsara. Miasa ho an’ny fiadanana ianao isaky ny manampy amin’ny fanamaivanana ny fijalian’ny hafa.

Ireto tenin’ny Mpamonjy manaraka ireto dia mampianatra antsika ny fomba ahafahantsika miaina ny fiadanana izay entin’ny filazantsara:

“Ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

“Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:26–27).

“Aza matahotra ny hanao soa, anaka, fa izay afafinareo no hojinjainareo; koa noho izany, raha mamafy soa ianareo dia hijinja ihany koa ny soa ho valiny.

“Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.

“Indro, tsy manameloka anareo Aho; mandehana ary aza manota intsony; tontosao amin’ ny fahamaotinana ny asa izay efa nandidiako anareo.

“Banjino Aho amin’ ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.

“Indro ny fery izay nandoaka ny lanivoako, ary koa ny dian’ ny fantsika amin’ ny tanako sy ny tongotro; aoka ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia handova ny fanjakan’ ny lanitra ianareo” (F&F 6:33–37).

“Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33).

Rehefa mahatsiaro ny Mpamonjy sy manaraka Azy ianao dia afaka ny ho faly tokoa. Afaka ny hiaina fiadanana marina sy maharitra amin’ny fotoana rehetra ianao. Afaka mahita fanantenana ao amin’ny tenin’ny Mpamonjy voalohany tamin’ny Mpianany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty ianao: “Fiadanana ho anareo” (Jaona 20:19).